Toko faha 3

1 De nakao amin'sinagoga ndre Jesosy ary nisy leila maty tagnana takao. 2 Nitazagna ankeky an'Azy ny ôla sasagny mbo hitazagna raha hagnasitrana amin' sabata Izy mba azahon'ireo magnameloka an'Azy. 3 Ozy Jesosy tamin'le leila maty tagnana hoe:'' Miarema de mintsangàna akeo ampovôn'ôla akeo. " 4 De niteny tamin'ôla Izy nagnano hoe;" manjary ma ny magnano asa soa amin'andro sabata se ny magnano ratsy; ny mamonjy aigna, se mamono?" Nefa zareo tsy niteny. 5 Nijery an'azy reo tamina hasosena Jesosy, ary nalaelo Izy satria mafy fo zareo, de ozy tamin'le leila " Ainjiro ny tagnanao" De natsotran'le leila ny tagnany ka sitrana. 6 Nivoaka reo Fariseo ary magnomagna malady niaraka tamin'ireo Herodiana nikaraka ze fômba hamonoana an' Azy. 7 Avy akeo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankaigny amoron-dranomasina, ary nisy vaôka betsaka nagnaraka avy aigny Galilia sy Jodia. 8 Ary ny avy aigny Jerosaleme sy avy aigny Edoma ary hatraigny amoron'ny farihy jordana sy ny magnodidigna an'Tira sy Sidona. Rafa naregny momba reo raha nataony zareo, de nisy vaôka betsaka nankeo amin'Azy. 9 De nasain'i Jesosy nikaraka sambokely ny mpianany ho an'Azy noho ny hamaron'ny ôla takeo, mba tsy hifanosen'ôla Izy. 10 Noho Izy magnasitrana ôla betsaka , de nifandrombaka nagnatogna an'Azy zareo daôly ze managna aretina mbo hikasika an'Azy. 11 Isaky ny mahita an'Azy ireo fanahy maloto, de miankotra aloany akeo ary mihaika, de ozy zareo hoe'' Anao no Zanak'Andriamanitra.'' 12 Nitaraviny mafy zareo mba tsy hampafantatra an'Azy. 13 Niakatra antanety Izy, ary nagnatso reo ze teny, de avy zareo. 14 Nanendry ireo roambefolo Izy(ze nantsoviny hoe Apostoly) mba afan'njareo miaraka amin'Azy sy mandefa an'zareo mitory ny hafatra, 15 ary hanagna fahefana hamôka demonia. 16 Ary takeo de nanendry an'ireo rombefofo Izy; Simona, nataony hoe; Petera. 17 Jakoba zanak'i Zebedio,syJaona rahalany ze nameny agnarana hoe Boanarijesy, ze midika hoe Zana-baratra; 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo,Matio,Tomasy,Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19 ary Jodasy Iskariota, ze hamadika ana'Azy. 20 De nody tandragno Izy ,ary de niaraka tonga ndre ny vaôka, de tsy afaka ninana avy zareo. 21 Rafa naregny an' izany ny fianakavena , de nivoaka zareo niaka an'Azy, satria lazainjareo hoe; very saina Izy. 22 Ary reo mpanora-dalàna ze nidigna avy taigny Jerosalema de nilaza fa:'' nipetran' i Belzeboba Izy '', ka'' amin'ny alalan' ny mpanapaka ny demonia no androany ny demonia.''' 23 De nantsovin' i Jesosy hankeo amin'Azy zareo ka nitinenany tamin'ny fagnoharana hoe; Amin'ny fomba manakory ma ny hafan'i Satana mandrôka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady andragno de ho rava zany. 25 Raha misy tokan-tragno miady andragno, de tsy haharitra zany tokan-tragno zany. 26 Raha mintsangana nanohitra ny tenagny Satana ka misaraka, de vetiketika de ho rava. 27 Fa tsy misy afaka miditra andragnona leila matanjaka raika ka nandroba an'azy, raha tsy fatorana malô le matanjaka, ary robaina ny tragnony avy akeo. 28 Tsoriko marina aminareo ,ho voavela ny heloky ny Zanak'olombelona, na de akeo ary ireo teny ratsy nitinenin'ny vavany, 29 fa ze miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa de tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa meloka nohon' ny ota mandrakizay'' 30 nilaza an'izany Jesosy nohon'ny filazan-jareo hoe;'' Managna fanahy maloto Izy.'' 31 Avy takeo de tonga ny mamany sy ny rahalany ary nitsangana taigny avelany. Nandefa ôla nampahafantatra an'Azy zareo ka nampagnantso an'Azy. 32 Nipetraka nagnodidigna an'Azy ny vaôka de ozy zareo tamin'Azy hoe:'' ny mamanao sy ny rahalanao de akao ankotany akao,ary mikaraka an'Nao zareo.'' 33 Ary Izy namaly hoe'' Iza no mamako sy rahalako? 34 Ary nijery nagnodidina tamin'ôla nipetraka nagnodidina an'Azy Izy de ozy Izy hoe'' Zahao, ireto ny mamako sy ny rahalako! 35 Fa na iza na iza magnano ny sitrapon'Andriamanitra de zany ôla zany no rahalako sy anabaviko ary mamako.