Toko faha 6

1 Niala an'io toeragny io Izy da nipody t'an-tanindrazany, da nagnaraky an'Azy gne mpianatriny. 2 Da refa avy gn'andro sabata, da nampianatry tame synagoga Izy. Maro e olo naharegny an'Azy ka da gaga. Hoy indreo se: "Lataia gne nazahoany izany fampianaragny izany sa?" "Ino koa io fahendregny nomeny an'Azy io?" "Ino aby ity fahagagagny namboarigny tame tagnany ity?" 3 "Tsy gne mpandrafitry igny me io, gne zanak'i Maria ary rahalàhin'i Jakoba izy am'i Josesy, Jodasy da Simona? Tsy gn'anakaviny avao koa gn'amitsika etoa io?" Vignitry tam'i Jesosy indreo. 4 Da hoy i Jesosy tamin-dreo: "Ts'isy mpaminany tsy omegny haja, afa tsy ame tanindrazany sy ame gn'havany akeky an'azy sady ame ankohonagny manokagny avao." 5 Tsy afaky nagnano asa mahagaga Izy, afa tsy gne fametrahany tagna ame marary mahalagny da magnasitragny andreo. 6 Gaga nohon'gne tsy finoan-dreo Izy. Aveo da nandeha nagnodidigny gne tanagny Izy hampianatry. 7 Aveo da nangaiky andreo roa ambin'ny folo lahy Izy da nanomboky nagniraky andreo tsiroiroy, sady nomeny fahefagny tame fagnahy maloto indreo, 8 da nandidy andreo tsy hinday vatsy ame lalagny andianany, na mofo, natakepaky, na vola amign'etrin-dreo_ afa tsy angira avao_ 9 fa agnano kapa, da ts'hagnano akanjo roy. 10 Hoy Izy tamindreo: "Ndre ovia ndre ovia anareo miditry an-dragnon'olo raiky da midoboa ao mandra-pelanareo agny. 11 Sady raha misy tanagny tsy mandray anareo na miteno anareo, ka miala teo anareo da popozy gne vovoky ame tongotrareo mba ho fijoroagny vavolombelogny amin-dreo." 12 Da nandeha indreo da nitory fa gn'olo da tokony hibebaky ame fahotagny. 13 Nandroaky demonia maro indreo, da nagnosotry marary maro tame menaky ka nagnasitragny an'azy. 14 Regnin'i Heroda mpanjaka zany, satria da lasa nalaza gn'agnaran'i Jesosy. Gne sasany nizaka nagnano hoe: "Nitsangana tame maty i Jaona mpagnano batisa da noho izany da gn'heriny gne miasa agnatiny io." 15 Da hoy koa gne sasany hoe: "Elia Izy." Gne sasany mbola mizaka nagnano hoe: "Mpaminagny Izy, akô gne mpaminagny taloha agnaby io." 16 Fa refa naregny an'izany Heroda da hoy izy nagnano hoe: "Jaona, e notapaiko loha, gne hitsangana tame maty." 17 Fa Heroda e nampanambotry an'i Jaona da nandefa an'azy tam-pigadragny nony gne resaky momba gne Herodiasy (vadin'i Filipo rahalahiny), satria niaraky tamin'azy izy. 18 Fa Jaona nizaka an'i Heroda hoe: "Tsy nagnaraky gne lalagny gne hanambadiananao gne vadin'e rehalahinao." 19 Fa vignitry tamin'azy Herodiasy ka nitady zay hamonoagny an'azy, kanefa tsy afaky, 20 noho gne fatahoran'i Heroda an'i Jaona; Lalany fa olo marigny sy feno fahamasinagny izy, da niaro an'azy izy. Nanahiran-tsaigny an'azy gne fitenomagny an'azy, kanefa da mbola niteno an'azy tame hafaliagny izy. 21 aveo da nisy iriky tamign'e fitsingerenan'e taogny nahateran'i Heroda ka nagnano fagnasagny ho an'e manam-pahefagny tao Galilia izy. 22 Da niditry gn'efitragno fagnasagny e zanaka vavin'i Herodiasy sady nandihy ho andreo, da nafinaritry an'i Heroda izy ame vahiny nasaigny izy. Da hoy gne mpanjaka tamin'i razazavavy nagnano hoe: "Angatay aminà zay tianao aby da ameko anao zany." 23 Da nitangegny tamin'azy izy hoe: "Ndre ino ndre ino angatahinao aminà, da omeko anao, ndre gn'asasakigne fanjakako." 24 Da nijotso izy da nizaka tamin'i endriny nagnano hoe: "Ino gne raha angatahiko amin'azy?" Da hoy i endriny nagnano tamin'azy hoe: "Gne lohan'i Jaona mpagnano batisa." 25 Avy da nipody tame mpanjaka izy, ka nagataky, nagnano hoe: "Ataovy ambony lasety gne lohan'i Jaona mpagnano batisa da omeo anà." 26 Ndre da nampalahelo be gne mpanjaka izany, da tsy afaky nanda gne hatakany izy nony gne tangegny nataony sy noho gne vahiny nasaigny tame fisakafoanagny. 