Toko faha-2
1
Tafaran'e nahaterahan'i Jesosy tao Betleheman'i Jodia tamign'andron'i Heroda mpanjaka, da avy tao Jorosalema ireo ralà manam-pahalalagny avy agny atsignanagny nizaka joe:
2
"Aia izy izay teraky ho Mpanjakan'e Jiosy? Nahita gne kintagny avy egny atsignanagny iay sady avy mba hidera anazy. "
3
Refa nahare izany i Heroda mpanjaka, natahotry izy, say i Jerosalema manontolo niaraky taminazy.
4
Nentin'i Heroda niaraky gne lohan'e mpisorogny agnaby izy ame mpanora-dalàgny gn' olo, sady nagnontany anazy indreo hoe: " Aia gne hahaterahan'i Kristy?"
5
Nizaka taminazy indreo hoe: "Ao Betleheman'i Jodia, fa izao gne vôsoratry gne mpaminagny hoe:
6
'Fa anao, Betlehema, agny amin'e tanin'Joda, da tsy tena kidy amin'ireo mpitondran'i Jodia, fa avy aminao gne hiavian'e mpanapaky izay handigny gn' oloko Israely. "
7
Sady nangahik mangingigny ireo ralà manam-pahalalagny i Heroda mba hagnontany andreo mazava tsara gne fotoagny nipoiran'e kintagny.
8
Nalefanzy tagny Betlehema indreo, magnano hoe: "Mandehana sady fotory tsara gn'amin'e zaza. Refa hitanareo izy, da agnambaray iao, mba ahafako mandeha avakoa da hidera anazy. "
9
Tafaran'e nandresan-dreo gne mpanjaka, da nandeha tamin'e lalagny indreo, sady gne kintagny izay hitandreo tegny atsignanagny gne nialoha andreo mandra-pijanogny teo ambon'e toeragny nisy e zaza.
10
Refa nahita gne kintagny indreo, da niravo tamim-pifaliam-be.
11
Niditry tao amin'e tragno indreo sady nahita gne zaza niaraky tamin'i Maria reniny. Niankohoky sy nidera andreo ireo. Nanonkatry gne fitoeran-karegny indreo sady nanolotry fagnomezagny volamena, dintin-kazo magnitry, sady miora ho anazy.
12
Nampitandrigny anazy tamin'e nofy Andriamanitry mba tsy hiverigny agny amin'i Heroda, da lalagny hafa gne nandehan-dreo namonjy gne firenegny aby.
13
Refa lasa indreo, da nisy anjelin'e Tompo nisehontamin'i Josefa tamign'alalan'e nofy sady nizaka hoe:"Miarena, indeso gne zaza izy ame reniny, sady milefasa agny Egypta. Mimpetrahagny mandram-pizakako aminao, fa i Heroda da mitadia e zaza mba hamonoagny anazy. "
14
Gn'alinigny Josefa da nifoha sady ninday e zaza izy ame reniny da nadeha Egypta. Nimpetraky tagny izy mandram-pahafantan'i Heroda.
15
Izany da nagnatanteraky izay nambaran'e Tompo tamign'alalan'e mpaminagny hoe: " Nangeko hiala tagny Egypta gne zanako."
16
Avy eo Heroda, refa nahita fa voafitak'ireo lelà manam-pahalalagny, da vignitry jafy. Nagniraky sy nampomony gne zazalelà agnaby roy taogny gne midigny izah tao Betlehema sy tamin'e faritry agnaby igny izy, arak'e gne fotoagny izay nofotoragny mazava tamin'ireo lelà manam-pahalalagny.
17
Avy eo da tanteraky gne zakany izay nozakaigny tamign'alalan'i Jeremia mpaminagnyhoe:
18
"Nisy feo egny taonRama, fitomagniahny sy fisaoram-be, mitomagny nohon'e ame zanany i Rahely, sady tsy nagneky gne ho ampanginigny izy, satria efa lasagny indreo. "
19
Refa maty i Heroda, indro, nisy anjelin'e Tompo nibohaky tamin'i Josefa tagny Egypta tamin'e nofy sady nizaka hoe:
20
"Mifohaza sady indeso hne zaza izy ame reniny da mandehana agny amin'e tanin'Israely, f'efa maty ireo izay nifofo gn'ain'e zaza. "
21
Nifoha Josefa, nindesiny gne zaza izy ame reniny, sady nandeha tagny amin'e tanin'Israely.
22
Fa refa regniny fa i Arkelaosy gne nanjaka tagny Jodia nandimby an'e Heroda rainy, da natahotry gne ho agny izy. Tafaran'e mampitandreman'Andriamanitry anazy taminin'e nofy da niala nandeha amin'e faritr'i Galilia izy
23
da ndehansady nimpetrky tao amin'e tanagny angegny hoe Nazareta. Izany da nahatanteraky izy vôzaka tamign'alalan'ireo mpaminagny hoe: "Nazarena gne hangagny anazy."