Toko faha-4
1
Avy eo Jesosy notarihan'e Fagnahy ho agny agn'efitry mba halain'e devoly fagnahy.
2
Refa agy nifady hanigny efapolo andro sy efapolo aligny izy, da mosaregny.
3
Nagnantogny gne mpalaky fagnahy da nizaka taminazy hoe: " Râ Zanak'Andriamanitry anao, da zakay ho tonga mofo ireto vato ireto. "
4
Fa Jesosy namaly da nagnano hoe: " Vôsoraty hoe: 'tsy gne mofon avao gne hiveloman'olo fa izay zaka agnaby aloaky gne vavan'Andriamanitry. "'
5
Avy eo gne devoly ninday anazy tagny amin'e tanagny masigny da nagnapetraky anazy tamin'e faratampon'e tempoly,
6
sady nizaka taminazy hoe: "Râ Zanak'Andriamanitry anao, da milavoa agny ambany agny, fa vôsoratry hoe: 'Izy handidy ireo anjely hitaiza anao' sy 'hanandratry Anao eo amin'e tagnan-dreo, da tsy ho tafatohy amin'e vato gne tombokao. "'
7
Jesosy nizaka taminazy hoe: "Da mbola vôsoratry indraiky hoe: 'Tsy tokony hitsapa gne Tompo Andriamanitrao anao. "'
8
Nindesin'e devoly nandeha amin'e toeragny ambony indraiky Izy sady nampiseho anazy gne fanjakagny agnaby amin'izao tontolo izaoizy ame hatsaran'ireo.
9
Hoy izy taminazy ho: "Ireo rehetry ireo da homeko anao, râ ohatry ka miankohoka eto agnatrehako sy midera anà anao."
10
Avy eo Jesosy nizaka taminazy hoe: 'Mialà tetoa anao, ry Satana! F'efa vôsoratry ho: 'Anao da hidera e Tompo Andriamanitrao, sady izy raiky avao gne Tompoinao."'
11
Avy eo niala Anazy gne devoly, sady indreo, nisy anjely avy da nanompo Anazy.
12
Sady nony ren'i Jesosy fa vôsambotry Jaona, da nipody nandeha Galilia izy.
13
Niala an'i Nazareta izy da nandeha sady nimpetraky tao Kapernaomy, izay eo amoron-dranomasin'i Galilia, ao amin'e zara-tanin'i Zebolona sy Naftaly.
14
Izany gne nibôky mba hahateraky izay nambaran'Isaia mpaminagny hoe:
15
"Gne tanin'i Zebolona izy ame Naftaly, mandeha amin'e ranomasigny, agny agnilan'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa!
16
Gn'olo nipetraky tagny amin'e mizigny da nahita fahazavagny zakabe, sady izy nipetraky tamin'e faritry sy gne aloky gne fahafatesagny, da tamindreo gne niposahan'e fahazavagny."
17
Sady tamin'izany fotoagny izany Jesosy da nanomboky nitory teny sy nizaka hoe: "Mibebaha, f'efa akaiky gne fanjakan'e lagnitry. "
18
Râ nandeha tegny amoron'e Ranomasin'i Galilia Izy, da nahita mpiralà roy, Simona izay nantsovagny hoe Petera, sady Andrea rahalàny, nagnatoraky gne haratony tegny amin'e ranomasigny, fa mpagnarato indreo.
19
Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Andao, hagnaraky anà, fa haniko mpagnarato olo anareo."
20
Tselatsela avao da niala gne harato indreo nagnaraky Anazy.
21
Sady râ mbola nandeh Jesosy da nahita mpiralà roy hafa, Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona ralàny. Nagnamboary gne haratony tamin'e sambo indreo niaraky tamin'i Zebedio rain-dreo. Nangahiky andreo Izy,
22
da tselatsela avao da niala gne sambo izy ame rainy ireo da nagnaraky Anazy.
23
Nandeha eran'i Galilia Jesosy, nampianatry tamin'e synagogan-dreo, nitory gne filazantsaran'e fanjakagny, sady nagnasitragny ireo karazan'arety agnaby miaraky gne rofy agnaby tamign'olo.
24
Nimparitaky eran'i Syria gne vaovao mahakasiky Anazy, da nentin'olo teo Aminazy ireo izay marary agnaby, mararin'e karazan'arety sy fangirifirihagny, ireo demoniaka, sy izay mararin'e androbe sy mararin'e paralysisa. Nositranin'i Jesosy raiky avao.
25
Fonkonolo maro avy tagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia sady avy agny andafin'i Jordana gne nagnaraky Anazy.