Toko faha 7

1 Sa tsy lalanareo, ôh ralahy(satria mizaka amign'olo mahay gne momba e lalàgny iao), fa gne lalàgny da mibeko gne olo raiky ra mbola velogny avao Izy? 2 Fa gne viavy zay manambady da voafatotrin'e lalàgny amin'e vadiny ra mbola velogny izy, fa ra maty gne vadiny, da afaky amin'e lalàgnan'e fanambadiagny Izy. 3 Nohon'izany, ra mbola velogny gne vadiny, ka miaraky amin'e lelahy hafa izy, da ho antsoigny hoe mpijangajanga izy. Fa ra maty gne vadiny, da afaky amin'e lalàgny izy, da tsy mpijangajanga izy ra ôtraky miaraky amina lela hafa. 4 Nohon'izany sa ralàhiko, da nanigny maty tamin'e lalàgny avakoa anareo tamign'alalan'e tegnan'i Kristy. Nanigny izany mba hikambananareo amign'afa, izany hoe, amin'izy zay natsangagny tamin'e maty, mba hafatsika magnome voa an'Andriamanitra. 5 Fa tamintsika tamin'e nofo, io filàn'e fahotagny io, zay nohetsen'e lalàgny, da niasa tamin'e ratsantsika mba hagnome voa ho an'e fahafatesagny. 6 Fa amin'izao fotoagny izao da nahafagny tamin'e lalàgny isika. Maty tame namehy antsika isika. Izany da mba hafahantsika manompo amin'e fahavoazam-pagnà, fa tsy amin'e fahanteran'e soratry. 7 Ino zany gne ho zakaintsika? Gne lalàgny mitsy zany gne fahotagny? tsy hisy mitsy an'zany. F'izy, tsy nahalala gne fahotagny mitsy iao, ra tsy tamign'alalan'e lalàgny zany. Fa tsy nahalala gne fagniriagny iao ra tsy nizaka gne lalàgny hoe: "Ka magniry." 8 Fa naka-bahagny tamin'e didin'e fahotagny gne nahatonga e fagniriagny tamina tatoa agnaby. Fa ra tsy misy gne lalàgny da maty gne ota. 9 Taloha iao da velogny tsy nisy lalàgny, fa refa avy gne didy, da velogny indraiky gne ota, da lasa maty iao. 10 Gne didy zay tokony hitondra fiainagny gne nivadiky ho fahafatesagny ho ana. 11 Fa gne fahotagny da naka-bahagny tamign'alalan'e didy kaiky namitaky ana. Tamign'alalan'e didy gne namoniany ana. 12 Noho zany gne lalàgny da masina, ary gne didy da masina, marina, sady tsara. 13 Sa nivadiky fahafatesagny ho ana agnaby gne tsara? Tsy hisy mitsy an'zany. Fa gne ota, mba hafahany hibôky ho fahotagny amign'alalan'zay tsara, da nitondra fahafatesagny agnatiko. Izany da mba ho amign'alalan'e didy, gne fahotagny da mety ho lasa tena fahotagny tokôtry. 14 Fa lalantsika fa ara-pagnà gne lalàgny, fa iao avy amin'e nofo. Efa namidy ho ambanin'e fagnandevozany gne ota iao. 15 Fa gne ra aniko, da tsy de azoko tsara. Satria zay tiako anigny, da tsy aniko, fa zay alako, da aniko. 16 Fa ra magnano zay tsy tiako anigny iao, da miray hevitry amin'e lalàgny fa tsara gne lalàgny. 17 Fa am'zao da tsy iao mitsy gne magnano an'zany, fa gne fahotagny zay velogny agnatiko. 18 Fa lalako fa amina atoa, zay agnatin'e nofoko, da tsy misy ra miaigny tsara. Fa gne fagniriagny gne tsara da agnatiko, saingy tsy afaky magnano anizany iao. 19 Fa gne tsara tiako da tsy aniko, fa gne ratsy tsy tiako, gne aniko. 20 Fa ra magnano zay tsy tiako anigny iao, da tsy iao koa gne miasa anizany, fa gne fahotagny zay miaigny agnatiko. 21 Fa, iao da nahita, gne fitsipiky agnatiko fa te agnano zay tsara iao, saingy gne ratsy gne agnatiko zao. 22 Fa miravoravo agnatin'e lalàn'Andriamanita iao amin'e fagnà maha olo. 23 Kanefa iao mahita fitsipiky raiky hafa amin'e momba gne tegnako. Zany da miady am'zany fitsipiky vaovao ame saiko zany. Mitagny ana ho vôfatotrin'e fitsipiky gne fahotagny zany amin'e momba gne tegnako. 24 Olo-sahiragny iao! Ia gne hagnafaky ana am'ity tegnan'e fahafatesagny ty? 25 Fa isaoragny Andriamanitry amign'alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika! Noho izany, gne tegnako da manompo gne lalàgnan'Andriamanitry amin'e saiko. Ndre da izany, da manompo gne fitsipik'e fahotagny amin'e nofo iao.