27 Fa nodidiagny gne miaramila raiky tame mpiambigny an'e mpanjaka mba inday gne lohan'i Jaona ho amin'azy. Da nandeha igny mpiambigny igny nanapaky gne lohany tampigadragny. 28 Da nentiny an-dasety gne lohany ary da nomeny an'igny zazaviavy igny, da nomeny an'i endriny izany. 29 Refa naregny an'izany gne mpianatriny, da tonga nangalaky e fatiny ka nandevogny an' izany t'an-kobory. 30 Nipody tagny am'i Jesosy gne apôstôly da nitantara tamin'azy gne raha vitan-dreo sy gne nampianarin-dreo. 31 Da hoy Izy tamin-dreo nagnano hoe: "Andatsika itsika ho agny ame tany fôgny da hiala valaky kidikidy." Fa maro gn'olo mivezivezy, sady tsy managny fotoagny ihinanagny indreo. 32 Da nandeha lakagny indreo ho agny ame tany fôgny. 33 Fa indreo nahita andreo nandeha sady maro gne nahafantatry andreo, da niaraky nezakazaky an-tomboky avy tamin'e tanagny aby indreo, sady tonga teo talohan-dreo. 34 Refa avy tegny ame sisiny indreo, da nahita fokonolo Izy da firaigny andreo Izy satria d'akô gn'ondry ts'isy mpiambigny indreo. Ka nanomboky nampianatry raha maro Izy. 35 Sady raha ariva gn'andro, da nagnatogny an'Azy gne mpianatriny da nizaka nagnano hoe: "Toeragny fôgny ty ary gn'andro efa ho aligny. 36 Alefaso indreo mba andeha ame vohitry sy tanàgny magnodidigny hividy hanigny ho an' gne tegnan-dreo." 37 Fa namaly Izy tamin-dreo nagnano hoe: "Omenareo raha hoanigny indreo." Da hoy indreo tamin'Azy: "Afaky mandeha mividy gne mofo azon'e denaria roanjato iay da hagnome an'izany andreo hoanigny?" 38 Da hoy Izy tamin-dreo: "Firy gne mofo anagnanareo? Mandehana da taragno." Refa itany, da hoy indreo hoe: "Mofo dimy sy laokandrano roy." 39 Da nandidy gn'olo aby mba hidoboky tsitikotoko tame ahitry metso Izy. 40 Da nidoboky nitsitokotoko indreo; toko zato sy dimampolo. 41 Nangala gne mofo dimy sy laokandrano roy Izy, da nagnety gne lagnitry da nisaotry ka nizarazara gne mofo ary nagnome izany tame mpianatry mba omegny gn'olo. Nozarainy koa gne laokandrano roy ho an'azy agnaby. 42 Da nihinagny agnaby izy aby mandra-pahavoky andreo. 43 Nalain-dreo gne sisan'e mofo da nahafeno roy ambin'ny folo harogny milongolongo, ary koa gne sisan'e laokandrano. 44 Nisy dimy arivo gne lelà nihinagny e mofo. 45 Teo no ho eo da napekeriny tame lakagny gne mpianatriny mba hitsaky alohany egny agnilany, ho agny Betsaida, refa nandefa gne fokonolo Izy. 46 Refa lasa indreo, da nandeha nivavaky t'an-tedrombohitry Izy. 47 Aligny e andro, sady efa tategnategnan'e ranomasigny gne lakagny, fa izy raiky avao gne tambositry. 48 Ary hitany fa sairagny mafy indreo nivehy gne lakagny, satria nanohitry mafy andreo gne rivotry. Teo ho eo ame ora fiambenagny fahefatry gne aligny da nagnatogny andreo Izy, nandeha tambonign' e ranomasigny, ary ta handalo t'amin-dreo Izy. 49 Fa refa nahita an'Azy nandeha tambonign'e ranomasigny indreo, da nanin-dreo ho angatry Izy da nitoreo agnaby indreo, 50 satria nahita an'Azy indreo da nalia. Teo no ho eo da nizaka tamin-dreo Izy ka nagnano tamin-dreo hoe: "Matokisa! Iao avao tiky! Aza matahotry!" 51 Ary nitikigny lakagny niaraky tamin-dreo Izy, da nisigny gne rivotry. Da gaga tanteraky indreo. 52 Sady tsy takatry gne sain-dreo gne dikan'e mofo. F'izy, nemafy gne fon-dreo. 53 Refa tafita indreo, da avy ta Genesareta indreo da nitody. 54 Ary raha nijotso gne lakagny indreo, da lalan'olo tao Izy, 55 da nezakazaky agnaby indreo nagneragny gne tanàgny da nanomboky ninday gne marary tamin'e fandriany ndre t'aia ndre t'aia gne toeragny regnin-dreo nisy an'Azy. 56 Ndre t'aia ndre t'aia nandehanany na an-tanàgny na tanàm-be, na t'ambanivolo, da napetrakindreo tame bazagny gne marary. Nengavy an'Azy indreo mba hikasian-dreo ndre da gne ravin'akanjony avao, da ze nikasiky an'Azy da sitragny.