Toko faha 12

1 Nanomboka nampianatra azy reo tamin'ny alalan'ny fanoharana Jesosy. Ozy izy hoe: "Leila nagnano tanim-goaloboka, nanisy fefy magnodidina izany, ary nandavaka famiazana. Nanangana tilikambo izy ary avy takeo nampanofa tanim-boaloboka tamin'ny mpamboly voloboka. De niala nande lavitra izy avy takeo. 2 Tamin'ny fotoana majary, de naniraka mpiasa ho aigny ami'le mpamboly vôloboka izy mba hiaka amin'jareo ny sasagny amin'ireo ze tokony ho anjarany amin'ny vokatry le tanim-boaloboka. 3 Fa nosamborin-jareo Izy, nitarôny, ary noroasiny tsy hitondra ninonino. 10 Tsy novakianareo nga zao Soratra Masina zao? "Ny vato zay volavin'ny mpagnano tragno, no tonga vato fehizora. 11 Avy tamin'ny Tompo zany,ary de mahagaga eo imasontsika." 12 Nikaraka ny hisamborana an'Jesosy zareo, saigy natatra ny vahôka, satria fantan'jareo fa hanoherana an'jareo no nitaraviny zany fagnoharana zany. ka de navelanjareo Izy ary lasa nande zareo. 13 De nagneraka ny Fariseo sy Herodiana sasagny ho aigny Aminy mba hamandrena Azy amin;ny koragna zareo. 14 Rafa tonga zareo, de Ozy zareo tamin'ny hoe: "Mpampianatra ô, fantatray fa tsy magnaô ny hevitr'ôla Ianareo, ary tsy mampiseho fiangarana akeo amin'ny ôla. Mampianata marina ny lalàn'Andriamanitra Ianao.Ara-dalàna ma sa tsia ny mandô hetra ami-kaisara? Tokony handô hetra ma zahay sa tsia?" 15 Fa fantatr'i Jesosy ny fihatsarambelatsihi-jareo ka nitare tamin-jareo hoe: "Magnino anareo no mitsapa Ana? Tondravo denaria tokana Za mbô tazagnako an'izany" 16 De nitondran'jareo vola raika Jesosy. Ozy izy tamin'jareo hoe: "Endrik'iza ity sary sy soratra ity? Ozy zareo hoe: an'i Kaisara." 17 Ozy Jesosy hoe: "Omeo an'i Kaisara ze an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamanitra ze an'Andriamanitra." De gaga tamin'Azy zareo. 18 Avy akaeo ireo Sadoseo, izay milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, de tonga takeo aminy. Nagnotany an'Azy zareo nagnano hoe: 19 "Mpampianatra ô, nanoratra an'izao hoanay Mosesy hoe: Ra maty ny ralahin'ny leila raika ary nametraka vady izy, nefa tsy mbô nananjanaka, de tokony manambady le vadin-dralany le leila, ka hanagna taranaka hoan'ny ralany. 20 Nisy fito mirala; nanambady le vôlôny ary maty, tsy nametraka taranaka. 21 Avy akeo naka an'azy ny faharo de maty, tsy nametraka taranaka de Ôtran'izany kô ny fatelo. 22 Tsisy nametraka taranaka zareo fito, ny farany indrindra, maty kô le ramatoa. 23 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rafa hitsangana ndre zareo, de ho vadin'iza zareo? Satria samy nanambady an'azy daôly zareo fito mirala. 24 Ary ozy Jesosy hoe: "Tsy zany ma no antony madiso hevitra anareo, satria tsy hainareo na ny soratra masina na ny herin'Andriamanitra? 25 Satria rafa mitsangana amin'ny maty zareo, de tsy hanambady na hatolotra amin'ny fanambadena, fa ho ôtran'ny anjely aigny andagnitra. 