Toko 1

1 E bokin'e razan'i Jesosy Kristy Zanak'i Davida Zanak'i Abrahama. 2 Abrahama gn'aban'Isaka, sady Isaka gn'aban'i Jakoba, sady Jakoba gn'aban'i Joda sy ireo rahalahiny. 3 Joda gn'aban'i Fareza sy Zara avy tamin'e Tamara, Fareza gne aban'i Herzona, da Herzona gne aban'i Rama. 4 Rama gne aban'i Aminadaba, da Aminadaba gne aban'i Nasona, da Nasona gne aban'i Salmona. Salmona gne aban'i Boaza tamin'e 5 Rahaba, Boaza gne aban'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda gne aban'i Jese. 6 Da Jese gne aban'i Davida mpanjaka, Davida gne aban'i Solomona tamign'alalan'e vadin'ny Oria. 7 Solomona gne aban'i Rehoboama, Rehoboama gne aban'i Abia, ary Abia gne aban'i Asa. 8 Asa gne aban'i Jaosafata, da Jaosafata gne aban'i Jorama, da Jorama gne razan'i Ozia. 9 Ozia gne aban'i Jorama, Jorama gne aban'i Ahaza, Ahaza gne aban'i Hezekia. 10 Hezekia gne aban'i Manase, Manase gne aban'i Amona, da Amona gne aban'i Josia. 11 Josia gne razan'i Jekonia sy indreo ralàny tame fotoan'e fandroahagny ho a Babylona. 12 Tafaran'e fandroahagny ho a Babylona, da Jekonia gne aban'i Sealtiela, da Sealtiela gne razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela gne aban'i Abihoda, Abihoda gne aban'i Eliakima, da Eliakima gne aban'i Azora. 14 Azora gne aban'i Zadoka, Zadoka gne aban'i Akima, da Akima gne aban'i Elihoda. 15 Elihoda gne aban'i Eliazara, Eliazara gne aban'i Matana, da Matana gne aban'i Jakoba. 16 Jakoba gne aban'i Josefa vadin'i Maria, gne niteraky an'i Jesosy, izay nangiagny hoe Kristy. 17 Gne taranaky aby manomboky amin'i Abrahama ka hatrany amin'i Davida da taranaky efatry ambin'ny folo, manomboky amin'i Davida ka hatrany amin'e fandroahagny ho e Babylona da taranaky efatry ambin'ny folo, da nanomboky amin'e fandroahagny ho e Babylona ka hatrany am'i Kristy da taranaky efatry ambin'ny folo. 18 Akô ity gne nisehoan'e fahaterahan'i Jesosy Kristy. I endriny, Maria, da efa natokagny hanambady an'i Josefa, f'izy talohan'e niarahan-dreo, da hita fa nitoe-jaza izy avy tame Fanahy Masigny. 19 Josefa, vadiny, da lelà marigny, sady tsy te-hangala baraka Anazy ampahibemaso. Da nanapa-kevitry izy gne hamaragny mangingigng gne fifagnarahany taminazy. 20 Raha izy mbola mieritreritry momban'io raha maro be igny, da nibôky taminazy tame nofy gn'anjelin'e Tompo, magnano hoe: "Josefa, zanaky lahin'i Davida, ka malia gne nangala an'i Maria ho vadinao, satria e raiky izay notorotorognigny agnatiny ao da gne Fagnahy Masigny gne nampitoetry anazy. 21 Hiteraky zaza là izy, da anao hangaiky gne agnarany hoe Jesosy, fa izy gne hamonjy gne olony hisitaky ame fahotanp-dreo." 22 Izany aby zany da nibôky mba hahateraky gne nambaran'ny Tompo tamin'e gn'alalan'ilay mpaminany, magnano hoe: 23 "Indro, gne virijiny nitoe-jaza ka hiteraky zazalà, da indreo hangaiky gn'agnarany hoe Imanoela" _izay midika hoe: "Amintsika Andriamanitry." 24 Nifoha tame Torimasony Josefa da nagnano arak'e nandidian' ny gn'anjelin'ny Tompo Anazy sady nangala anazy ho vadiny. 25 F'izy tsy niaraky taminazy Izy mandram-piterany zazalà. Da nangiagny hoe Jesosy gn'agnarany.