Toko faha-5

1 Refa nahita gne fonkonolo Jesosy, da niakatry tame tendrombohitry. Refa tafapetraky Izy, da nagnantogny Anazy ireo mpianatriny. 2 Nanokatry gne vavany Izy sady nampianatry andreo, magnano hoe: 3 "Sambatry gne sahiragny am-pagnahy, fa azy iro gne fanjan'e lagnitry. 4 Sambatry ireo malahelo, fa hampionigny indreo. 5 Sambatry ireo malemy fagnahy, fa indreo gne handobpva gne tany,. 6 Sambatry ireo izay mosaregny sy mangetaheta gne fahamarinagny, fa ho vôkisagny indrso. 7 Sambatry iro mpamindra fo, fa hahazo famindram-pò indreo. 8 Sambatry ireo madio am-po, fa hahita an'Andriamanitry indreo. 9 Sambatry ireo mpampihavagny, fa indreo gn'angegny hos zanak'Andriamanitry. 10 Sambatry ireo enjehigny nohon'e fahamarinagny, fa andreo gne fanjakan'e lagnitry. 11 Sambatry anareo râ mangniratsira anareo sy magnenjiky anareo gn'olo, sady mizaka gne karazane vandy ratsy agnaby hanohitry anareo nohon'e aminà. 12 Mifalila sy miravoravoa, fa zakabengne valisoanareo agny an-dagnitry. Fa akô izany gne fomba nagnenjehan'olo ireo mpaminagny izay niaigny talohanareo. 13 Anareo e siran'e tany. Fa râ sira gn'avy matavay, amin'e fomba akôgnaia gn'ampasia izany indraiky? Tsy ho tsara ndre amin'ino ndre amin'ino esanaky izany fa hariagny synho hitsahigny tomboky gn'olo sisa. 14 Anareo gne fahazavan'izao tontolo izao. Gne tanàgny miorigny eo ambony da tsy azo hafiny esanaky. 15 Tsy misy olo mandrehitry jiro da mametraky izany agny ambany haro, fa eo ame fitoeran-, jiro, da magnazava gne rehetra ao an-tragno izany. 16 Aoky hazava eo agnoloan'olo akô izany fomba izany gne fahazazvanareo mba ahitan-dreo gn'asa tsara ataonareo sady ankalazany gne Rainareo izay agny an-dagnitry. 17 Ka mieritreritry hoe avy handrava gne lalàgny na ireo mpaminagny Iao. Tsy avy hamotiky ireo Iao, fa hagnatateraky anazy ireo. 18 Fa zakaiko marigny aminareo fa mandra-pahavelon'e lagnitry izy ame tany, da tsy ho foagny amin'e lalàhny ndre da litera raiky sy tendron-tsoratry raiky azaky, mandra-pahatanteraky gne raha agnaby. 19 Noho izany ndre ia ndre ia mandika gne tena kidy amin'ireo didy ireo sy mampianatry gne hafa anao akô izany da ho angegny hoe tena kidy ame fanjakan'e lagnitry. Fa ndre ia ndre ia mankatoa sy mampianatry ireo da angegny hoe zakabe ame fanjakan'e lagnitry. 20 Fa zakaiko aminareo fa râ tsy mihôtry noho gne mpanora-dalàgny izy amd fariseo gne fahamarinanaeo, da tsy hiditry ao amin'e fanjakan'e lagnitry mihitsy anareo. 21 Efa renareo fa vôzaka tamindreo fahiny hoe: ' Ka mamono olo, ' sady 'Ndre ia ndre ia mamono olo da ho helohigny agny ame fitsaragny. ' 22 Fa zakaiko aminareo fa izay rehetra vignitry amin'e ralàny da mendriky ho helohigny ame fitsaragny; sady ndre ia ndreia mizaka gne ralàny ho: 'Anao da olom-poagny!' da ho helohigny agny amin'e fila-kevitry; sady ndre ia ndre ia mizaka hoe: Mola anao!' da mendriky gne ho agny amin'e farihy mirehetry afo. 23 Noho izany râ manolotry gne fagnatitrao eo ame alitara anao da tsaroanao teo fa managny alahelo aminao gne ralànao, 24 da avelay anoloan'e alitara gne fagnatitrao, da mandehana zory gne lalagninao. Mihavagna heky amin'e ralànao, sady avy eo miveregna da atolory gne fagnatitrao. 