Toko faha 7

1 E fariseo izy ame mpanoradalagny sasany izay avy tà Jerosalema da avy nivory nagnodidigny Anazy. 2 Sady hitandreo gne mpianatriny sasany nihinagny mofo tamin'e tagnà maloto,izany hoe,tsy voasasa. 3 (Fa gne Fariseo izy ame Jiosy agnaby da tsy mba mihinagny raha tsy efa nanasa gne tagnandreo, satria magnaraky gne fombafombandreo loholona.) 4 Refa mipody avy lat'abazary indreo Fariseo, da tsy mihinagny indreo raha tsy avy mandro, sady mitandrigny fomba maro hafa fatratry indreo, ako gne fanasagny gne kapoaky, izy ame famoaragny, da fanaky varagny, sady gne fandria izay ihinanandreo.) 5 Indreo Fariseo izy ame mpanora-dalàgny nagnontany an'i Jesosy hoe: "Nagnino gne mpianatrinao tsy mandeha araky gne fombafombandreo loholona, fa mihinagny gne mofondreo amin'e tagnà tsy voasasa?" 6 Nefa hoy Izy tamindreo: " Isaia naminagny tsara momba anareo mpihatsaravelatsihy. Nosoratany hoe: 'Ity fokonolo ity Magnaja Ana am'e molotriny, fa gne fony da lavitry Ana. 7 Foagny gne fivavahagny omen-dreo Ana, raha mampianatry gne fitsipik'olombelogny ho fampianaran-dreo.' 8 Afoinareo gne didin'Andriamanitry da tananareo mafy gne fomban'olo." 9 Da hoy koa Izy tamindreo: "Akognaia gne fagnarianareo gne didin'Andriamanitra mba hitandremanareo gne fombandrazanareo! 10 Hoy Mosesy se: "Magnajà an'ny abanao izy amin'ny endrinao, sady, Izay mizaka ratsy an'ny abany na i endriny da ho faty tokôtry." 11 Kanefa anareo mizaka hoe: "Raha misy lelà raiky mizaka an'i abany na i endriny hoe: 'Ndre ino ndre ino tianao ho azo tamina da efa korbana,' (izany hoe: 'Nomegny an'Andriamanitry') 12 --da tsy avelanareo hagnano ndre ino ndre ino amin'ny abany izy amin'ny endriny koa izy. 13 Magnafoagny gne zakan'Andriamanitry anareo noho gne fomban-drazanareo izay notazominareo." 14 Da nangeky gne fokonolo indraiky Izy da nizaka tamindreo hoe: "Mitenoma Ana, agnaby anareo, da fantaro. 15 Tsy misy raha avy ambadiky izay miditry agnatin'olo ka afaky mandoto anazy refa miditry amin'azy. Fa izay mijotso avy agnatin'olo gne mandoto anazy." 16 [Gne fandikagny tsara indrindra da tsy magnisy gn'andininy faha 16: "Raha misy manan-tsofigny hitenomagny, aoka Izy hiteno.] 17 Refa niala tamin'e fokonolo Jesosy da niditry tan-dragno, gne mpianatriny nagnontany Anazy momba gne fagnoharagny. 18 Hoy Jesosy tamin'azy: "Anareo koa zany mbola tsy managny fahalalagny? Tsy hitanareo me fa izay rehetra miditry agnatin'e olo avy ambadiky da tsy mampaloto Anazy, 19 satria tsy afa-miditry ame fony izany, fa ame trokiny avao da mijotso agny amin'e fivoahagny?" Tamin'izany fagnambaragny izany da nahavy gne hanigny agnaby ho madio i Jesosy. 20 hoy Izy: "Gne mijotso avy amin' olo gne mandoto anazy. 21 Fa avy agnatin' olo, avy amin'e fony, gne ijotsoan'e sain-dratsy, gne fahavetavetagny, gne halatry, gne famonoagn'olo, 22 gne fijangajangagny, gne fagniriagny, gne haratsiam-pagnà, gne fitaky, gne fijejojejoagny, gne fialognagny, gne fagnobiragny vandy, gne avognavogny, gne hadalagny. 23 Izany raha ratsy izany agnaby gne mijotso avy agnatin'olo, sady io gne mandoto anazy." 24 Niala teo Izy da lasa nandeha tamin'e faritry Tyro sy Sidona. Niditry tan-dragno raiky Izy sady tsy tiany ho fantatrin'iza na iza fa tao Izy, kanefa tsy afaky nifiny. 25 F'izy, niaraky tamin'izay da nisy viavy raiky, izay nisy devoly raiky gne zanany viavy mbola madiniky, naregny gn'amin'azy, avy, da nandadilady tamin'e tombokiny. 26 Sady Grika gne viavy, Syro-foinika gne niaviany. Niangavy tamin'azy Izy mba handroaka gne demony hiala amin'e zanany viavy. 27 Hoy Izy tamin'azy: "Aleo homegny hanigny eky e zaza. Satria tsy mety gne mangalaky gne mofon-jaza ka hagnary anazy ho any gn'amboa." 28 Nefa namaly Izy da nizaka tamin'azy hoe: "Eka, Tompo, fa na gn' amboa ambany latabatry ao aza da mba mihinagny gne sombintsombin'e amin'e mofon-jaza." 29 Da hoy izy tamin'azy :"Noho izany zakanao izany, afaky mandeha anao. Efa afaky tame zanakao viavy e demony." 30 Raha nipody t'an-dragnony raviavy da nahita e zaza natory t'ambony fandria, sady efa niala e demony. 31 Da i Jesosy nijotso indraiky niala e faritr'i Tyro, da namaky an'i Sidona negname ranomasin'ny Galilia sady niakatry e faritr'i Dekapolisy. 32 Da nentindreo tamin'azy teo gne lelà raiky maregny sady moagny, sady nangataky tamin'azy indreo mba hametraky tagna amin'azy. 33 Nentiny nitokagny niala e fokonolo maro be igny lelà igny, da nametraky gne ratsan-tagnany tagnaty sofiny izy, da raha avy nandrora, da mikasiky e lelany. 34 Da nagnety e lagnitry izy, da nihatsatsaky da nizaka tamin'azy hoe:"Efata", izany hoe, "Maladia!" 35 Da tsela teo e sofiny da nahare, sady namatotry e lelany da potiky sady afaky nizaka mazava tsara izy. 36 Da Jesosy nandrara andreo tsy hizakazaka ndre amin'ia ndre amin'ia. Kanefa ndre da noraragny indreo, da vomaiky nampiparitaky an'izany misimisy. 37 Da gaga tanteraky gn'olo, da nizaka hoe:"Naniny tsara agnaby e raha agnaby. Naniny mandre e maregny sady mizaka gne moagny."