26 Fa makasika ny amin'ny fitsanganan'ny tegna amin'ny maty, tsy nivakinareo ma ny takao amin'ny bokin'i Mosesy, akao amin'ny andalana momba le vôroy, ny niresan'Andriamanitra taminy ka nilazany hoe: "Za no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary andriamanitr'i Jakoba"? 27 Izy de tsy Andriamanitry ny maty, fa an'ny velogna, somary diso hevitra nareo". 28 Nisy raika tamin'ireo mpanora-dalàna tonga ary naregny ny Koragnan-jareo; 29 Hitany fa novalian'i Jesosy tsara zareo.Ary nagnotany an'Azy zareo hoe: Ino ny didy geda indrindra amin'izy daôly?" Jesosy namaly hoe: "ny geda indrindra de izao" Mihaino, ny Tompo Andriamanitsika,ry Israely de Tompo tokana. 30 Tsy maintsy mité ny Tompo Andriamanitsika Amin'ny fonao daôly anao , amin'ny fagnanao daôly, amn'ny fanahinao dahôly, amin'ny sainao dahôly sy amin'ny herinao daôly. Ty ny didy faharô: 31 "Tsy maintsy mite ny namagnao ôtran'ny tegnanao anao" tsisy didy hafa gedabe mihôtran'reo. 32 Ozy le mpanora-dalàna hoe: "Tsara zany ry Mpampanatra." Vôlazanao marina fa Andremagnitra de tôkana, ary tsy misy af-tsy Izy. 33 Ary ny mite an'Azy amin'ny fo daôly sy amin'ny saigna daôly sy ny hery daôly, ary mité namagna ôtran'ny tegna, de tsara lavitra miôtra ny fagnatitra dorôna sy ny sorogna daôly. 34 Rafa hitan'i Jesôsy fa naggnome valina koragna hendry izy, de nitare taminy izy hoe: "Tsy lavitra ny fanjakan'Andremagnita anao". Ary tafaran'zany, de tsisy ôla sahy nametraka fagnontanena tamin'i Jesôsy intsony. 35 namaly Jesôsy, ra nampianatra takeo amin'ny tempoly Izy de ozy Izy hoe: " Akôry na ny itaravan'ny mpanora-dalàna fa Kristy de Zanak'Andremagnitra? 36 Davida tegnany, tamin'ny Fanahy Masina, nagnano hoe: "Ny Tompo nitare tamin'ny Tompoko hoe:Miantôrà akao an-tagnana an-kavanako, mandrampagnaovako ny fahavalonao ho fitôran-tongotrao." 37 Davida tegnany aza nagnantso an'Azy hoe: Tompo; ka manakôry ny maha-Zanak'i Davida an'i Kristy." Nihaino tamim-pfalena reo vaôka maro be. 38 Tamin'ny fampenarany Jesôsy de nikoragna hoe: "Mitandrema amin'reo mpanora-dalàna, ze te mandende amin'ny akanjo lava ary ten'jareo ny arabaina akaigny an-tsena. 39 Ary ten-jareo ny maazo ny seza vôlôny agny amin'ny synagôga sy ny tôragna vôlôny any amin'ny fety. 40 Mandroba ny tranon'reo magnano tegna zareo ary magnano vavaka lava be ho regnin'ôla. Ireo leila ireo de handray fagnaelôhana gedabe tokô. 41 Avy takeo Jesôsy nentotra nifagnitsy ny vata fanatazan-drakitra takao amin'ny Tempoly; Nitazana an'reo ôla daôly ze nandrotsaka vola takao amin'ny vata fandatsahan-drakitra . Mpanankarena maro no nandrotsaka vola beda be takao. 42 De nisy vaiavy mahantra mpagnano tegna raika tonga nandrotsaka farantsakely rôy, ze kely variroaventy. Oharogna amin'ny iraimbilanja. 43 De nantsoviny reo mpianany ary ozy Izy tamin-jareo hoe:" Lazaiko aminareo marina tokôtra fa ity vaiavy mahantra magnano tegna ity no nadrotsaka betsaka miôtra ny ôla ze nandrotsaka vola takao amin'ny vata fanatazan-drakitra. 44 Satria ny daôly de nagnome tamin'ny fanagnamben-jareo. Fa ity magnano tegna ity kosa,tamin'ny fahantrany denandrotsaka ny voa daôly ze tokony hivelomany takao"