25 Mihavàgna malaky amin'e mpiampagna anao râ mbola miara-dia aminazy agny amin'e fitsaragny anao, sao gne mpiampanga anao hanolotry anao ame mpitsara, sady gne mpitsara mety hanoltry anao amin'e ame manam-boninahitry, da hatao ao an-tragno mizigny anao. 26 Zakaiko marigny aminareo, fa tsy ho afaky mibôky ao mihitsy anao mandram-pahandohanao gne vola faran'e tena kidy amin'e trosanao. 27 Efa renareo fa vôzaka hoe: ' Ka mijangajanga. ' 28 Kanefa zakaiko aminareo fa izay rehetra magnety viavy da magniry anazy da efa nijangajanga tao am-pony sahady. 29 Râ manafitohigny anao gne masonao ankavanagny, da alay sady ario lavitry anao. Fa tsara tokôtry ho anao rà gn'amphany raiky amin'e vatanao gne tokny ho simbaigny fa tsy gne tegnanao agnaby gn'ariagny agny amin'e helo. 30 Râ manafitohigny anao gne tegnanao ankavanagny, da tapay sady ario lavitry hiala aminao. Fa tsara tokôtry ho anao gn'ampahany raiky amin'e vatano gne tokony ho very fa tsy gne tegnanao agnaby gn'ariagnh agny amin'e helo. 31 Sady efa vôzaka avakoa hoe: 'Ndre ia ndre ia misaraky ame vadiny, da aoky izy hagnome gne taratasy fisaraham-panambadiagny. ' 32 Fa Iao da mizaka aminareo fa izay rehetra misaraky ame vadiny, afa-tsy nohon'e fijangajangagny, da mampijangajanga anazy. Ndre ia ndre ia manambady anazy agny afaran'e fisarahagny da mijangajanga. 33 Sady koa renareo fa vôzaka tamin'e ntaolo hoe: 'Ka mianiagny fianianagny diso, fa indeso agnatrehan'e Tompo gne fiainananao. ' 34 Fa iao da mizaka aminareo, ka mianiagny ame raha agnaby, ndre amin'e lagnitry azaky, fa seza fiandrian'Andriamanitry izany; 35 ndre amin'e tany, fa fitoeran-tongotry izany; ndre amin'e Jerosalema, fa tanagnin'e mpanjaka zakabe izany. 36 Ka mianiagny amin'e lohanao, fa tsy afaky magnafotsy na magnamaintyngne singam-bolo raiky anao. 37 Fa aoky gne zakano ho, 'Eka, eka, ' na 'Tsia, tsia.' Izay mihôtry izahy da avy ame ratsy. 38 Renareo fa vôzaka hoe: 'Maso solon'e maso, sady nify solon'e nify,. ' 39 Fa iao da mizaka aminareo hoe, ka manohitry izay ratsy. F'izy, ndre ia ndre ia mamely gne tarehinao ankavanagny da omeo anazy koa gn'ilany. 40 Sady râ misy olo magniry gnenhiaraky aminao ho agny amin'e fitsaragny damagnendaky gn'akanjonao, da avelay ho anazy avakoa gne lambanao. 41 Ndre ia ndre ia manery anao andehankilometatry raiky, mandehana miaraky aminazy kilometatry roy. 42 Omeo izay mangataky aminao, sady ka malaigny ndre ia ndre ia magniry gne hindragny aminao. 43 Efa renareo fa vôzaka hoe: 'Tsy maintsy mitia gne mpiara-logny aminao anao sady malegnà gne fahavalonao. ' 44 Fa zakaiko aminareo, tiavo gne fahavalonareo sady mivavaha ho an'izay magnenjiky anareo, [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny taloha tena tsara da mangalaky gne hoe: "" Misaora ireo izay magnozogny anareo, mamboara gne tsara amin'ireo izay malaigny anareo. ""] 45 mba ho avy zanaky gne Rainareo izay agny an-dagnitry anareo. F'izy da mampisaky gne masoandrony amin'e ratsy izy ame tsara, sady mampilatsaky gn'erik'andro amin'e mandraigny sy gne tsy marigny. 46 Fa râ ireo izay tia anareo gne tiavinareo, ino gne valisoa azonareo? Ndre da gne mpamory hetra azaky tsy mba magnano akô izany avakoa? 47 Râ gne ralànareo raiky avao gne arabahinareo, ino me gnataonareo mihôtry gne hafa? Ndre dagne Jentilisa azaky tsy mba magnano akô izany koa? 48 Noho izany da tsy maintsy anareo, akô gne fahatanterahan'e Rainareo izay agny an-dagnitry.