Toko faha 6

1 Niala an'io tôrana io Izy ka namonjy ny tanindrazagny, ary nagnaraka ananjy ny mpianany. 2 Ary rafa tonga ny andro sabata, de nampianatra takao amin'ny Synagôga Izy. Betsaka ny ôla naregny Anazy de nidagnaka zareo. Ozy zareo hoe: "Avy akaiza no nazaôny 'reo fampianarana 'reo? Ino zao fahendrena ze namena an'Azy 'zao? Ino reo fahagagana ze nataony tamin'ny tagnany 'reo? 3 Tsy le mpandrafitra ma io?, le zanak'i Maria ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amintsika aketo ma 'reo anabaviny? Toina tamin'i Jesosy zareo. 4 De ozy Jesosy hoe: "Tsy misy mpamignany tsy hajaina,afa-tsy akao amin'ny taniny sy akao amin'ny tanindrazany sy akao amin'ny havany ankeky ary akao amin'ny fianakaveny manokana iany." 5 Tsy afaka magnano asa mahagaga Izy, afa-tsy ny fametrany tagnana amin'ny marary vitsivitsy ary manasitrana an'njareo. 6 Gaga nohon'ny tsy finoan'njareo Izy. Avekeo nande nagnodidina ny tanàna Izy hampianatra. 7 Avy takeo de nagnantso 'reo rombefolo lahy Izy ary nanomboka nagniraka an'njareo tsirôirôy, ary nameny fahefana takeo amin'ny fagnahy maloto zareo, 8 Ary nandidy an'njareo tsy hitondra na ino na ino amin'ny deny, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fekibonjareo afa-tsy tehina fôgna. 9 fa hagnagno kiraro, ary tsy hangnagno akanjo rôy. 10 Ozy Izy tamin'njareo hoe: "Na vena na vena anareo miditra amina tragno raiky, de mitobe akao mandra-pialanareo aigny, 11 Ary raha misy tanàna tsy mandray an'nareo na mihaino an'nareo, rafa miala akao am'zany tôrana zany anareo, de aintsagno ny jofo amin'ny tongonareo mba ho fijorôana vavolombelona amin'njareo." 12 De niala zareo ary nitory fa ny ôla de tokony hibebaka amin'ny fahotany, 13 Nandrôka demonia maro zareo, ary nanosotrta marary maro tamin'ny menaka ka nagnasitrana an'azy 'regny. 14 'Regnin'i Heroda mpanjaka zany, satria lasa nanjary nalaza be ny agnaran'i Jesosy. Ny sasagny nagnano hoe: "Nitsangana tamin'ny maty i Jaona mpagnano batisa ary nony zany, de miasa akao agnatiny 'reo hery mahagaga 'reo." 15 Fa 'reo sasagny kosa nilaza hoe: "Elia Izy" Ny sasany mbôla niteny hoe : "Mpamignany Izy, ôtran'ny raika am'reo mpamignany tamin'ny andro talô." 16 Fa rafa naregny zany Heroda de ozy izy hoe : "Jaona, le notapako lô, no nitsangana tamin'ny maty." 17 Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona ka nandefa an'azy taigny an-dragnomaizigna noho ny raharaha Herôdiasy (vadin'i Filipo ralàny), satria nalainy vady le vevavy. 18 Fa Jaona niteny an'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna ny hanambadenao ny vadin'ny ralànao." 19 Fa sosy tamin'azy Herôdiasy ka nikaraka ze hamonôny an'azy nefa tsy afaka, 20 noho ny fahatahôran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa ôla-marina sy feno famasinana izy,ary niaro an'azy izy. Nanahiran-tsaigna an'azy ny fandrignesana an'azy, kanefa mbôla nitandregny an'azy tami-pifalena izy. 21 Avy takeo nisy irika tamin'ny tsingerintaona nateran'i Heroda ka nagnano fanasana ho an'reo lebeny, sy 'reo mpifehiny ary 'reo mpitariky ny Galilia izy. 22 De niditra ny efitragno fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho an'azy 'reo, ary nafinaritra an'i Heroda sy 'reo vahiny nantsovina tamin'ny finanana izy. Ozy ny mpanjaka tamin-drazazavevavy hoe: "Angatao aminà ze ra tenao de ameko an'nao zany." 23 Ary niozogna tamin'azy izy nagnano hoe: "Na ino na ino angatahanao aminà, de ameko an'anao, atramin'ny antsasaky ny fanjakako." 24 De nivôka izy ary niteny tamin-dreniny izy hoe: "Inona no tokony angatako amin'azy?" De ozy ny 'reniny hoe: "Ny lôn'i Jaona mpagnano Batisa" Teo no ho eo de niverigna taigny amin'ny mpanjaka izy, ka nangataka, nagnano hoe: " 25 Teko omenao anà, zao de zao, akeo ambony vilé ny lôn'i Jaona mpagnano batisa." 26 Na de nampalaelo mafy ny mpanjaka aza zany, de tsy afaka nandà ny fangatany izy nony fenianana nataony sy nony 'reo vahininy nasaina tamin'ny finanana. 