1
Noho ijany, laha tsy afake niaritre ijany koa ahay, die nieritreritinay fa tsara ny mipetra-drery tao Atena.
2
Nagnirake an'i Timoty ahay, ralahy sy mpiara-miasa ho an'Andriamanitra ao amin'ny filajantsaran'i Kristy, mba hagnamafy sy hankahery momban'ny finônareo. [Fanamarihana: Ny dikan-teny saragne hafa taloha die mivaky hoe : ''Nagnirake an'i Timoty ahay, ralahinay ary mpanompon'Andriamanitra ao amin'ny filajantsaran'i Kristy.'']
3
Namboarinay ijany mba tsy hisy olo ho taitre noho reo fahorena ireo. Fa ny tegnanareo die mahafantatre fa ijany no nanondroana antsena.
4
Marina tokotre, laha niarake taminareo ahay, die nijaka meloha taminareo fa antsena die tsy maintsy hampahorena, ary nitranga ijany, araka ny fantatrareo.
5
Noho ijany antony ijany, laha tsy nahadigny ijany koa iaho, die nagnirake mba hahafantarako ny finônareo. Hingatre ny mpangala fagnahy die efa nangala fagnahy anareo, ary ho raha-tsimanambatrake ny asantsena.
6
Fa tonga taty aminay avy lahatagny aminareo i Timoty ary nintondra ny vaovao mahafalin'ny finôna sy fitiavanareo hô anay. Nijaka taminay ijy fa anareo die managna fahatserovana tsara anay fehijay, ary anareo die magniry mafy ny hahita anay hôtran'ny fagnirianay hahita anareo.
7
Noho ijany, ry ralahy, ahay die nampaherijanareo, nohon'ny finônareo, tao agnatin'ny fiitebitebiana sy fahorenay manotolo.
8
Fa amijao velogna ahay, laha mifikitre mahare amin'ny Tompo anareo.
9
Fa fisôrana hotrani'aia no ajonay amena an'Andriamanitra ny aminareo, tamin'ny hafalena manontolo ijay anagnanay teo ankatrehan'Andriamanitray noho ny aminareo?
10
Mivavaka mahare andro amagnaligna ahay mba tokony hahita ny endrikareo sy hagnome ijay tsy ampy ao amin'ny finônareo.
11
Andriamanitra Iabantsena tegnane, ary Jesôsy Tompontsena anie, hagnitsy ny lalanay ho aminareo .
12
Ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa sy ny olo-abiaby, hôtrane ny amboarinay aminareo koa.
13
Ijy anie hagnamafy ny fonareo, ka mba tsy hanagnan-tsigny amin'ny fahamasignana andreo eo ankatrehan'Andriamanitra Iabantsena , amin'ny fieven'i Jesôsy Tompontsena miaraka amin'ireo masine manontolo.