1
Fa ny tegnareo die mahalala, ry rahalahy, fa ny fevenay teto aminareo die tsy fôgna.
2
Fantatrareo fa teo aloha die nijaly sy nalaim-baraka tagny Filipy ahay. Ahay die sahy tao amin'Andriamanitray hijaka taminareo ny filajantsaran'Andriamanitra tao agnatin'ny fanoherana makadiry.
3
Satria ny fagnanaranay die tsy avy amin'ny fahadisôna, na avy tamin'ny fahalotôna, na avy tamin'ny vandy.
4
Fa koja, araka ny nankatoavan'Andriamanitra anay mba hatokisana amin'ny filajantsara, noho ijany die mijaka ahay. Mijaka ahay, tsy hampifaly ny olo, fa hampifaly an'Andiamanitra. Ijy ilay mahafantatra ny fonay.
5
Satria tsy die nampiasa mihintsy ireo teny fagnatsarana ahay, araka ny fantatrareo, na koa ho felan-tsigny noho ny fagnirena, satria Andriamanitra no vavolombelognanay.
6
Na koa nirembe ny voninahitra avy amin'ny olo ahay, na koa avy aminareo na avy amin'ireo hafa. Ahay die afaka nitaky ireo tombotsoa hôtran'ireo apôstôlin'i Kristy.
7
Fa koja, ahay die tsotra teo aminareo hôtran'ny iendrine mankahery ny janagne nateragne. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny hafa saragne die mivaky hôtr'ijao: "Fa koja, ahay die hôtran'ny jajakely teo aminareo, laha magnanatra ny janagny nateragne iendrine."]
8
Die hôtr'ijay no nanagnanay fitiavana hônareo. Faly ahay mijara aminareo, tsy ny filajantsara an'Andriamanitra mandy, fa ny fiaignay manokagna mandy koa. Satria anareo die nanjary malalanay tokôtre.
9
Satria tadidinareo, ry rahalahy, ny asanay sy ny fisasaranay. Andro aman'aligna no nesanay mba tsy hahafahanay mampitondra ny mavesatra ny raika aminareo. Nandritra ijany fôgna ijany, die nagnambara ny filajantsaran'Andriamanitra taminareo ahay.
10
Anareo no vavolombelogna, ary Andriamanitra mandy koa, fa masina, sy marina, ary tsy manan-tsigny ny fitondran-tegnanay teo aminareo ijay mino.
11
Hôtr'ijany mandy koa die fantatrareo hoe hôtrany aôna no nataonay taminareo kiraidraike hôtran'ny nataon'ny iabane tamin'ny janagne nateragne,
12
nengavy sy nankahery ary nandrisike anareo ahay mba handeha amin'ny fomba ijay magneva an'Andriamanitra, ijay mangaika anareo ho ao amin'ny fanjakane sy ny voninahitrane manokagna.
13
Fa ijany antony ijany no isôranay mandy koa an'Andriamanitra fehijay. Fa anareo laha naharegny avy taminay ny hafatr'Andriamanitra ijay regninareo, die niresinareo ijany tsy hôtran'ny tenin'olo. Fa koja niresinareo ijany araka ijay marina, die ny tenin'Andriamanitra. Ijany teny ijany koa no miasa eo aminareo ijay mino.
14
Satria anareo, ry rahalahy, die nanjary hôtran'ireo fengonan'Andriamanitra agny Jodia ijay amin'ny Jesôsy Kristy. Fa anareo mandy koa die nijaly tamin'ireo raha ireo mandy noho ny nataon'ireo raika tanindrajagna aminareo, hôtrany nahajo an-dreo koa nohon'ny nataon'ny Jiosy tamin'aje.
15
Ireo Jiosy no namono an'i Jesosy Kristy sy eo mpaminany. Ireo Jiosy no nadrôka anay. Tsy nagneky an'Andiamanitra areo. Fa koja, areo die fahavalon'ny olo abiaby.
16
Areo die nandrara anay tsy hijaka amin'ireo Jentilisa mba tsy hamonjena an'ajy reo. Vokatr'ijany die mameno ny fahotan'ny tegnany fehijay areo. Ny havignirana die tsy mentsy avy eo amin-dreo amin'ny farany.
17
Tafasaraka taminareo ahay, ry rahalahy, tagnatin'ny fotôgna fohy, tamin'ny fagnatrehana fa tsy tamin'ny fo. Tena najoto fatratra ahay, nagniry mahare, ny hahita ny tegnanareo.
18
Satria nagniry ny hoagny aminareo ahay, iaho, Paoly, matetitetike, nefa nisakagna anay i Satana.
19
Fa ino moa ny fagnantenanay ny ho avy, na fifalena, na satro-boninahitry ny fandresena eo agnatrehan'i Jesôsy Tompontsena amin'ny feviane? Moa tsy anareo hôtran'ireo saragne hafa koa ve?
20
Fa anareo no voninahitray sy fifalenay.