Toko faha 11

1 Ary ra nande taigny Jerosalema zareo de nagnakeky an'i Betifaga sy Betania, aigny an-tendrombohitra Oliva, ary jesosy nagniraka rôy tam'ireo mpianany, 2 ary niteny taminjareo hoe: "Mandeana amin'irÿ tanàna kely hitantsika irÿ. Ra vô tafiditra akao nareo de hatazagna zana-boriky raika mbola tsisy nitikinan'ôla. Vahao izy de ndeso mankaty Aminà. 3 Raha misy ôla mitare aminareo hoe: 'Magnino anareo magnano an'zao?' De ataovo hoe: 'Misy ra ilan' Tompo an'azy de averigna malaky aty izy. '' 4 De nande nivôka zareo de natazagna zana-boriky tokana mifatotra takeo avelagn'ny trano agnilan'ny varavaragna raika akeo amoron-dalana,de nivahanjareo ny tadiny. 5 Nisy ôla sasagny nitsangana takeo ary niteny taminjareo hoe: "Ino ty ataonareo mamaha an'io zana-boriky io?" 6 De nilazainjareo an'azy ny tenin'i Jesosy taminjareo, ary nalefan'ôla nande am'ze hombàny zareo. 7 Ary nindesin'ireo mpianatra rôlà takeo amin'ny Jesosy le zana-boriky de nataony takeo ambonin'zany ny lambanjareo ka afaka nitikina an'azy Jesosy. 8 Betsaka ny ôla namelatra ny lambany taigny andalana,ary ny sasagny namelatra rantsana kakazo ze notapany avy taigny an-tsaha. 9 Ireo ze nande avy talôny sy ireo nagnaraka an'Azy nagnantsoantso hoe: "Hosana! Deraina le tokana avy amin'agnaran'ny Tompo. 10 Deraina ny fanjakana ho avin'i Davida raintsika! Hosana aigny amin'Avo indrindra! Hosana aigny amin'Avo indrindra!" 11 Avy takeo Jesosy niditra takao Jerosalema ka nankao an-kianjan'ny tempoly, ary nitazantazagna ny ra daôly. Ary efa nehariva ny andro, de nande nankaigny Betania Izy sy zareo rombefolo la. 12 Ny andro tafaran'io, ra niverigna avy taigny Betania zareo, de nôna Izy. 13 Ary natazagna aviavy tokana nandravina avy tery alavidavitra, de nagnankeky Izy hizà ra misy vôny tamin'azy, ary rafa nankeo Izy, de tsy natazagna na ino na ino fa ravina fôgna, fa mbôla tsy fotona famoazan'ny aviavy tamin'io. 14 De ozy tamin'zany hoe: "Tsisy hinana ny vô tsony avy aminao mandrakizay." Ary ny mpianany naregny an'zany. 15 Nankaigny Jerosalema zareo, ary niditra takao an-kianjan'ny tempoly Izy ary nanomboka nadroka ny mpivarotra sy ny mpividy daôly takao. Naongany ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivarotra voromelala. 16 Tsyamela na iza na iza hitondra ra azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly Izy. 17 De nampianatra an'jareo Izy ka niteny hoe: "Tsy efa vôsoratra va hoe: "Ny tragnoko de atao hoe tragno fivavana ho an'ny firenena daôlo'? Nefa nataonareo ho zohy fisitrin'ny mpangalatra." 18 Regnin'ny lohan'ny mpisorogna sy ireo mpanoradalana ze nitineniny de nikaraka fomba hamonoana an'Azy zareo. Fa natatra an'Azy zareo satria ny vaôka daôlo gaga tamin'ny fampianarany. 19 Rafa tonga ny hariva, de niala ny tanàna zareo. 20 Ary ra nande zareo ampolakeka, de natazagna le aviavy nalazo mbam'pakany. 21 Ary Petera natsiaro ka nitare hoe: "Raby ô!, tazagno! le aviavy nozognonao." 22 Jesosy namaly anjareo hoe: "Manàgna finôna an'Andriamanitra. 23 Lazaiko aminareo marina tokôtra fa na iza na iza no miteny ami'ty tendrombohitra ty hoe: Mitsangàna ka midarabô agnaty ranomasina; ka ra tsisy fisalasalana akao ampony fa mino fa itranga aminazy ze nilazainy, de ôtran'zany no ataon'Andriamanitra. 24 Noho izany Za miteny aminareo, ze rehetra ivavanareo sy angatanareo , minoa fa efa nandray an'zany anareo, de ho azonareo zany. 25 Rafa mitsangana sy mivavaka nareo de tsy maintsy mamela ze alaelo daôlo anagnanareo na amin'iza na amin'iza, mbô avelan'ny Rainareo ze aigny an-dagnitra kô ny fahotanareo. 26 [Fagnamarinana: Ny fandikana tsara indrindra de tsy magnisy ny hoe (Jereo ao amin'ny Mat. 16: 15) MK.11: 26" Fa ra tsy mamela heloka kosa anareo, de tsy hamela ny fahotanareo mitsy ko ny Rainareo ze aigny andagnitra."] 27 De niakatra ho aigny Jerosalema ndre zareo. Aey ra nandende takao an-kianjan'Tempoly Jesosy, de tonga nagnatogna an'Azy ny lôndon'ny mpisoragna, ny mpanora dalana, ary reo lô ôla. 28 Ozy zareo tamin'azy hoe: "Fahefana avy akaiza no agnanovanao regny ra regny, ary iza no nagnome an'naofahefanaagnano an'regny?" 29 Jesosy niteny taminjareo hoe: "Hametra fagnontanena raika aminareo Za. lazao Amina de ho lazaiko anareo hoe fahefana avy akaiza no agnanovako regny ra regny. 30 Ny Batisan'Jaona, avy an-dagnitra ma zany se amin'ôla? Valeo Za." 31 fandinika niaraka zareo sady nifamaly sy niteny hoe: "Ra mamly tsika hoe: 'Avy akaigny an-danitra,' de hiteny Izy hoe: Fa nagnino ary tsy nino an'Azy anareo?' 32 Fa ra mamaly kosa isika hoe: 'Avy amin'ôla,'...." Natatra ny ôla zareo, satria nagneky ny ôla daoly fa Jaona de mpaminagny tokôtra. 33 Avy akeo namaly an'Jesosy zareo ka nagnano hoe: "Tsy hainay." De ozy Jesosy taminjareo hoe: "Za iany ko tsy hilaza aminareo hoe faefana avy akaiza no agnanovako regny ra regny."