Toko faha 9

1 Ozy Izy taminjareo: ''lazaiko aminareo marina tokoatra, fa misy aminareo ze mitsangana aketo no tsy hagnandrana zany fahafatesana zany mialô ny hahitan' izy reo ny fanjakan'Andriamanitra ze ho avy amin'ny hery lehibe.'' 2 Ary enina andro taty afara, de nindesin'i Jesôsy niaraka taminy i Petera sy Jakoba ary Jaona taigny amin'ny tanety ambo ary zareo rerika no taigny, Avekeo niova tare teo agnatren'jareo Izy. 3 Ny fitafeny niova mangilangilatra no sady mazava ary fotsy, fotsy miôtra ny raha nofotsena aketo ambon'ny tany. 4 Avy akeo Elia sy Mosesy niseo taminjareo, ary niresaka tamin'i Jesosy zareo. 5 Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Raby o! tsara raha mipetraka aketo tsika, ka andao agnano lay telo, ny raika ho Anao, ny raika ho an'i Mosesy, ary ny raika ho an'i Elia." 6 (Fatsy tsy fatagny ze ra lazainy satria natatra mafy zareo.) 7 Nisy rôndro tonga ka nanarogna an'Azy reo. Ary nisy feo nivoka avy tao agnaty rôndro hoe: " Ty ny Zanako Malalako, mihainoa an'Azy.'' 8 Tampoka teo, raha nizaha ny magnodidigna zareo, de tsy naita na iza na iza mitsy, afatsy Jesosy rerika fogna. 9 Ra nidigna avy taigny antanety zareo,de nafarany mafy mba tsy ilaza na amin'iza na iza ny raha anjareo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Ola. 10 Ary de notanan-jareo zany teny zany, nefa nifampagnotany reo ny amin'ny mety dikan'zany " Fitsanganana amin'ny maty" zany. 11 Nagnontany an'Azy izy reo hoe: "Nagnino reo mpanora-dalána no nilaza fa tsy maintsy ho avy mialô Elia?'' 12 De ozy Izy taminjareo hoe: "Efa tonga vôalôny Elia hagnarina ny zavatra rehetra. Ary nagnino no vosoratra fa ny Zanak'Ola de hijaly mafy amin'ny raha maro ary atao ôtran'ny ôla tsisy dikany. 13 Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon'ny ôla tamin'Azy ze sitraky ny fony, araka ze efa vôlazan'ny Soratra Masina momba an'Azy.'' 14 Ary rafa niverigna teo amin'ny mpianatra zareo, de naita ôla betsaka nagnodidigna an'azy reo ary reo mpanora-dalãna niady hevitra tamin'Azy. 15 Raha vao nahita an'i Jesosy zareo de gaga ny vaôka rehetra ary raha igny niazakazaka nagnatogna an'Azy igny zareo de niarahaba an'Azy. 16 Nagnotany reo mpianany Izy hoe: "Momba ny ino no iadivanareo evitra amireo." 17 Ary nisy raika tamireo vaôka namaly an'Azy hoe: "Mpampianatra ô, nentiko aketo aminao ny zanako lahy. Misy fanahy ratsy tsy mampiteny an'azy izy. 18 Misambotra an'azy io ka mandavo an'azy ary mandô vory izy manidy nify ary lasa nihinjitra izy. Nangataka tami'reo mpianatrao za mba amoka an'zany iala amin'azy, kanefa tsy vitan'izy reo zany. 19 Ary namaly an'izy reo Izy hoe: '' Ry taranaka tsy mino,mandra-pahoviana no hipetrako aketo aminareo? Mandra-pahoviana no handiferako aminareo? Ento mankaty Amiko izy.'' 20 Ary nentina takeo amin'Azy le gaogna lahy ary raha vao natazagna an'i Jesôsy le fanahy ratsy de nampifaninjitra an'azy zany. Lavo tamin'ny tany le gaogna lahy ary feno rora ny vavany. 21 Jesôsy nagnontany ny dadany hoe: ''' Hatramin'ny ovena no nahatoy zao an'azy? De ozy le dadany: ''Efa hatramin'ny fazazany''. 22 Indraindray io fanahy ratsy io mandavo an'azy taigny agnaty afo na aigny agnaty rano ary nagnandrana ny hamotika an'azy''. Ra mahay magnano ny raha rehetra Anao de miantrà anay ary ampeo zahay .'' 23 Jesôsy niteny tamin'azy hoe: ''Raha mahay anao? 24 Ny raha rehetra de hain'ze mino.Ary niaraka tam'zay ny dadan'le zaza de niaika mafy nagnano hoe: ''Mino zà! Ampeo za amin'ny tsy-finôko.'' 