TOKO FAHA 21

1 Raha nagnatogny an'i Jerosalema Jesosy izy ame mpianatrinyka negnagny Betifaga, agny ame vohitr'i Oliva, da nandefa mpianatry roy jesosy, 2 nizaka tamindreo hoe: ''Mandehana ao amizay vohitry magnaraky ao, fa akekikeky eo anareo da ahita boriky mifehy da zanaboriky raiky miaraky amin'azy. Tatay indreo da hindeso aty Aminà. 3 Raha misy mizaka anareo momba an'izany,da zakay hoe: 'Misy ilan'i Tompo andreo,' sady da tonga da alefany indreo miaraky aminareo.'' 4 Sady niboky izany mba hahatanteraky izay nambara tame gn'alalan'e mpaminany. Hoy izy hoe: 5 ''Hizakay gne zanak'i Ziona viavy hoe: 'Indro, gne mpanjakanao magnatogny anao, maganajetsy tegna sady mitikigny boriky- zanaboriky."' 6 Avy eo da lasa gne mpianatry sady nagnano arak'izay nandidian'i Jesosy andreo. 7 Nindesindreo gn'apondra izy ame zanaboriky sady nametraky gne lambandreo teo amin'azy, ka nipetraky teo ame lamba Jesosy. 8 Gne ankamaroan'e fokon'olo da namelatry gne lambany tame tany, sady gne hafa nanapaky sampa-kazo sady nagnaparitaky an'izany tame lalagny. 9 Avy eo gne fokon,'olo nandeha talohan'i Jesosy izy amizay nagnaraky an'Azy nitabataba hoe: "hosana ho an'e zanak'i Davida! Isaoragny gne avy latame agnaran'e Tompo! Hosana agny ame ambony indrindra!" 10 Refa niditry tao Jerosalema Jesosy, da naresaky gne raiky tanagny ka nagnano hoe: "Ia me io?" 11 Gne fokon'olo namaly hoe: "Izy gne Jesosy e mpaminany latagny Nazareta agny Galilia." 12 Avy eo niditry tam-pengonagny Jesosy. Noroahiny agnaby gne mpividy izy ame mpivarotry tam-pengonagny, sady navadikiny gne latabatr'e mpanakalo vola izy ame fipetrahan'e mpivarotry voromamanga. 13 Hoy Izy tamindreo hoe: "Efa voasoratry hoe": 'Gne tragnoko da ho antsovagny hoe tragno fivavahagny,' kanefa aninareo zohy fisitrihan'e mpangalatry. " 14 Refa avy teo da nisy jamba da mandringa nagnatogny an'Azy tam-pengonagny, ka nisitragniny indreo 15 Refa nahita gne raha mahagaga namboariny gne lehiben'e mpisorogny izy ame mpanora-dalagny, sady refa regnindreo gne zaza madiniky nitabataba tam-pengonagny hoe: "Hosana ho an'e zanak'i Davida," da vignitry be indreo. 16 Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Regninareo avao me zakain'io olo io izany?" Namaly andreo Jesosy hoe: "Eka! fa mbola tsy novakinareo mihitsy me gne hoe: 'Avy ame vavan-daza madiniky izy ame zaza minono gn'agnamboaragny fideragny tsara?" 17 Avy eo niala andreo Jesosy ka nandeha tagny ame tanagnin'inBetania sady nandry tao gn'aligny. 18 Sady refa maraigny raha niverigny tagny an-tanagny Izy da mosaregny. 19 Nahita aviavy tegny ame sisin-dalagny, da nagnatogny tegny Izy ka tsy nahita ndre ino ndre ino afa tsy gne raviny. Hoy Izy tamin'azy hoe : "Aoky tsy hanagny hisiky koa anao mandrakizay," da niaraky tamizay da maigny igny aviavay igny. 20 Refa hitan'e mpianatry izany, da gaga indreo sady nizaka hoe: "Akôgnaia gne nahamaigny avy hatrany an'ity aviavy ity?" 21 Namaly Jesosy sady nizaka andreo hoe: "Zakaiko marigny aminareo, raha manam-pinoagny ka tsisy fisalasalagny anareo, da tsy izay nanigny tamin'io aviavy io avao gne ho aninareo, fa ndre da hizaka amity vohitry ity aza hoe: "miombota teo da mitreboaha agny an-dranomasigny agny', da ho vita izany. 22 Ndre ino ndre ino angatahinareo ame vavaky, misy finoagny, da ho azonareo." 23 Refa niditry tam-pengonagny Jesosy, da nagnatogny an'Azy gne lehiben'e mpisorogny izy ame lonaky raha nampianatry Izy sady nizaka hoe: "Fahefagny lataia me gn'agnamboaranao an'io raha io, sady ia gne nagnonme anao an'izany fahefagny izany?" 