Toko faha 8

1 Tamin'izany andro zany, de nisy vahôka betsaka ndray, ary tsy nanan-kohanina zareo. De nagnantso ny mpianany Jesosy ary nitare tamin'jareo hoe: 2 " Mafiraigna Ana reo vahôka, satria efa telo andro zareo no nanohy niaraka tamina ary tsy manan-koanina. 3 Ra asaiko mody aigny andragnony tsy mihinana zareo, de mety ho safotra an-dalana. Ny sasagny amin'jareo de avy aigny an-tany lavitra. 4 Namaly an'Azy reo mpianany hoe:" Aiza no hahazoantsika mofo ampy hamokisana reo vahôka reo aty an-tany fogna ôtran'izao?" 5 Nagnotany an'jareo Izy hoe: "Firy Ny mofo anagnanareo"? Ozy zareo hoe: "Fito" Nandidy ny vahôka mbo hipetraka amin'ny tany Izy. Noraisiny ny mofo fito, de nisaotra Izy, ary nanapaka an'reo. 6 Natolony ny mpianany zany mbo ho zarain-jareo amin'ny vahôka, ary napetrak'izareo takeo agnolon'ny vahôka zany 7 Ary mbôla nanagno hazandrano kely vitsivitsy ihany kô zareo, ka rafa avy nisôtra an'jareo Izy, de nandidy an'jareo mpianatra mbô handroso an'izany kô Izy. 8 De nihinana ry zareo ka voky, ary nalain-jareo ny sombitsobiny tavela, ze nafeno karapaka fito geda. 9 Tokony ho efatrarivo takeo ho eo ny ôla tamin'izany. Avy takeo nalefany nody ry zareo. 10 Avy hatraigny de niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'reo mpinany Izy, ary nande nankaigny amin'ny faritr'i Dalmanota ry zareo. 11 De nivoaka reo fariseo ary nanomboka nifamaly taminy. Nikaraka famantarana avy aigny an-dagnitra taminy ry zareo, mbô hitsapana an'Azy. 12 Nisento mafy teny amin'ny fanahiny Izy ary nitara hoe: "Nanakory no mikaraka famantarana ity taranaka ity? Nefa lazaiko marina aminareo, fa tsy misy famantarana amena an'ity taranaka ity zany." 13 Avy takeo de nandaosa azy reo Izy, niakatra takao agnaty sambokely ndray. Ary niala lavitra taigny am-pita. 14 Ary tsy tadidin'ny mpianatra ny nitondra mofo niaraka tamin'jareo. Tsy nanagna meôtra ny tokana zareo takao agnaty sambo. 15 De nampitandrina an'jareo Izy ka nitaraviny hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasir'ireo Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda" 16 De nifagnotany tegna ny mpianatra hoe: "Nony ntsika tsy managna mofo ma izany." 17 Fantatr'i Jesosy zany, ary ozy Izy tamin'jareo hoe: "Nanakory ny amin'ny tsy fanagnana mofo ny fisaignanareo? Mbôla tsy azonareo ma? Mbôla tsy takatrareo kô? Nanjary donto ma ny fonareo? 18 Magnana maso nareo, fa tsy matazagna nga? Magnan-tsofigna, fa tsy maregny nga? Tsy tadidinareo nga? 19 Rafa nanapaka ny mofo dimy ho an'ôla dimy arivo Za, de karapaka firy feno sombitsombina mofo no nangoninareo? Ozy zareo taminy hoe: "Roambefola" 20 Rafa nanapaka ireo mofo fito hoan'ôla efatrarivo Za, firy karapaka ny ambiny nangoninareo? Ozy izy tamin'jareo hoe: Fito." 21 Ary ozy izy hoe: "Mbôla tsy takatrareo ihany ma? 22 Tonga taigny Betsaida ry zareo. Ary nisy jamba raika nentin'ôla takeo aminy ary niangaven-jareo Jesosy mbô hikasika an'azy. 23 Nentin'i Jesosy tamin'ny tagnana le jamba, ary mitarika an'azy nivoaka ny tanana. "Rafa nandrora tamin'ny masony Izy ary nametraka ny tagnany tamin'azy, de nagnotany na'azy izy hoe: Matazagna ra ma enao? 24 De nitraka izy, ka nitaraviny hoe: Matazagna ôla ôtra ny kakazo mandehandeha za". 25 Napetak'i Jesosy tamin'ny masony ndre ny tagnany ary nahiratra le leila ny masony, de niverigna tamin'ny laoniny ny fahitany, ary natazana mazava tsara ny ra daôly izy. 26 De nalefan'i Jesosy nody izy ary notaraviny hoe: "Aza miditra akao an-tanana" 27 Nande nivôka Jesosy sy ny mpianany nankaigny an-tananan'i Kaisaria Filipo. Taigny an-dalana de nagnotany an'ireo mpianany Izy hoe: "Ataon'ny ôla hoiza ma Za? 28 Namaly an'Azy zareo ka nitaraviny hoe: Jaona mpagnano Batisa. Ny sasagny mitara hoe: Elie, ary ny sasagny hoe: Raika amin'ireo mpaminagny". 29 Nagnotany an'jareo Izy hoe: "Fa ianareo kosa magnano Ana ho iza? "De ,namaly an'azy Petera hoe: "Enao no Kristy." 30 Nampitandrina an'jareo Jesosy tsy hilaza ny momba an'Azy na amin'iza na amin'iza. 31 Nanomboka nampianatra an'jareo Izy fa tsy maintsy hijaly ny zanak'ôla ary ho lavin'ny lohola sy ireo mpisorogna ary ny mpanora-dalàna, ary hovonona, ka hitsangna aminn'ny maty afaka telo andro. 32 Nolazainy mazava tsara zany. Avy akeo nantsoin'i Petera mangingina Jesosy ka nanomboka nitare mafy an'Azy. 33 Kanefa nierika Jesosy de nitazagna ireo mpianany ary avy akeo nitare mafy an'i Petera ka nagnano hoe: "Miala lavitra Ana, ry satana! tsy mbô misaina ny ran'Andriamanitra enao, fa ny ran'ôla." 34 Avy akeo de nagnantso ny vahôka sy ny mpianany niaraka Izy, Ary ozy izy tamin'jareo hoe: "Ra misy te hagnaraka Ana, de tsy maintsy mandà ny tegnany izy, maka ny hazo fijaliany, ary magnaraka Ana. 35 Na iza na iza te hamonjy ny aignany de hahavery zany, ary ze mavery ny aignany noho Za sy ny filazantsara de mavonjy zany. 36 Fa ino nefa ny tombotsoa azon'ôla tokany, ra mahazo izao tontolo izao, ary avekeo very ny aignany? 37 Ino no afaka amen'ôla raika ho takalon'ny aignany? 38 N'iza n'iza megnatra Ana sy ny teniko, aketo amin'ity taranaka mijangajanga sy mpagnota ity de ho megnatra an'azy kô ny zanak'ôla rafa tonga akao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amireo anjely masina Izy