Toko faha 10

1 E Rahalà ,gn'irin'e foko izy ame angatahiko amin'Andriamanitry ho andreo , da gne famonjegny andreo. 2 Fa mijoro vavolombelogny momba andreo iao fa mafana fo ho Andriamanitry indreo, nefa tsy araky gne fahalalagny. 3 Fa tsy mahalala gne fahamarinan' Andriamanitry io , sady mitady hametraky gne fahamarinandreo manokagny. Tsy magneky gne fahamarinan'Andriamanitry indreo. 4 Fa kristy gne fahatanterahan'e lalàgny ho fahamarinagny ho an'izay rehetra mino. 5 Fa Mosesy manoratry momban'e fahamarinagny izay avy amin'e lalàgny hoe: "Gne olo izay magnano gne fahamarinan'e lalàgny da hiaigny amin'izany fahamarinagny izany." 6 Fa gne fahamarinagny izay avy amin'e finoagny da mizaka hoe: "Ka mizaka an'izao am-po hoe: 'Ia gne hiakatry an-dagnitry agny?' (Izany da, mampidigny an'i kristy); 7 Sady ka mizaka hoe:"Ia gne hidigny amin'e laligny agny?'" (izany da , mampiakatry an'i kristy amin'e maty). 8 Fa ino gn'ambaran'izany? "eo akaikinao gne zaka, ao am-bavanao sady ao am-ponao." Izany gne teninn'e finoagny, izay ambaranay. 9 Fa raha amin'e vavanao gne agnekenao an'i Jesosy ho tompo, sady mino amin'e fonao fa natsangan'Andriamanitry tamin'e maty Izy, da ho vonjegny anao. 10 Fa amin'e fo gne inoan'olo gne fahamarinagny, da amin'e vava gne agnekegny gne famonjegny . 11 Fa hoy gne Soratra Masina hoe: "Tsy ho megnatry izay rehetra mino Anazy." 12 Fa tsy misy fahasamihafagny eo amin'e Jiosy izy ame Grika. Fa tompo raiky avao gne tompon'e rehetra, sady harem_ pahasoavagny ho an'izay rehetra mangaiky Anazy Izy. 13 Fa izay rehetra mangaiky gn'agnaran'e Tompo gne ho vonjegny. 14 Akognaia zany gne ahafandreo mangaiky Anazy izay tsy ninoany? Akognaia gne ahafahandreo mino Anazy izay tsy regnindreo? Akognaia gne ahafahandreo maregny raha tsy misy mpitory? 15 sady akognaia gne ahafandreo mitory, raha tsy nisy nagniraky? Araky gne vaosoratry hoe: "Endrey gne hatsaran'e tongotrindreo magnambara ireo zava-tsoan'e filazantsara!" 18 Fa hoy iao se: "Tsy nisy naregny me indreo?" Eka, tena marina. "Gne feon-dreo da efa niparitaky magneran-tany, sady gne zakandreo magneragny amin'e faran'izao tontolo zao." 19 Ankoatr'izay, hoy iao se: "Tsy nahalala me Israely?" Tamin'e voalohany Mosesy nizaka hoe: " ho aniko saropiaro amin'izay tsy firenegny anareo. Amin'e firenegny izay tsy misy fahalalagny, ho aniko avy amin'e fahavigniragny anareo." 20 Sady tena sahy tokôtry Isaia refa nizaka izy hoe: "Hitandreo izay tsy nitady ana iao. Niboaky tamindreo izay tsy nagnontany ana iao." 21 Fa hoy izy tamin'Israely hoe: "Tontolony the nagnaparako gne tagnako tamin'e olo tsy mankatò izy ame maditry."