Toko faha 4

1 Ary farany, ry rahalahy, mahery sy magnanatra anareo ahay ao amin'ny Tompo Jesôsy. Raha nahajo ireo fampenarana laha tamin-dreo mahakasika ny fomba tsy mentsy handihananareo sy hamalifalenareo an'Andriamanitra, ny amin'io làlagna andihanana io mandy koa, die mba amboaranareo mihôtre ijany. 2 Fa anareo die mahafantatre ireo fampenarana ijay namenay anareo tamin'ny alalan'i Jesôsy Tompo 3 Fa ijao no sitrapon'Andriamanitra, die ny hagnamasignana anareo, mba hienganareo amin'ny fijangajangana, 4 ijay ahafataran'ny kiraidraike lahataminareo ny fomba ajahôna ny fanaky ny tegnany ao amin'ny fahamasignana sy voninahitre, 5 tsy amin'ny filan-drasy ( Hôtran'ireo Jentilisa ijay tsy mahafantatra an'Andriamanitre). 6 Ôka tsy hisy olo handika na hagnaratsy ny rahalahiny amin'ijany. Fa ny Tompo namaly amin'iregny raha-abiaby regny, hôtran'ny nampitandremanay meloha sy nijorônay vavolombelogna taminareo. 7 Fa Andriamanitra die tsy nangaika anay amin'ny fahalotôna, fa amin'ny fahamasignana. 8 Noho ijany, ijay tsy magneky ijany die tsy magneky olo, fa Andriamanitra, ijay nagnome ny Fagnahy Masina hôn'areo. 9 Mahakasikan'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, tsy mila olo hafa anareo hanoratra hôn'areo, fa anareo tegnanareo die nampenarinan'Andriamanitra mba hifankatia. 10 Amboarinareo tokôtre ijany, hôn'ireo rahalahy abiaby ijay magneragna an'i Makedomia. Fa ahay die magnanatre anareo, ry rahalahy, mba hagnano mihôtre. 11 Magnanatre anareo mandy koa ahay mba hiaigna am-pilamignana, handinike ny makasikeanareo manokagna, ary hiasa amin'ny tanagnareo, araka ny nandidienay anareo, 12 mba hanagnanareo fitondran-tegna tsara eo agnatrehan'ireo tsy mino ary tsy hisy raha hampahory. 13 Fa tsy tienay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny mahakasika ireo ijay efa mate, mba tsy hampalahelo anareo hôtran'ireo ambine ijay tsy magnantegna ny ho avy. 14 Fa laha mino antsena fa Jesôsy die mate ary nitsangana indraike, die hôtran'ijay koa no hitondran'Andriamanitra miaraka amin'i Jesôsy ireo ijay efa maty tao amin'Aje. 15 Fa ijao no jakainay aminareo ao tamin'nyjakan'ny Tompo, fa antsena ijay velogna, ijay sisa nivela amin'ny fevian'ny Tompo, die tsy heloha tokôtre ireo ijay efa mate. 16 Fa ny tegnan'ny Tompo no hijotso hatagny an-dagnitre. Ho tonga miaraka amin'ny feo agnambo Ijy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, ary miaraka amin'ny trompetran'Andriamanitra, ary ny maty ao amin'i Kristy no hitsangagna vôlohane. 17 Avy eo antsena ijay velogna, ijay sisa nivela, hiaraka hiakatre amin-dreo egny amin'ny rahogna ka hifankahita amin'ny Tompo egny amin'ny habakabake. Amin'ijany die hiaraka amin'ny Tompo fehijay antsena. 18 Noho ijany, mifampahereja amin'ireo jaka ireo.