27 Nony zany de nandidy miaramila tokana avy tamin'ny mpiabina ny mpanjaka ary nandidy an'azy itondra ny lôn'i Jaona ho akeo amin'azy. Lasana le mpiambina ary nanapaka ny lôn'i Jaona takao an-dragnomaizigna. 28 Nindesiny takeo ambony vilé ny lôny ary natolony an-drazazavevavy, ary le vevavy nanolotra an'zany an'reniny. 29 Rafa naheno zany 'reo mpianany, de tonga zareo ary naka ny nofony ka nametraka an'zany takao am-pasagna. 30 Niverigna taigny amin'i Jesosy 'reo apostoly ary nitantara tamin'azy ze daôly vitanjareo sy nampianarinjareo. 31 Ary ozy Izy taminjareo: "Ndao tsika ho aigny agn'efitra ka iala reraka kely." Fa betsaka ny ôla no nivezivezy,ary tsy nanam-potôna hinanan-kanina avy aza zareo. 32 De nande an-tsambokely zareo mba ho aigny amin'ny tany fôgna. 33 Fa zareo natazagna an'azy 'reo nande ary betsaka no nafantatra an'azy 'reo, de niara-niazakazaka an-tongotra avy taigny amin'ny tanàna daôly zareo, ary tonga takeo talônjareo. 34 Rafa tonga tary amin'ny morony zareo, de natazagna vahôka betsaka Izy ary nalahelo an'azy 'reo Izy satria ôtran'ny ondry tsy managna mpiambina zareo. ka nanomboka nampianatra ra betsaka an'azy 'reo Izy. 35 Ary rafa hariva ny andro, de nagnatona an'Azy 'reo mpianany ka nagnano hoe: "Tôrana fôgna ty ary ny andro efa madiva hariva sady. 36 Alefao zareo mba handehanany aigny am'reo vohitra sy tanàna magnodidina hividy ahanina ho an'ny tegnanjareo." 37 Fa namaly Izy ka nagnano taminjareo hoe: "Ameo ra hoanina zareo". De ozy zareo tamin'azy hoe: "Afaka mande ary mividy mofo azon'ny denaria roanjato ma zahay ka agnome an'zany an'zareo hoanina?". 38 De ozy taminjareo hoe: "Firy no mofo anagnanareo?" Mandehana ary tazagno" Rafa itany de ozy zareo hoe: " Mofo dimy sy azandrano roa." 39 De nandidy ny ôla daôly mba hipetraka mitsitokotoko takeo amin'ny atra-maitso Izy. 40 De nipetraka an-tokony zareo, an-tokony zato sy dimampolo. 41 Naka an'reo mofo dimy sy azandrano roa Izy,nendrandra ny lagnitra de nisaotra ka nizarazara ny mofo ary natolotra an'zany tam'reo mpianatra mba amena akeo agnolônan'ôla. Nozarainy iany kô ny azandrano roa ho an'izy daôly. 42 De nihinana avoko izy daôly nandra-pahavoky an'azy 'reo. 43 Nalainjareo ny sombitsombina mofo, zay nafeno roambefolo karapaka mitafotafo, ary kô ny ambin'reo hazandrano. 44 Nisy dimy arivo ny leila ninana ny mofo. 45 takeo nikeo de nasainy niakatra agnaty an-tsambokely reo mpianany mba melôha ananjy egny am-pita, oankaigny Betsaida,ra nampody vaôka Izy 46 Rafa lasana zareo, de niakatra tagny an-tanety Izy mba hivavaka . 47 Tonga ny hariva, ary efa takeo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, fa izy rerika no tegny an-tanety. 48 Ary tazagny fa sahirana mafy zareo nive ny sambokely, satria nanohi-drivotra mafy zareo. Tokony ho tamin'ny ora fiemenana fahefatry ny de nankeo anjareo Izy, nandende tambony ranomasina, ary te handalo taminjareo izy. 49 Fa rafa natazagna anazy nandende tambony ranomasina zareo, de neverinjareo hoe angatra Izy de niekeka zareo, 50 satria natazana Anazy zareo de raikitahatra. teniteo de niteny tanjareo Izy ka niteny anjareo hoe: "Matoky!Za ihany ty!aza matatra!" 51 Ary nitsofoka tan-tsambokely niaraka taminjareo Izy, de togny ny rivotra tsy nitsoka intsony. Nidagnaka tateraka zareo. 52 Ary tsy mbô azonjareo veroka ny dikan'le mofo, fa kosa nihamafy ny fonjareo. 53 Rafa tafapita zareo, de tonga takao Genesareta zareo de nitoby takao. 54 Ary rafa nidigna tamle sambokely zareo, tonga de nafantra Anazy dahôly ôla tao, 55 ka nihazakazaka nagnarana faritra daôly zareo ary namboka nitondra ny marary tamin'ny fandrenany tagny amin'ze naregny anze misy Anazy. 56 fa na taiza na taiza nandanany, na tanam-be na tam-banivohitra ndrindra, de napetrak'izareo tambenja ny marary. Nengavy Anazy zareo mba hikitika ny rambon-dambany,ary reo ze nikitika Anazy de betsaka no salama.