Toko faha 10

1 Niala takeo amin'zany tôrana zany Jesôsy ary nande taigny amin'ny faritan' i Jodia sy taigny amin'ny faritra amban'i reniranon'i Jordana;ary nankeo aminy ndre ny vahôka. Ary araka ny fataony , de nampianatra anjareo ndre Izy; 2 De nagnatogna anjareo ny fariseo mba hitsapa Anazy ka hagnontany hoe: " Ara-dalàna ho an'ny leila va ny misara-bady?" 3 Namaly Izy hoe: Ino ny baikon'i Mosesy aminareo?" 4 De ozy zareo hoe:" Mosesy de namela ny leila hisara-bady raikana hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-bady ary hamela ananjy avekeo. 5 "Ozy Jesôsy taminjareo hoe: " Non'ny hamafisan'ny fonareo no nanoratany ho anareo zany lalàna zany. " 6 Fa taigny amin'ny fanombona famoronana, Andriamanitra nagnano anjareo ho leila sy vevavy". 7 Amin'izany antony izany de hiala ny ray sy ny renoiny ny lahy ka hikambana amin'ny vadiny 8 ary hanjary nofo raika zareo ndroy. Ka tsy ho roy intsony zareo fa ho nofo raika iany. 9 Ko ze nakamban'Andriamanitra, de ôka tsy saran'ôlombela." 10 Ary rafa tao an-tragno zareo de mbola namerigna nagnontany ndre zareo, 11 Ozy taminjareo hoe: "N'iza n'iza leila misaraka amin'ny vadiny ka miaka vaiavy afa de mijangajanga. 12 Ra misaraka amin'ny vadiny ny vavy ka manambady leila afa de mijangajanga izy" 13 Avekeo zareo de nitôndra ny zanak'i zareo takeo Aminy mbô ametrany tagnana, fa gnagnavy taminjareo ny mpianany. 14 Fa rafa natazagna anzany Jesôsy de sosy mafy de nitare taminjareo hoe:" Avilay ny zaza hagnatogna Anà ary aza sakanana zareo fa ny fanjakan'Andriamanitra de an'ôla ôtranjareo". 15 Lazaiko aminareo marina tokôtrany, n'iza n'iza tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra salan'ny zaza kely de tsy hiditra amzany velively. 16 Avekeo de nibotrony reo zaza reo ka notsofony rano sady nametrany tagnana. 17 Ary rafa nanomboka ny deny Izy, de nisy leila nezakazaka nendohalika takeo agnatreany, ary nagnotany hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô! Ino tsy maintsy ataoko mba handovako ny fiaignana mandrakizay?" 18 Jesôsy nagnotany hoe: " Manakôry ma no antsovinao hoe: Tsara Za? 19 Fantrao ny didy hoe: Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mijo vavolombelona mandainga, aza mamitaka, hajao ny raiano sy ny reninao." 20 De ozy le leila hoe: " Mpampianatra ô, efa narahako atramin'ny fatanorako daôly reo daôly reo". 21 Nitazagna anazy Jesôsy de te anazy ary ozy taminy hoe:" Misy ra banga raika akao aminao. Tsy maintsy amidinao daôly ny fanagnanao ary ameo ny mahantra zany, de hagnana harena agny an-dagnitra ianao. AVekeo magnarà Ana". 22 Fa noizany filazany zany de nalaelo izy ka nande nagasiasy satria nagnana fanagnam-be tokôtra izy. 23 Mitazagna ny manodidigna anazy Jesôsy ary notaraviny tamreo mpiagnany hoe: "Tegna sarotra hoan'reo manankarena be ny miditra ny fanjaka'Andriamanitra" 24 De gaga tamin'ny teniny ny mpianatra, ozy ndre Jesôsy taminjareo hoe:" Anaka, sarotra ny fdiragna akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Mora kokoa ho an'ny rameva no miditra amin'ny vodi-fanjaitra nohon'ny hidiran'ny mpanakarena be akao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 De mbola gaga ndre ny mpiagnatra ary de nifagnontany zareo hoe:" Iza zany no afaka vonjena?" 