TOKO FAHA 22
1
nizaka tame fagnoharagny tamindreo indraiky Jesosy, nagnano hoe:
2
"Gne fanjakan'e lagnitry da mitovy ame mpanjaka izay nagnomagny fagnasagny ame fanambadian'e zanany lahy.
3
Nagniraky gne mpanompony hagnantso an'izay nahazo fagnasagny hagnatriky gne feti-panambadiagny izy, fa tsy ho avy indreo.
4
Nandefa gne mpanompony hafa indraiky gne mpanjaka, magnano hoe: 'zakay izay nasaigny hoe: "hiteo, efa nokarakaraiko gne sakafoko. Efa novonoigny gn'aomby izy ame zanak'aomby mifahako, sady efa vonogny gne raha agnaby. Mevia ao ame feti-panambadiagny."
5
f'izy tsy nirahahraha indreo sady lasa nandeha, gne raiky namonjy gne fiompiany, gne hafa tame varotry .
6
Gne sasany nisambotry gne mpanompon'e mpanjaka, nangala baraka andreo, sady namono andreo.
7
Vignitry gne mpanjaka ka nagniraky gne miaramilany, sady hamono gne mpamono olo indreo, sady nagnoro gne tanagniny.
8
Avy eo nizaka tame mpanompony izy hoe: 'Efa vonogny gne fampekaram-bady, fa izay nasaigny gne tsy mendriky.
9
Noho izany mandehana egny ame sampakan-dalagny da magnasa olo maro araky izay hitanareo ho ao ame feti-mpapekaram-bady.'
10
Nandeha nijotso tagny ame lalam-be gne mpanompo sady nanambatry gn'olo agnaby izay hitandreo, ndre gne tsara ndre gne ratsy. Noho izany da feno vahiny gne efitry zakabe nisy gne fampekaram-bady.
11
Fa refa niditry gne mpanjaka mba hagnety gne vahiny, da nahita lela tsy nitafy akanjo findesigny ame fampekaram-bady izy.
12
Nizaka tamin'azy gne mpanjaka hoe: 'Ô namako, akôgnaia gn'idiranao ato tsy miaraky ame fisikinagny findesigny ame fapekaram-bady?' Fa tsy nahazaka igny lela igny.
13
Avy eo nizaka tame mpanompony gne mpanjaka hoe: 'fihezo gne tagnany izy ame tombok'ity lela ity, sady atsipizo agny ame mizigny agny ambadiky izy, agny gne misy fitomagniagny izy ame fihidiambazagny.'
14
Fa olo maro gn'antsovagny, nefa vitsy gne ho voafidy.
15
Avy eo nandeha gne fariseo sady nagnomagnygne fomba hamandrihagny an'i jesosy amizay nozakainy.
16
Avy eo nirahindreo andeha amin'Azy gne mpianatrindreo, niaraky tame Herodiana. Nizaka tam'i Jesosy indreo hoe: "O mpampianatry, lalanay fa marigny Anao, sady mampianatry gne lalan'Andriamanitry ame marigny. Tsy miraharaha gne hevitrin'e hafa Anao, sady tsy magnety mitongilagny.
17
Noho izany zakay aminay, ino gne hevitrao ? Ara-dalagny me gne fandoavagny hetra agny am'i Kaisara sa akognaia?"
18
Nefa lalan'i Jesosy gne faharatsiandreo da nizaka hoe: "Nagnino da mitsapa Anà anareo, RY mpihatsaravelatsihy?
19
Aboahy Anà gne farantsa ame hetra ." Avy eo nitondra denariateo amin'Azy indreo.
20
Hoy i Jesosy tamindreo hoe: "An'ia ity sary izy ame gn'agnara ity?"
21
Nizaka tamin'Azy indreo hoe: "an'i Kaisara." Avy eo Jesosy nizaka andreo hoe: "Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara, sady an'Andriamanitry izay an'Andriamanitry."
22
Refa naharegny an'izany indreo, da gaga. Sady niala teo amin'Azy indreo da nandeha.
23
Tamizay andro izay avao gne sadoseo sasany, izay nizaka fa tsisy fitsanganagny ame maty, nagnatogny an'Azy. Nagnotany an'Azy indreo,
24
nagnano hoe: "Ô mpampianatry, Mosesy nizaka hoe: 'Raha maty gn'olo, tsy managny anaky, da tokony hanambady gne vadiny gne rahalany sady hanagny anaky ho an'e rahalany.
25
Nisy mpirahala fito. Nanambady gne voalohany da maty avy eo. Lasa tsy namela anaky, navelany hoan'e rahalany gne vadiny.
26
Avy eo nagnano raha mitovy amizay gne faharoy, avy eo gne fahatelo, akô izany fezay hatragny ame rahala fahafito.
27
Tafaran'izy agnaby io, da maty igny viavy igny.
28
Sady ame fitsanganan'e maty, ho vadin'ia ame mpirahala fito izy? F'efa nanambady an'azy izy agnaby io."
29
Fa namaly jesosy sady nizaka andreo hoe: "Diso anareo, satria tsy mahalala gne Soratry masigny na gne herin'andriamanitry.
30
Fa ame fitsanganan'e maty da sady tsy hanambady indreo sady tsy omegny ampekarigny. F'izy, mitovy ame gn'anjely agny an-dagnitry.
31
fa mahakasiky gne fitsanganan'e maty, mbola tsy novakinareo me izay nozakain'Andriamanitry taminareo, magnano hoe:
32
'Iao gn'Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaka, sady Andriamanitr'i Jakoba'? Andriamanitry da tsy Andiamanitry gne maty, fa an'e velogny. "
33
Refa naharegny an'izany gne fokon'olo, da gaga tame fampianarany.
34
Fa refa regnin'e Fariseo gne nampanginan'i Jesosy gne Sadoseo, da nitambatry indreo.
35
Gne raiky tamindreo, mpahay lalagny, nametraky fagnotaniagny tamin'Azy, nangala fagnahy an'Azy hoe:
36
"Ô mpampianatry, ia gne zakabe indrindra ame didy ao ame lalàgny?"
37
Nizaka tamin'azy i Jesosy hoe: "Tiavo ame fonareo agnaby, ame fagnahinareo agnaby, sady ame saigninareo agnaby gne tompo Andriamanitrareo.'
38
Izany gne didy zakabe izy ame voalohany.
39
Sady gne didy faharoy da ako izany avao: 'Tiavo gne mpiara-belogny aminareo akô gne tegnanareo.'
40
Am'io didy roy io gne iankinan'e lalàgny agnaby izy ame mpaminany."
41
sady raha mbola nitambatry igne Fariseo, da nametraky fagnotaniagny andreo Jesosy.
42
Hoy Izy hoe: "Ino gn'eritreritrareo momba an'i Kristy? Zanaka lahin'ia Izy?" Nizaka tamin'Azy indreo hoe: "zank'i Davida."
43
Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Nagnino avao i Davida mipetraky ao ame Fagnahy gne magnatso an'Azy hoe Tompo, magnano hoe:
44
' Gne Tompo nizaka tame Tompoko hoe: "Mipetraha eo ame tagnako akavana, mandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho fipetrhan'e tombokao?'
45
Raha Davida aza magnatso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' Da akôgnaia gne maha-zanak'i Davida an'Azy?"
46
Tsy nisy nahavaly an'Azy tame zaka, sady tsy nisy olo sahy nametraky fagnotaniagny hafa koa nanomboky tamizany andro izany.