Toko faha 7

1 Ireo fariseo sy ny mpanoradalana sasagny ze avy aigny Jerosalema de tonga niangona nagnodidina an'Azy. 2 Ary tazan'jareo ny mpianany sasagny nihinana mofo tamin'ny tagnana maloto, zany hoe, tsy vôsasa . 3 (Fa ny fariseo sy ny jiosy daôly de tsy mba mihinana raha tsy efa nanasa tagnana zareo, satria magnaraka ny fombofomban'ireo loholona.) 4 Ary rafa miverigna avy aigny an-tsena ireo Fariseo, de tsy mihinana zareo ra tsy avy mandro ary mitandrina fomba maro hafa fatratra zareo, ôtrany ny fagnadiovana ny kapoaka sy ny famarana, sy fanaka varahina, ary ny fandrena izay ihinanan'jareo.) 5 Ireo Fariseo sy ny mpanoradalana nagnotany an'i Jesosy hoe: "Nanakôry ny mpianatrao no tsy mande araka fombafombandreo loholona, fa minana ny mofon'jareo amin'ny tagnana tsy vôsasa?" 6 Nefa hoy Izy tamindreo: "Isaia naminagny tsara momba nareo mpiatsaravelatsia. Nosoratany hoe: Ty vahôka ty magnaja Ana amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ana. 7 Fôgna ny fivavahana atolotry zareo Any, ra mampianatra ny fitsipik'ôlombela ho fampianaranjareo.' 8 Afoinareo ny didin'Andriamanitra ka tagnanareo mafy ny fomban' ôla. " 9 Ary ozy ihany kô Izy taminjareo:" Salan'ny manakôry ny fagnarenareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremagnareo ny fomban-drazanareo! 10 Fa ozy Mosesy: 'Magnajà ny rainao sy ny reninao,' ary kô, 'Zay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny de ho foaty tokô.' 11 Kanefa ianareo miteny hoe: 'Ra misy leila raika miteny ny rainy sy ny reniny hoe: 'N'ino n'ino tenao ho azo tamina de efa Korbana,''' (izany hoe: 'Nomena an'Andriamanitra') 12 de tsy avelanareo hagnano n'ino n'ino amin'ny rainy sy ny reniny ntsony izy. 13 Magnafoagna ze taravin'Andriamanitra nareo noho ny fomban-drazanareo ze notagnanareo. Ary ra maro sahala amin'izany ko no ataonareo." 14 Ary nagnatso ny vahôka ndre Izy ka niteny taminjareo hoe: "Meno Ana, nareo daôly, ka fantaro. 15 Tsy misy ra avy avelagny miditra akao agnatign' ôla ka afaka mahaloto anazy daôly miditra akao aminy. Fa ze mivôka avy akao agnatign' ôla no mahaloto anazy." 16 [Ny fandikana tsara indrindra de tsy magnisy ny andininy faha 16: Ra misy magnan-tsofigna enona, aoka izy eno.] 17 Ary rafa niala takeo amin'ny Jesosy ka niditra akao an-tragno, ny mpianany nagnontany Anazy momba an'le fagnoharana. 18 Ozy Jesosy taminy: "Ianareo kô ve mbola tsy magnana fahalalana? Tsy tazagnareo va fa ze miditra akao agnatign' ôla avy akagny ivelagny de tsy mahaloto anazy, 19 satria tsy afa-miditra akao am-pony zany, fa akoa an-kibony ihany ka mivôka akagny amin'ny fivoana?" Tamin'izany fanambarana zany de nahatonga ny anina daôly ho madio i Jesosy. 20 Ozy: "Ze mivôka avy akao amin' ôla no mahaloto anazy. 21 Fa avy akao agnatign'ôla, avy akao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny famonon'ôla, 22 ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-pagnahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny hadalana. 23 'Zany ra-ratsy daôly zany no mivôka avy akao agnatign' ôla, ary reo no mahaloto anazy." 24 Niala takeo Izy nande tany amin'ny faritry ny Tyro sy Sodona. Niditra takao an-tragno Izy ary tsy teny ho fantatr'iza na iza fa takao Izy, kanefa tsy afaka nisitrika. 25 Kanefa niaraka tamin'izay de nisy vevavy raika, izay nisy fagnahy maloto raika ny zanagny vavy kely, naeno ny aminy, tonga, ary niankotra takeo an-tongony . 26 Ary Grika le vevavy, Syro-foinika no niaviany. Niangavy Taminy izy mba hamôka ny demonia hiala amin'ny zanagny vavy. 27 Ozy taminy: "Aoka amena anina aloha ny zaza. Satre tsy manjary ny maka ny mofon-jaza ka manipy agnazy ho an'ny amboa." 28 Nefa namaly izy ka nagnano Taminy hoe: "Eny, Tompo, fa na ny amboa akao ambany katabatra aza dia mba omana ny potopotogny amin'ny mofon-jaza." 29 De Ozy taminy: "Noho izany teninao zany, afaka mandeha enao. Efa nivôka tamin'ny zanakao vavy ny demonia". 30 Ary ra niverigna tagny an-tragnony ravevavy de tazagny ny zaza natory takeo ambonin'ny fandrena, ary ny demonia efa niala. 31 Ary Jesosy nivôka ndre niala ny faritry Tyro, de namaky an'i Sodona hatrany amin'ny Ranomasin'Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy. 32 Ary nidesin'jareo takeo Aminazy ny ôla iray maregnina sady talelaka, ary nitalao Taminy zareo mba hametrany ny tagnana aminy. 33 Nindesiny le leila nitokana niala takeo amin'ny vahôka Izy, de nametraka ny ratsa-tagnany tagnaty sofiny Izy, ary de nandrora izy sady nikasika ny lelany. 34 De nitraka nitazagna lanitra, de niseto ka nagnano taminy hoe: "Efata," 'zany hoe: "Maladia!" 35 Ary vetiketika teo ny sofiny de naeno, ary ze namatotra ny lelany de potika ary afaka nitare mazava tsara izy. 36 Ary Jesosy nandrara anjareo tsy hiteniteny na amin'iza na amin'iza. Kanefa na de nangavena aza zareo, vao maika namparitaka izany bebe koko. 37 De varena tanteraka ny ôla, ka niteny hoe: "Nataony tsara daôly ny ra daôly. Nataony maeno ko ny maregnina ary miteny ny moagna."