25 Rafa hitan'i jesôsy reo vaôka niazakazaka nagnatogna an'Azy de nitineniny mafy le fanahy maloto ary nagnano hoe: '' Ry fanahy môgna sy maregnina, mandidy anao Zà, mivoà amin'azy ary aza mivergna akao amin'azy intsony. 26 Niaika mafy izy ka nampifanintogna mafy an'le gaogna lahy ary avy takeo de nivôka. Ary ôtran'ny ôla maty le gaogna lahy, ka maro no nitare hoe: ''Maty izy.'' 27 Fa Jesôsy nandray anazy tamin'ny tagnana ka nagnarina anazy de nitsangana le gagna lahy. 28 Ary rafa niditra tan-dragno Jesôsy, de nagnontany Anazy manokana reo mpianany hoe: '' Nagnino zahay no tsy mahavôrôka le fanahy ratsy.'' 29 Ozy Izy taminjareo hoe: '' Ny ôtran'reny de tsy oza roasina afa-tsy amin'ny alaln'ny vavaka. 30 Niala takeo zareo ary nandalo taigny Galilia. Tsy teny ho fantatr'iza na iza hoe: '' Taiza zareo''. 31 Fa nampianatra ireo mpianany Izy, hoy Izy taminjareo hoe:''. Ny Zanak'ôla de atolotra eo an-tagnan'ôla ka hovonon'jareo Izy. Ary rafa maty Izy de hitsangan amin'ny maty ndre afaka telo andro.'' 32 Fa tsy takatrizareo io fagnoharana io, ary natatra zareo hagnontany Anazy. 33 Avekeo tonga tao Kapernaomy zareo. Rafa avy niditra tao an-dragno Izy de nagnontany anazy reo hoe: ''Ino ny rà nikoraginareo taigny an-dàlana?'' 34 Fa nangigna zareo satria efa niady hevitra taigny an-dàlana zareo ny amin'izay ho lehibe. 35 Nipetraka de nagnantso reo rombefolo là niaraka Izy ary nitare taminjareo hoe: '' Ra misy te ho vôlôny, de tsy maintsy farany amin'ny dahôly izy ary ho mpanompon'ny daôly.'' 36 Niaka zazakely raika Izy ary nataony teo am-povôn-jareo. Nibotrony teo an-tsandriny izy ary nitare tamizareo hoe: 37 ''Na iza na iza maka zaza ôtran'zao amin'ny Agnarako,de mandray Anà kô, ary ra misy mandray Anà de tsy mandray Anà rerika Izy, fa le nagniraka Anà kô.'' 38 Ozy Jaona taminazy hoe:'' Mpampianatra ô! nahita ôla namôka demonia tamin'ny Agnaranao zahay ary noraranay izy satria tsy miaraka amintsika.'' 39 Fa Jesôsy nagnano hoe:'' Aza mandrara anazy fa tsisy ôla hagnano asa leibe amin'ny Agnarako nefa vetiketika akeo de hilaza ra ratsy momba Anà izy. 40 Na iza na iza tsy manoitra antsika de miaraka amintsika. 41 Na iza na iza magnome rano an'nao eran'ny tasy hosotroina satria an'i Kristy anao, de lazaiko aminao marina tokôtra fa tsy ho very ny valim-piteny. 42 Fa na iza na iza matafitona ny raika amin'reo kely mino Anà reo de tsara ho anazy ny hagnantognana vato be fivelezam-bary mifatotra amin'ny hatony ary aroboka aigny agnaty ranomasina. 43 Ra ny tagnanao no mahatonga an'nao ho tafintona, tapao zany fa tsara aminao ny miditra kilemaina aigny amin'ny fiainana toy izay magnana tanan-droy ary hande amin'ny helo any amin'ny afo tsy maty vonòna. 44 [ Fanamarinana: Ny fandikana tsara indrindra de tsy manisy fehezan-teny amin'ny andininy faha 44 sy 46 hoe: ze tsy maty mihintsy ny kankanzareo ary ny afo tsy ho foaty mandrakizay.''] 45 Ra ny tongotrao no manafitòna an'nao,tapao zany.Tsara koko aminao no miditra bingo aigny amin'ny fiainana noho ny managna tongotra rôy ary arena aigny amin'ny helo. 46 [Jereo ny fanamarinana ao amin'ny andininy faha 44]. 47 Ra ny masonao no matafitoina an'nao,alao hiala zany. Tsara aminao ny mdiditra ny fanjakan' Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roy nefa arena aigny amin'ny helo, 48 aigny amin'ny toerana izay tsy mahafaty ny kankan'zareo ary amin'ny afo tsy mety vonoina. 49 Fa ny ôla dahôly de samy voasira amin'ny afo. 50 Tsara ny sira fa ra ny sira no tonga matsatso, ahôna no hafahanao mampamasina anazy ndre, Aseo sira akao aminareo ary miavàna amin'ny tsiraikaraika.''