27 Nitazana anazy reo Jesôsy ary ozy hoe:" Tsy vitan'ôla zany fa vitan'Andriamnitra satri ny ra dahôly de hain'Andriamanitra hatao" 28 De nagnomboka nitare taminazy ndre i Petera hoe:" Tazagno, zay reto de nafoy ny ra daôly ary nagnaraka An'nao." 29 Ary ozy Jesôsy: "Lazaiko marina aminareo,tsy misy olona mandôsa ny tranony na ny ralainy na ny ravaviny,nany zagnany, na ny taniny noho ny Aminà sy ny Filazantsara, 30 ka tsy hahazo avy zatoeny amin'izao taonjato ankeitriny izao. De trano, rahalahy,rahavavy,reny,zanaka sy tany miaraka amin'ny fagnenjena,ary amin'ny taonjato hoa avy de fiaignana mandrakizay. 31 Fa betsaka ny vôlôny no lasa farany ary ny farany lasa volôny." 32 Taigny an-dalana zareo ra niakatra ho agny Jerosalema ary Jesoŝy nande nelô anjareo. Gaga reo mpiantra, ary re ze nagnaraka Ananjy tafara de natatra. Nantsovin'i Jesôsy hankeo Aminazy ndre izy rombefolo ary de nanomboka nilaza ra hihatra Aminazy tsy ho ela Izy. 33 Tazagno, miaraka agny Jeosalema tsika zao,ary ny Zanak'olona de atolotra ny Mpisonabe sy ny Mpanora-dalàna. Hoelonjareo ho faty Izy ary atolony ny Jentilisa. 34 Reo de hagneso Anazy,handrora Anazy,Handaroka Anazy sy hafaty Anazy. Fa afaka telo andr de hitsangana amin'ny maty Izy. 35 Jakoba sy Jaona,zanak'i Zebedio, nagnatona Anazy ary ry nitare Taminazy hoe: " MPampianatra ô! mba tenay ra mba ataonao ze angatahanay daôly Aminao." 36 De Ozy taminjareo hoe: " Ino tenareo ataoko aminareo?" 37 Ozy zareo hoe: Avelao zay hiaraka hipetraka Aminao akao amin'ny voninahitrao, ka ny tokana an'tagnana ankavanana ary ny tokana ankeo ankavenao" 38 Fa Jesôsy namaly anjareo hoe: " Tsy fantatrareo ze angatahanareo, agnareo ma afaka misotro amin'ny kapoaka ze hisotroko na hiaritra ho hatao batias amze hagnanovana Ana?" 39 Ozy zareo taminy hoe: " Vitanay zany." Ary nitare taminnjreo Jesôsy hoe: "Ny kapôka ze sotroko de ho sotronareo ary amin'ny batisa ze agnanovana batisa Ana,no hagnanovana batisa an'nareo kô, 40 Fa ze hipetrahako akeo an-tagnana an-kavanako na akeo an-kaveko kosa de tsy miankina Amina zany, fa zany de hoan'jareo ze nagnomagnana anzany. 41 Rafa naregny ny momba anzany zareo mpiantra folo hafa, de nanomboka sosy lôtra tamin'i Jakoba asy Jaona. 42 Nantsovin'i Jesôsy nankeo Aminazy zareo ary nitaraina hoe: " Fantatrareo va reo ze hiverigna ho mpanapaka ny Jentilisa de mpanomponjareo ary ny lehibe mpifehy anjareo de magnampatra fahefana aminjareo. 43 Fa tsy tokony ôtranzany ny aminareo, fa n'iza n'iza magniry ho lohagny aminireo de izy no ho mapanomponareo, 44 ary n'iza n'iza magniry ho volôny aminareo de ôka izy andevonareo daôly. 45 Fa ny Zanak'ôla tsy tonga mba hotompoina fa hanompo, sy hanolotra ny aignany takalon'ny aignan'ny maro. 46 nga takao Jeriko zareo, rafa nivôka ny tanàna niaraka tamin'ny mpiagnany ny vahôka betsaka Izy, ny zanak'i Temeo, Bartimeo ze mapangataka sady jamba, no metotra amoron-dàlana, 47 Rafa naregny izy fa Jesôsy avy agny Nazareta zagny de nanomboka ny niekeka mafy izy ary nitare hoe: " Ry Jesôsy zanak'i Davida ô,mamindrà fô amina"! 48 "Betsaka sosy tamle jamba, nitare taminy mba hangigna fa vao maika izyy nikeka mafy hoe:" Ry zank'i davida ô!,mamindrà fô amina!" 49 De nanangana Jesôsy ary nagantso anazy hoe: Antsovinareo le jamba ary nitaravina hoe:" Mahereza! Mitasangànan magnantso anao Izy, 50 Nareny ny lambany ary ka nankeo amin'i Jesôsy Izy. 51 Denamaly anazy Jesôsy ary nitare hoe: " Ino ma tenao ataoko aminao? Ozy le leila jamba hoe:"Raby ô, te hahita za" 52 Ary ozy Jesôsy taminanjy hoe:" Mandehana, ny finoana no nahavonjy anao." De natazagna niaraka tamzay ny masony ary niaraka nagnaraka an'i Jesôsy taigny an-dàlana izy.