Toko faha 5

1 Tonga takaigne ampitan-dranomasina zareo, takao amin'ny faritr'i Garasena. 2 Rafa niala avy takao ami'le sambokely Jesosy ava hatraigny de nisy leila raika vôn'ny fagna ratsy nagnatogna anazy avy takaigny ami'le fasana 3 Nentotra takagny ami'le fasagna le leila. Tsisy afaka nitana an'azy tsony, na de tamina rojo vy aza. 4 Vôfatotra im-betsaka tamigna gadra vy sy rojo vy notapagny le rojo vy ary potika reo gadra vy. Tsisy nanagna hery nife anazy. 5 Isan'alina sy isan'andro takaigny amireo fasagna sy takaigny an-tanety, de mikikika izy ary nandratra ny tegnany tamina vato varangitra. 6 Rafa natazagna an' Jesosy avy talavitra izy de niazakazaka nankeo amin'Azy ary nenkoka takeo alôny. 7 Ary nika tamina feo mahery izy hoe: "Inona ma ny ifandraisako Aminao, ry Jesosy zanak'Andriamanitra Agnabo be? Mengavy An'nao amin'ny anaran'Andriamanitra raika za, aza mampijaly ana". 8 Fa izy niteny tamin'azy hoe: "Mivoa amin'io leila io, ry fagna maloto". 9 Ary Izy nagnotany an'azy hoe: "Iza ny agnaranao?" Ka nivaleny hoe: "Legiona ny agnarako, satria betsaka be zahay." 10 Ary nengavy mafy tamin'Azy hatraigny hatraigny izy tsy handrôka an'anazy reo avelan'ny faritra. 11 Ary nisy andenan'kisoa niraotra takaigny an-tanety, 12 ary nengavy tamin'azy zareo, nagnano hoe: "Alefaso ami'reo kisoa zahay; avelao zahay iditra ami'reo. Avelao zahay hiditra akao ami'reo". 13 Ka de navelany zareo; ary nivôka reo fagna maloto ka niditra tami'reo kisoa ary avy de nirifatra takaigny amina antsagna ho aigny an-dranomasina reo, ary kisoa takeo amina roa arivo takeo no maty tan-dranomasina. 14 Nitsoka nilefa reo nampinana ny kisoa ary nitatitra ny ra niseo takao an-tanàna sy takaigny ambanivotra, ary ôla betsaka no nivôka niza ny ra niseo. 15 Avy takeo zareo nakeo amin'i Jesosy ary itan'jareo le leila nitoran'le demonia, le raika ze nitôran'ny legiona, nipetraka takeo, nitafy ary ampy saigna, ka de natatra 'zareo 16 Reo ze naita ny ra nitranga tami'le leila nitôran'le demonia de nitantara tamin'jareo ny momban'izany tamin'ny atsipiriny, ary kô nitantara momba an'reo kisoa tami'jareo. 17 De netomboka nengavy an'jareo mba helany akeo amin'ny faritry zareo. 18 Rafa hiakatra takao amin'le sambokely Izy, de nengavy tamin'Azy le leila nitôran'le demonia mba hiaraka amin'Azy. 19 Saigy tsy namela tsy namela an'azy anefa Jesosy, fa nagnano tamin'azy hoe: "Mandiana mody akaigny amin'ny tragnonao sy ny fenakavenao ary tantarao amin'jareo ze nataon'ny Tompo taminao, sy namindrany fo taminao". 20 De lasana nody izy ary nanomboka nagnambara ze ra gedabe ze nataon'i Jesosy tamin'anjy takaigny Dekapolisy, ary gaga ny daôly. 21 Ary refa nande takaigny ampita ndre Jesosy, tamin'ny sambo kely, de 'ndreo nisy vahôka betsaka be niangona nagnodidigna an'Azy, ra takeo amorogna ranomasina igny Izy. 22 Avy takeo tonga ny raika mpitarika ny Synagoga, atao hoe Jairo, ka ra vô naita an'Azy, de nentoraka takeo an-tongony. 23 Nitalao hatraigny hatraigny izy, nagnano hoe: "Marary mafy efa ho foaty ny zanako vevavy. Mitalao aminao za, ave ary apitrao amin'azy ny tagnanao de ho velona izy." 24 De lasana niaraka tamin'azy Izy, ary vahôka betsaka be no nagnaraka sy naniry nagnodidigna anazy. 25 Ary nisy vevavy raika takeo vôn'ny faverezan-drà robefolo taona. 26 Nijaly be tokô izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fanagnany daôly, nefa tsy nety sitragna fa vô maika ne ratsy. 27 Rafa naregny reo tatitra momban'i Jesosy izy, de nakao afarany agnaty vahôka izy ary nikasika ny fitafiny. 28 Satria ozy izy hoe: "Ra makasika ny lambany fôgna za, de sitragna". 29 Rafa nikasika an'Azy izy, de nijanona ny faverezan-drà, ary tsapany hatraigny agnatiny fa sitragna izy. 30 Fantatr'i Jesosy niaraka tamin'zay fa nisy hery niala tamin'Azy. Nitodika takaigny amin'ny vahôka Izy ary niteny hoe: "Iza no nikasika ny fitafeko?" 31 De namaly an'Azy reo mpianany nagnano hoe: "Itanao reo vahôka marobe mifanisika aminao reo, ka ozy anao hoe: "Iza no nikasika Ana. 32 Fa nijery ny magnodidigna an"Azy Jesosy mba ahitany ze nagnano an'zany. 33 Le vevavy, nafantatra ze nitranga tamin'anjy, de natatra sy nangitakitaka. Nande izy ary nentoraka takeo agnolônan'i Jesosy ka nilaza tamin'Azy ny marina daôly. 34 De ozy Jesosy tamin'azy hoe: "Anaka, ny finônao no nahasitragna an'nao. Madiana amin'ny fiadanana ary sitragna amin'ny aretinao." 35 Ra mbôla niteny izy, de tonga ny ôla sasagny avy taigny amin'ny mpitarika ny Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty ny zanakao. Nahôna no mbôla magnairana ny mpampianatra iany." 36 Fa rafa naregny ny ze nolazain'jareo Jesosy, de ozy izy tamin'le mpitarika ny Synagoga: "Aza matatra.Minoa fôgna iany". 37 Ary tsisy navela niaraka amin'Azy, afa-tsy Petera,Jakoba,ary Jaona ralan'i Jakoba. 38 Tonga taigny an-dragnon'le mpitarika ny Synagoga zareo ary naita ôla nitabataba be takeo izy, nitomagny sy nidradradradra mafy zareo. 39 Rafa niditra ny trano izy, de ozy izy tamin'jareo hoe: "Nagnino anareo no mitabataba sy mitomagny? Tsy maty ny zaza fa matory". 40 Nimeme an'Azy zaeo. Nefa navôkany taigny ambelagny zareo daôly ary naka ny ray sy ny renin'ilay zaza sy reo ze niaraka taminazy, ary niditra tamin'le efitra nisy an'le zaza izy. 41 Noraisiny ny tagnan'le zaza ary niteny tamin'azy hoe: "Talita, Komy!" izay ra adika de hoe: "ragaombavy, miteny aminao za, mitsangàna!" 42 Ary avy hatraigny de nitsangana ragaombavy ary nande (satria roa ambefola taona izy) . Talanjogna avy hatraigny izy ereo. 43 Noraràny mafy izy reo mba tsisy na iza na iza afantatra ny momba an'zao. Avekeo de nasainy namena ahanina ra gonbavy.