Toko faha 9

1 Mizaka gne marigny ao ame Kristy iao. Tsy mivandy iao, ary gne eritreritro gne vavolombelogny miaraky aminà ao ame Fanahy Masina, 2 raha iao da tsy misy alahelo zakabe sy fahoriagne tsy mijanogny agnatin'e foko. 3 Da afaky nagniry iao fa noho gne aminareo rahalàko,raiky karazagny aminà da ho voaozogny ka hisitaky amin'i Kristy gne tegnako. 4 Indreo da Israelita. Indreo da managny fananganagny, gne voninahitry, gne fankatoavagny, gne fagnomezan'e lalàna, gne fideragny an'Andriamanitry, ary ireo fampanatenagny. 5 Gnandreo da ireo razagny izay nahatonga an'i kristy ho tonga nofo, Izy izay Andriamanitra ambonin'e rehetra. Ho deraigny mandrakizay anie Izy. Amena. 6 Fa tsy fôgny zay nampanantegnain' Andriamanitry. Fa tsy zay rehetra avy agny Israely no tegna Iasraely. 7 Na ireo taranak'i Abrahama agnaby tsy voatery io avao gne zanany. Fa: "Ame alalan'Isaka gne hiantsoagny gne taranakao." 8 Izany hoe, gne zanaky gne nofotry da tsy zanak'Andriamanitry. Fa gne zanaky gne fampanantenagny gne raisigny ho taranaky. 9 Fa akoizao gne zakan'e fampanantenagny: "Amin'izany fotoagny zany da ho avy iao, da omegny zazalà Saraha." 10 Tsy izany avao, fa aveo koa Rebeka hanagn'anaky ame lelà raiky, Isaka raintsika_ fa mbola tsy teraky anefa io zaza io sady tsy 11 mbola nisy raha tsara na ratsy namboariny, mba ho tanteraky gne tanjon'Andriamanitry araky gne fisafidianagny, tsy noho gne asa, fa noho Izy izay miasa_ 12 Nozakaingy tamin-draviavy hoe: "Gne zokiny da hanompo gne zandriny." 13 Akoragn'e voasoratry hoe: "Tiako Jakoba, fa halako Esao." 14 Ino zany gne hozakaintsika? Misy tsy fahamarinagny me gne miaraky amin'Andriamanitry? 15 Raha tsy hisy izany. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'e tiako hamindragny fo Iao, ary hahafiragny gne tiako firaignesigny Iao." 16 Noho izany da tsy noho izy mikasa an'izany, na noho izy izay miazakazaky, fa noho Andriamanitry nagnabôky gne famindra-po. 17 Fa gne Soratry Masina nagnambara tamin'i Farao hoe: "Izany gn'antony gne nagnandratako anao, mba hagnaboako aminao gne heriko, sady mba hagnambaragny gne agnarako eran-tany." 18 Noho izany, Andriamanitry da mamindra fo amin'zay tiany, ary zay tiany gne ho hamafisigny fo. 19 Aveo hizaka aminà anareo hoe: "Nagnino da mbola mahita tsigny fezay Izy?" Ia gne mahasakagny gne sitrapony?" 20 Mifanohitra amin'izany, ralehilà, ia lôtry anao mamaly manohitry an'Andriamanitry? Moa gne novolavolaigny afaky hizaka ame mpamolavola hoe: "Nagnino sa naninao ako ity iao?" 21 Sa gne mpagnano vilagny tsy managny zo amigne tanimanga ka gne vongagny raiky igny avao gne agnamboragny fitoeragny amign'andro voatokagny, ary fitoeragny raiky hafa koa amign'isan'andro? 22 Akognaia raha Andriamanitry, tagnamboatry gne havignirany sy hampahafantry gne fahefagny, gne niaritry tamim-paharetagny gne fipetrahan'e fahavignirany nomagniny ho ame fahasimbaigny? 23 Akognaia raha nagnano an'izany Izy mba hampahafantariny gne haren'e voninahiny eo amign'e fipetrahan'e famindram-po, ze efa nomagniny lateo ho amin'e voninahitry? 24 Akognaia raha namboariny ho antsika koa izany, zay natsovany avakoa, tsy hoe ame Jiosy avao, fa ho ame Jentilisa avakoa? 25 Arak'izay nozakainy tao amin'i Hosea avakoa hoe: "Hantsovako hoe oloko zay tsy oloko, sady hoe malalany izay tsy malala. 26 Aveo da agny amin'izay nizakàny andreo hoe: 'tsy oloko anareo,' agny gne agnatsovagny andreo hoe: 'Zanak'Andriamanitry velogny.'" 27 Isaia nagnetso mafy gne ame Israely hoe: "Raha akogn'e fasiky egny ame ranomasigny gne isan'e zanak'Israely, da ho voavonjy zay sisa ambiny, 28 fa gne Tompo hinday gne zakany eto ambony gne tany, feno sady tsy ho ela." 29 Araky gne nozakain' Isaia meloha hoe: "Raha gne Tompo tompon'e maro gne tsy nametraky taranaky ho antsika, da ho ako i Sodoma isika, sady ho lasa ako i Gomora." 30 Ino zany gn'hozakaintsika? Fa ireo Jentilisa, zay tsy nitady gne fahamarinagny, gne nahazo fahamarinagny avy tame finoagny. 31 Fa Israely, zay nitady gne lalàgn'e fahamarinagny, da tsy tonga tamin'izany. 32 Nagnino me? Satria indreo tsy nitady izany tame finoagny, fa tame asa. Tafatoin'e vaton'e fanafintohinagny indreo, 33 araky gne voasoratry hoe: "Hiteo, ao Ziona gne ametrahako gne vaton'e fanafitohinagny sy vatolampin'e fandikan-dalàgny. Zay mino izany da tsy ho megnatry."