Toko faha 3
1
Tamin'izany andro izany da nandeha nitory tagny ame tany foagnin'i Jodia I Jaona mpagnano Batisa magnano hoe:
2
"Mibebaha, f'efa akaiky gne fanjakan'e lagnitry."
3
Fa izy gn'ilay nozakain'Isaia mpaminany, magnano hoe: "Misy feo raiky mangaiky mafy agny agn'efitry hoe: "Amboary gne lalan'e Tompo, ahitsio gne lalagny."
4
Sady Jaona nitafy volon-drameva sy nagnano fehikibo hoditry tamin'e vanihany. valala sy tantely remby gne nataony fihinagny.
5
Sady Jerosalema, Jodia manontolo, miaraky ame faritry rehetra magnodidigny gne reniranon'i Jordana da nagnatogny anazy.
6
Hanigny batisa tegny amin'e reniranon'i Jordana indreo, refa nagneky gne fahotagny.
7
Fa non'e nahita andreo Fariseo sy Sadose maro naganatogny anazy mba ho atao batisa izy, da hoy izy tamindreo hoe: "Ry taranaky menaragny feno poizigny, ia gne nampitandrigny anareo hitsoaky gne fahatezeragny izay ho avy?
8
Mamoaza miendriky gne fibebahagny.
9
Sady aza misaigny gne hizaka anankam-po hoe: "Managny an'i Abrahama ho rainay iay." Fa zakaiko aminareo fa Andriamanitry da mahavita manangagny zanaky hoan'i Abrahama ndre da avy amin'ireto vato ireto aza.
10
Sady efa napetraky ame am-pototrin'e hazo gne famaky. Da ireo hazo rehetra izay tsy mamoa tsara da ho tapahigny sady hariagny agny agnaty afo.
11
Magnano batisa anareo amin'e rano ho amin'e fibebahagny iao. Fa mahery noho iao izy izay ho avy afarako, sady iao da tsy mendriky avao na da gne hinday e kapany azaky. Hagnano batisa anareo amin'e Fanahy Masina sy gne afo Izy.
12
Efa egny an-tagnany gne fikororohagny mba hagnadiovagny gne famoloagny sady hanangonagny gne variny agny an-tsopitry. Fa izy da handoro ireo akofa amin'e afo izay tsy mety maty."
13
Avy eo Jesosy avy tagny Galilia da avy teo amin'e reniranon'i Jordana ho amboarin'i Jaona batisa.
14
Nefa i Jaona da nizaky nanakagny anazy, magnano hoe: "Iao e mila amboarinao batisa nefa anao avakoa me gne magnontany anà?"
15
Jesosy namaly sady nizaka taminazy hoe: "Ekeo izany amin'izao fotoagny izao, fa iao gne mety amintsika hahatanteraky gne fahamarinagny agnaby." Avy eo Jaona nagneky anazy.
16
None vita batisa Izy, da nibohaky gne rano avy hatrany Jesosy, sady igny, hisokatry taminy gne lagnitry. Hitany gne fanahin'Andriamanitry nidigny akô e voromailala sady nankeo amboniny.
17
Sady igny, nisy feo avy agny an-dagnitry nagnano hoe: "Ity gne Zanako malalako. Izay sitrako indrindra."