Toko faha 13

1 Ary ra niala takao an-kianjan'ny tempoly Jesosy, de niteny taminazy ny raika tami'reo mpianany hoe: "Mpampianatra ô, tazagno ny atsaran'ny vato sy ny atsaran'ny rafitra!" 2 Ozy izy taminazy hoe: "tazagnao ma reto rafitra gedabe reto? Tsy avela isy vato na raika ifampitikina akeo ka tsy ho ravana." 3 Ary raha nipetraka takeo an-tanetin'Oliva nifanjo ny tempoly Izy, de nagnontany an'Azy mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4 "taravo aminay, ovena no hibôna zany ra daôly zany? Ino no famatarana rafa mitranga reo ra reo?" 5 Ary Jesosy nentomboka niteny taminjareo hoe: "Mitandrema mba tsisy ôla hampivily lalana an'nareo. 6 Fa betsaka no oavy amine Agnarako sy hilaza hoe: 'Za no izy,' ary betska no vôfitagny. 7 Rafa maregny ady sy resabe momban'ny ady anareo, de aza magna; tsy maintsy ibôgna reo, fa tsy mbôla zay ny farany. 8 Fa isy firenana itsangana amely firenena, ary isy fanjakana amely fanjakana. Ary isy orohoron-tany amina tôrana maro, sady isy silaona. Izany ny fendoan'ny fahorenan'ny fiterana. 9 Mitandrema nareo. Ho atolotr'zareo amin'ny synedriona anareo, ary ho tarôny akao amin'ny synagoga. Hitsagana magnolôna an'reo mpanapaka sy reo mpanjaka no ny Amina anareo, ho vavolombela aminjareo. 10 Fa ny filazantsara de tsy maintsy otorina aigny amin'ny firenena daôly alô. 11 Rafa misambotra sy manolotra an'nareo zareo, de aza magna am'ze tokony o koragninareo. Fa amin'igny ora igny, de omena an'nareo ze tokony o taravinareo; tsy anareo avy no iteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ny ralany anolotra ny ralany ho foaty, ary ny ray anolotra ny zanagny. Ny zanaka itsangana anotra ny ray aman-dreniny ka afaty anjareo. 13 O alan'ôla daôly anareo no ny Agnarako. Fa niza niza maharitra atramin'ny farany,de o vôvonjy zany ôla zany. 14 Fa ra tazagnareo mitsangana akeo amin'ny tsy tokony itsanganany ny faavetavetan'ny fandravana (ôka isaigna ze mamaky), de ôka ze avy aigny Jodia daôly hilefa akaigny antanety, 15 ze akao an-tampon-tragno ôka tsy hidigna akao andragno na hamôka ra avy akao ami'zany 16 ary ze aigny an-tsà ôka tsy hiverigna hiaka ny lambany. 17 Lozan'reo vevavy bevoka sy mampinono ami'zany andro zany! 18 Mivavà nareo mba tsy amin'ny rirignina no iboagnan'zany. 19 Fa hisy fahorena be, ze tsy mbôla nisy atram'bôlôny, rafa nagnambôtra an'zao tontolo zao Andriamanitra, ka mandrak'zao, tsia, ary mandrakizay tsisy tsony zany. 20 Ary ra tsy hoe nafoezin'ny Tompo zany andro zany, de tsisy nofo ho vôvonjy. Fa no ny ôlom- bôfidy ze nofidiny, de nafoeziny ny isan'zany andro zany. 21 Ary ra misy ôla miteny aminao hoe: "Jereo, aty Le Kristy!" na kô hoe: 'Jereo, ary izy!' de aza mino an'zany. 22 Fa isy Kristy sandoka sy mpaminagny sandoka ibôgna ary hampiseo famantarana sy fagagana, mba hamitana, na de ny ôlom -bôfidy aza, ra azo atao. 23 Membena! Efa vôlazako taminareo melôan'ny fotôna reo ra daôly reo. 24 Kanefa afaran'reo faoren'reo andro reo, de hiamaizigna ny masoandro, sy ny volana tsy hagnome ny hazavany, 25 reo kintana hiraraka avy akaigny amin'ny lanitra, ary reo hery ze akao an-danitra ho hozongozognina. 26 Ka ho tazan'jareo ny Zanak'ôla avy aigny amin'ny rôndro amin'ny hery lehibe sy voninatra. 27 Ary agniraka ny anjeliny Izy ka hagnangona miaraka reo ôlom-bôfidy avy aigny amin'ny vazan-tany efatra, avy aigny amin'ny faran'ny tany ka atraigny amin'ny faran'ny lanitra. 28 Mangalà lesona avy amin'ny aviavy. Raha vô mandrobogna sy mandravina ny rantsagny, de fantatrareo fa ankeky ny lôtaona. 29 Sahala ami'zany kô, raha vô hitanareo fa mibôgna zany ra daôly zany, de fantatrareo fa efa ankenky Izy, magnankeky ny vavady. 30 Taraviko aminareo, marina tokô, ty taranaka ty de tsy ho lany ritra mandra-pibôgnan'zany ra daôly zany. 31 Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teny kosa tsy mba ho levona mandrakizay. 32 Fa ny makasika an'zany andro na ora zany, de tsisy mahalala, na de reo anjely aigny an-danitra aza, na ny Zanaka, fa ny Ray iany. 33 Mitandrema! Membena, satria tsy fantatrareo ny ora. (Fagnamariana: Ireo faefana talô de hoe: Mitandrema! Membena ary mivava, satria...) 34 Zany de sahala amin'ny leila raika nande lavitra nandao ny tragnony izy ka reo mpanompony no nataony niandraikitra ny tragnony, samy amin'ny asany avy, ary nandidy ny mpiambina Izy mba tsy hatory. 35 Ka membena satria tsy fantatrareo hoe ovena no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny hariva , na amin'ny sasak'alina na magneno ako, na ampolakeka. 36 Fa raha avy tampoka izy, de aza avela haita an'nareo matory izy. 37 Zay lazaiko aminareo de lazaiko amin'ny ôla daôly kô: Membena!"