Toko faha 2

1 Rafa niverigna takao kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, de regny fa takao an-dragno takao Izy. 2 Betsaka tokôtra ny ôla nitangorogna teo ka tsisy nipetrana; na de tambaravaragna aza, ary nitory ny teny taminjareo Jesosy. 3 De nisy leila maromaro nagnantona an'Azy nitondra leila malemy tokana, ze nolanjaina gaogna efadà. 4 Rafa tsy afaka nagnatogna an'Azy ankeky zareo noho ny habetsaky vaôka, de nalanjareo ny tafotragno, ze takeo ambonin'i Jesosy, ary rehefa afaki'zareo de nampidignin -jareo le farafara zay nandren'le leila malemy. 5 Nony nahita ny finoan'jreo, de ozy Jesosy tamile leila malemy: "Anaka vôvela ny helokao." 6 Ary nisy sasagny tamin'ireo mpanoradalàna nipetraka takeo, ka nigonongongna takao ampon'jareo hoe: 7 "Ahoana no azahoan'io leila io miteny otran'zany?Miteny ratsy Izy! Fa tsy Andriamanitra rerika ihany va no afaka mamela heloka?" 8 Fa Jesosy nahafantatra avy hatraigny tao amin'ny fanahiny ny ra neritreretin'jareo. Ary Ozy tamin'jareo: "Nagnino nareo no mieritreritra an'zany ra zany akao am-ponareo? 9 Ino no mora ny miteny amin'le leilà malemy hoe: 'Vovela ny helokao' se ny hoe: 'Mitsangàna, batao ny fandrenanao, de mandeana'? 10 Fa mba afantaranareo fa managna fahefana hamela heloka aketo antany ny zanak'Öla, "Ozy tamile kombo" 11 Taraviko marina aminareo, Mitsangàna, batao fandrenanao, de mandiana aigny an-dragnonao." 12 De nitsangana izy de nibata ny fandreny avy hatraigny, ary nivôka an'le tragno nagnoloana ny daôlo, ka nagnome voninahitra an'Andriamanitra, ary ozy zareo hoe: "Tsy mbôla nahita ra ôtran'ity zahay." 13 Avy takeo nivoaka takeo amorondranomasina ndre Izy ary nagnatogna an'Azy daholo ny vaôka, ka nampianariny zareo. 14 Ary rafa nandalo Izy, de natazagna an'i Levi zanak'i Alfeo nipetraka takeo amin'ny tôrana fanangonana hetra de ozy Izy: "Magnarà Anà." De nitsangana izy de nagnaraka an'Azy. 15 Ninana takao an-dranon'i Levy Jesosy ary mpamory hetra sy ôla mpanota betsaka no niaraka ninana tamin'Azy sy reo mpianany fa betsaka zareo no takao ary nagnaraka an'Azy. 16 Ary reo mpanora-dalàna , ze Fariseo, rafa natazagna an'i Jesosy niaraka ninana tamireo ôla mpanota sy reo mpamory hetra de nagnotany ny mpianany hoe: "Nagnino Izy no miaraka minana amin'ny mpamory hetra sy ôla mpanota?" 17 Rafa naregny an'zany Jesosy de ozy Izy taminjareo: "Tsy ny salama no mila mpitsabo; fa ze marary rerika iany no mila an'zany. Tsy tonga hagnantso ny ôla marina Za,fa ny ôla mpanota." 18 Ary nifady ahanina reo mpianatr'i Jaona sy reo Fariseo. Leila maro no nagnantona an'Azy ka nitare tamin'Azy hoe: "Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo no mifandy ahanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mbô mifady.?" 19 De ozy Jesosy taminjareo hoe: "Afaka mifady ahanina va ny mpamonjy fanambadena ra mbola akeo ny mpampakatra? Raha mbola miaraka aminjareo akeo ny mpampakatra,de tsy afaka mifady ahanina zareo. 20 Ho avy ny andro angalàna ny mpampakatra amin'jareo, de am'zay andro zay vô mifady ahanina zareo. 21 Tsisy manakotra lamba tonta amin'ny lamba vao, fa ra tsy zany dia hiala amile tapa-damba ny vaovao hiala amin'ny talô,de vao maika ratsy ny faharovitana. 22 Ary tsisy ôla manisy divay vao amin'ny siny hoditra kôro, ra tsy zany de rovitrin'ny divay ny hoditra de samy very ny divay sy ny siny hoditra. Fa kosa, divay vao atao agnaty siny hoditra vao." 23 Tamin'andro sabata Jesosy nande taigny an-tsabo maromaro, ary nanomboka nitango salombary ny mpianany. 24 De ozy ny Fariseo tamin'Azy: "Tazagno, nagnino zareo magnano ra tsy magnara-dalana amin'ny Sabata?" 25 De ozy Izy taminjareo: "Mbôla tsy novakinareo ma ze nataon'Davida rafa tao agnatin'ny tsy fisena sy hanoanana izy sy reo leila niaraka tamin'Azy_ 26 nanakôry ny fomba nidirany tao andragnon'Andriamanitra tamin'andron'Abiatara mpisorogna be, de nihinana ny mofon'ny fanatrehana, ze tsy ara dalana na ho an'iza n'iza mihinana afa-tsy ny mpisorogna fogna, ary mbôla nagnomezany betsaka an'reo ze niaraka tamin'azy?" 27 Jesosy nikoragna hoe: "Ny Sabata no natao an'ny zanak'ôlombela, fa tsy ny zanak'ôlombelona no ho an'ny sabata. 28 Noho zany, ny Zanak'ôla no Tompo na de amin'Sabata aza."