Toko faha 4

1 Ary nanomboka nampianatra takeo amoron'ny ranomasina ndre Izy,ary nisy vahoaka betsaka nitangorogna nagnodidina an'Azy. Niditra takao an-tsambokely izay takeo ambonin'ny ranomasina Izy, ary nipetraka takao. Ny vahoaka daôly kosa de nijanona takeo amoron-dranomasina. 2 Nampianatra an'azy ireo raha maro tamin'ny alalan'ny fagnoarana Izy, ary takao amin'ny fampianarany, de zao no nolazainy tamin'azy reo. 3 '' Henoy, nisy mpamafy nande hamfy voa, 4 ary raha namafy izy, de nisy voa sasagny niraraka tamin'ny lālana ka avy reo vorogna ka nihinana an'azy. 5 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany feno korontam-bato, izay tsisy tany loatra. Tonga de nitsiry regny satria tsy laligna ny tany nisy an'azy. 6 Fa rafa nipôka ny masoandro, de nalazo izy ireo, satria tsisy fakany izy reo, de maigna. 7 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary nitsiry nihageda ireo tsilo ireo de nanery an'azy, ka tsy namô voa. 8 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany tsara ka navokatra be,ary ny sasagny nitombo avy telopolo heny, ny sasany enimpolo heny ary sasagny zato. 9 Avy akeo de ozy Izy hoe: Izay manan-tsofigna enti-mihaino ôka izy hihaino. 10 Rafa irery Jesôsy de nagnotany an'Azy momba an'io fagnoarana io reo ze ankeky an'Azy sy reo mpaminany rombefolo. 11 Ozy tamireo hoe: Ho an'nareo no hagnomezana ny zava-miafin'ny Fanjakan'andriamanitra. Fa ho an'reo ze akaigny avelag ny de fagnoharana avokao. 12 Mba amin'ny fotoana hitazagnan'izy reo ,eny hitazagna zareo kanefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotoana ahenonjareo, eny handregny zareo kanefa tsy hafanatra an'izany, na ko hitodika zareo de hamindra fo aminjareo Andriamanitra. 13 Ary ozy tamin'zareo hoe: Tsy azonareo ma zagny fagnoharana zany ? Manakôry zany no hazaônareo ireo fagnoarana ankôtran'ireo? 14 Le mpamboly ze namafy le voa de le raika ze namafy ny teny. 15 Reto le niraraka takaigny an-dalana, zay namafazana ny teny, fa rafa regninjareo zany, de tonga avy hatraigny satana ka hangalatra ny teny vôfafy taminjareo. 17 16 Reto no le vôfafy tagny amin'ny tany be vatovato, ze rafa nandregny ny teny, de nandray izany avy hatraigny tamim-pifaliana. 7Tsy namaka takao, amin'jareo fa vetiketika fôgna. De tonga ny fahorena sy ny fanenjena vokatri le teny ka tonga de lavo zareo. 18 Reo hafa ze vôfafy tamin'ny tany be tsilo. de ze nandre ny teny. 19 Fa ny fagnahian'izao tontolo izao, ny famitahan'ny harena sy ny filāna ny zavatra hafa de tafiditra ka nangeja ny teny ka tsy mamokatra zany. 20 Ary reo ze vôfafy takagny amin'ny tany tsara de reo ze naregny ny teny ka nadray izany ka namoa vokatra izy ireo, telopolo, enimpolo,na avy zato heny amin' ze nafafy.'' 21 Jesôsy niteny taminjareo hoe:'' Moa ndesinao akao andragnonao ma ny jiro,de ataonao anaty sobika, na ambany farafara? ndesinao miditra zany de ataonao ambonin'ny fitoeran-jiro. 22 Tsisy raha misitrika ze tsy hiseo ary tsisy tsiambaratelo ze tsy hivôka. 23 Ra misy manantsofigna ndesina mihaino,ôka izy hiaino!'' 24 Ozy taminjareo hoe: Mitandrema amin'ny teny ze regninareo, fa arakaraka ny ohatra agnoaranareo ihany no hagnoharana an'nareo, ary ampena aminareo izany. 25 Satria na iza na iza managna de, de amena betsaka izy, ary na iza na iza tsy managna, na ze anagnany aza de alaina amin'azy.'' 26 De ozy kô hoe: Ny fanjakan'Andriamanitra de sahalan'ny ôla raiky mamafy ny voa amin'ny tany. 27 Matory izy amin'ny alina, ary mifô amin'ny maraina, ary ny voa de mitsiry ka naniry, fa tsy fantany hoe: Ahôna? 28 Ny tany de mamô amin'ny tegnany ihany, voalohany ny rantsany avekeo ny sampany, avekeo ny voany matoy avy amin'ny tangony. 29 Ary rafa matoy ny voa de avy hatrany de handefa fijijana fa efa tonga ny fotom-pijijana.'' 30 De ozy kô hoe: ino no azontsika,ampitahafina ny fanjakan'Andriamanitra, na ino ny fagnoharana ampesainantsika hagnazavana an'zany. 31 Zany de sahala ny vôtsinapy, ze rafa afafy, de izy no voa kitika ndrindra amin'ny voa akeo ambony tany. 32 nefa ,rafa vôfafy zany, de lasa kakazo geda ary mamô rantsagna geda, ka azon'ny voro-magnembagna hagnorenana tragno akeo amin'ny alokalony.'' 33 Ary fagnoarana betsaka ôtran'zany no nagnambarany ny teny taminjareo araka ze fazaôny an'azy. 34 Ary tsy nitare taminjareo, afa-tsy tamin'ny fagnoarana Izy. Saingy,rafa raiky Izy de nazavainy tam'reo mpianatra manokana ny raha dahôly. 35 Tam'zany andro zany, rafa tonga ny hariva, de ozy Izy taminjareo hoe: Ande atsika ho arý ampita. 36 Ka niala takeo amin'ireo vahôka zareo nitondra an'i Jesôsy niaraka tam'zareo, raha igny Izy takao agnaty sambo igny, Nisy sambo kely hafa nande niaraka tamin'Azy. 37 Avy takeo de nisy tafio-drivotra be ka ny onjan-drano nanafotra ny sambokely, ka saika feno rano ny sambo. 38 Ary Jesôsy rerika takao ambodin'ny sambokely,tambonin'ny ondana,nofohazinjareo Izy nagnano hoe: Mpampiantra ô! tsy mampagnino Anao ma ra maty aketo atsika?. 39 Ary nifô Izy de niteny mafy tamin'ny rivotra,sady niteny mafy tamin'ny ranomasina hoe: mijanòna, mitonia, ary nitsahatra ny rivotra,ka nisy fitonina be. 40 De ozy tam'zareo hoe: Nagnino ma anareo matatra? mbola tsisy finoana fogna ma anareo? 41 Natatra zareo ka nifagnotany hoe:'' Iza ma ty? fa na de ny rivotra sy ny ranomasina aza de magneky an'Azy?.