Toko faha 8

1 Tamin'izany andro izany, da nisy fokonolo maro indraiky koa, tsy nanan-kohanigny indreo. Da nangaiky e mpianatriny i Jesosy da nizaka tamin-dreo hoe: 2 "Mampalahelo ana itoa fokonolo toa, efa telo andro indreo e nagnaraky ana sady tsy nanankohanigny. 3 Raha alefako mody andragnondreo tsy mihinagny indreo, da mety himiagny andalagny. E sasany amindreo da avy lavitry." 4 Namaly an'Azy e mpianatriny hoe: "Aia gne ahitantsika mofo ampy amokisagny an'itoa fokonolo toa ety ame tany tsisy raha ty?" 5 Nagnontany andreo Izy hoe: "Firy e mofo anagnanareo?" Hoy indreo hoe: "Fito" 6 Nandidy gne fokonolo hidoboky ame tany Izy. Nalainy gne mofo fito, da nisaotry Izy, da nanapaky an'izany. Natolotriny ho an'e mpianatriny izany mba ho zaraindreo ame fokonolo, da napetrak'indreo talohany e fokonolo izany. 7 Da mbola nanagny laoky an-drano kidy vitsivitsy avakoa indreo, da refa avy nisaotry an'izany Izy, da nandidy gne mpianatriny hagnome an'izany avakoa Izy. 8 Da nihinagny indreo ka voky, da nalaindreo gne sisa tavela, da mbola nahafeno sobiky fito zakabe. 9 Tokony ho efatr'arivo eo ho eo gn'olo tamin' io fotoagny io. Avy teo da nalefany nody indreo. 10 Avy da niakatry tame lakagny niaraky tame mpianatriny Izy, da nandeha ame faritr' i Dalmanota indreo. 11 Da nizotso agnaby e fariseo ary nanomboky nifamaly tamin'Azy. Nitadia famantaragny avy an_dagnitry tamin'Azy indreo, hitsapagny an'Azy. 12 Netsatsaky sady nagnerignerigny tame fagnahiny Izy da nizaka hoe: "Nagnino kaiky raha mitadia famantaragny ity taranaky ity? Nefa zakaiko marigny aminareo, fa tsy misy famantaragny omegny an'ity taranaky ity izany." 13 Avy teo da nisitaky andreo Izy, niakatry tame lakagny indraiky, da nisitaky lavitra ho egny agnilany. 14 Da adignon'e mpianatry gne ninday mofo niaraky tamindreo. Tsy nanagny mihoatry gne raiky indreo tagnatin'e sambo. 15 Da nampitandrigny andreo Izy da nizaka hoe: "Membena sady mitandrema ame masirasirandreo fariseho sy gne masirasiran' i Heroda." 16 Da nifagnontany tegna gne mpianatry hoe: "Avy amintsika tsy managny mofo izany." 17 Fantatr' i Jesosy izany, da hoy Izy tamindreo hoe: " Nagnino raha ame tsy fanagnagny mofo gn'eritreritrinareo? Mbola tsy takatrinareo me? Nanjary mafy me gne fonareo? 18 Managny maso me anareo, fa tsy mahita ? Managny sofy me anareo fa tsy maregny ? Tsy tadidinareo me? 19 Refa nanapaky gne mofo dimy ho an'olo dimy arivo Iao, da sobika firy feno hambiny e mofo nangoninareo? Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Roambinifolo." 20 Refa nanapaky gne mofo fito ho an'olo efatr' arivo Iao, firy sobika gnambiny nangoninareo? Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Fito." 21 Da nizaka Izy hoe: " Mbola tsy takatrinareo avao me? " 22 Avy tagny Betsaida indreo. Da nisy jamba raiky nindesin' olo tamin'Azy da niangaviandreo i Jesosy mba hikasiky an'azy. 23 Nindesin' i Jesosy tame tagnany gne jamba, da nitariky an'azy nivoaky e tanagny. Refa nandrora tame masony Izy sady nametraky gne tagnany tamin'azy, da nagnontany an'azy Izy hoe: " Mahita raha anao sa? " 24 Da niandra izy, da nizaka hoe: "Mahita olo akô kakazo mandende iao." 25 Napetrak' i Jesosy tame masony koa gne tagnany, da nahiratr'igny lelà igny e masony, da nipody tame tena izy gne fahitany, da nahita mazava tsara gne raha agnaby izy. 26 Da nalefan' i Jesosy nody izy da nozakainy hoe: "Ka miditry an-tanagny." 27 Nandeha nizotso i Jesosy sy gne mpianatriny nandeha ame tanin' i Kaisaria Filipo. Tegny an-dalagny da nagnontany an'e mpianatriny Izy hoe: " Hanin' olo ho Ia me iao?" 28 Namaly an'Azy indreo ka nizaka hoe: "Jaona mpagnano batisa. Gn' afa mizaka hoe: 'Elia', ary gn'afa koa nizaka hoe:' Gne raiky ame mpaminany ireo."' 29 Nagnontany andreo izy hoe: " Fa anareo magnano Anà ho Ia?" Da namaly an'Azy i Petera nagnano hoe: "Anao gne Kristy." 30 Nampitandrigny andreo i Jesosy tsy hizaka gne momba an'Azy ndre amin'ia ndre amin'ia. 31 Nanomboky nampianatry andreo Izy fa tsy maintsy hijaly e Zanak' Olo, da ho laviny gn'olom-be ame tanagny sy gne lohan'e mpisorogny Izy ame mpanora-dalàgny, ho vonoigny, da hitsangagny ame maty afaky telo andro. 32 Nozakainy mazava tsara izany. Avy teo da nangian'i Petera mangingigny i jesosy da nanomboky nizaka mafy an'Azy. 33 Nefa nitodiky i Jesosy da nagnety e mpianany da avy eo nizaka mafy an' i Petera ka nagnano hoe: "Melà lavitry Anà, anao Satana! Tsy mba misaigny gne rahan' Andriamanitry anao,fa gne rahan'olo." 34 Avy teo da nangaiky e fokonolo izy ame mpianatriny niaraky Izy, da hoy Izy tamindreo hoe:" Ra misy te-hagnaraky Anà, da tsy maintsy mandà gne tegnany izy, mangala gne hazo fijaliany, da magnaraky Anà. 35 Ndre ia ndre ia te_hamonjy gnainy da ahavery izany, fa izay mahavery gnainy noho gnaminà izy ame filazantsara, da hahavonjy izany. 36 Fa ino me gne tombotsoa azon'olo raiky, raha mahazo izao tontolo izao,sady avy teo da very gnainy? 37 Ino me gnafaky omen' olo raiky ho takalon' ny gnainy? 38 Ndre ia ndre ia megnatry Anà sy gne zakako amity taranaky mijangajanga sy mpanota ity, da ho megnatry anazy avakoa gne Zanak' Olo refa avy ame voninahitry e Rainy miaraky ame gn'anjely masigny Izy."