24 Namaly Jesosy sady nizaka tamindreo hoe: "Iao koa hagnapetraky fagnotaniagny raiky aminareo. Raha zakainareo Aminà, da ho zakaiko aminareo gne fahefagny agnamboarako an'io raha io. 25 Gne batisan'i Jaona- lataia gne neviany? Lata an-dagnitry sa lata ame olombelogny?" Niady hevitry indreo, nagnano hoe: "Raha mizaka atsika hoe: 'Avy tagny an-dagnitry,' Da hizaka amintsika Izy hoe: 'Fa nagnino izany anareo tsy nino an'azy?' 26 Fa raha mizaka atsika hoe: 'Lata ame olombelogny,' matahotry gne fokon'olo atsika , satria izy agnaby da mino an'i Jaona ho mpaminanay". Ka namaly an'i Jesosy indreo da nizaka hoe : "Tsy lalanay." 27 Da hoy avakoa Izy tamindreo hoe: "Iao avakoa da tsy hizaka aminareo hoe avy aiza gne fahefagny agnamboarako an'io raha io. 28 Fa akognaia gne hevitrareo? Nisy lelà raiky nanagny zanaky roy. Nandeha negnagny ame voalohany izy sady nagnano hoe: 'Zanako, mandehana miasa agny ame tanin-boaloboky androany.' 29 Gne zanany lahy namaly an'azy hoe: "Tsy ho agny iao," fa avy eo izy da niova hevitry ka nandeha avao. 30 Avy eo da negn'ame faharoy izy sady nizaka akô izany avakoa. Namaly izy ka nizaka hoe: "Ho agny iao,tompoko,' nefa tsy nandeha izy. 31 Ia tame zanany roy io gne nagnano gne sitapon'e rainy?" Da hoy indreo hoe: "Gne voalohany." Jesosy nizaka andreo hoe: "zakaiko marigny aminareo, gne mpamory hetra izy ame mpivaro-tegna da hiditry gne Fanjakan'Andriamanitry alohanareo. 32 Fa Jaona nagnatogny anareo tame fahamarinagny, fa tsy nino an'azy anareo. Fa gne mpamory hetra izy ame mpivaro-tegna gne nino an'azy. Fa anareo , ndre da nahita an'izany aza, da tsy nibebaky sady tsy nino an'azy. 33 Tenomy ity fagnoharagny raiky hafa ity. Nisy lelà raiky, tompona tany. Nagnano tanim-boaloboky izy, nasiany vala izany, nasiany lavaky famiazagny tao agnatiny, nananganany tilikambo, sady nampagnofainy tame mpamboly voaloboky. Avy teo da negn'agny ame tanagny hafa izy. 34 Refa nagnakeky gne taom-pahavokaragny, da nagniraky gne sasany tame mpanompo izy ho agny ame mpamboly voaloboky hangala gne vokatriny. 35 Fa nosamborin'e mpamboly voaloboky gne mpanompony, novangoiny gne raiky, novonoigny gne hafa. 36 Sady mbola, nandefa mpanompony hafa indraiky gne tompo-tany, maro nohon'e tame voalohany, fa nanindreo akô izany avakoa. 37 Tafaran'izany, da nagniraky gne zanany lahitokagny tagny ame tompon-tany, nizaka hoe: 'Hagnaja gne zanako indreo.' 38 Fa refa nahita gne zanaky lahy gne mpamboly voaloboky, da nifampiresaky indreo hoe: 'Ity gne mpandova. Andeha, ho vonoitsika izy sady ho alaitsika gne lova .' 39 Noho izany da nosamborindreo izy, natsipy tao agnatin'e tanimboaloboky sady novonoigny. 40 sady refa avy gne tompon'e tanimboaloboky, ino gne ho aniny ame mpamboly volaloboky?" 41 Hoy indreo tamin'Azy hoe: "Ho foagnany amizay fomba mafy indrindra io olo mandoza io, sady avy eo hampagnofainy ame mpamboly voaloboky hafa gne tanim-boaloboky, olo hagnome an'azy gn'anjara voliny ame fotoam-pahavokaragny." 42 Jesosy nizaka tamindreo hoe: "Tsy mbola namaky gne Soratry Masigny mihitsy me anareo hoe: 'Gne vato tsy nilain'e mpagnano tragno gne nanigny vato fehizoro. Avy tamin'i Tompo izany, sady mahagaga eo agnatrehatsika'? 43 Noho izany zakaiko aminareo, hesorigny aminareo gne fanjakan'Andriamanitry sady homegny gne firenegny izay mamokatry gne voany. 44 Ndre ia ndre ia ho lavon'io vato io da ho potipotiky. Fa izay hilavoany kosa da ho botrabotraky." 45 Refa naharegny an'io fagnoharagny io gne lehiben'e mpisorogny izy ame Fariseo, da azondreo fa mahakasiky andreo gne nozakaigny. 46 Nikasa gne hisambotry an'Azy, f'izy natahotry gne fokon'olo indreo, satria nataon'olo ho mpaminany Izy.