Toko faha-20
1
Fa gne fanjakan'e lagnitry da akô gne tompon-tany izay nandeha vao mandraigny be hagnakarama nge mpiasa ho an'e tanim-boalobokiny.
2
Refa avy nifagnarsky tamindreo mpiasa izy fanhk denaria raiky isanan'asro gne karamandreo, da nalefany tagny amin'e tanim-boalobokiny indreo.
3
Nijotso indraiky izy tamin'e lera fahatelo sady nahita mpiasa hafa nitsangagny ta-bazary.
4
Hoy izy tamindreo ho: "Anareo koa, mandehana agny amin'e tanim-boaloboky, sady izay an-keviny marigny da ho omeko anareo.' Da nandeha niasa indreo.
5
Mbola nijotso indraiky izy tamin'e lera fahahenigny sady koa tame fahasivy, sady nagnano akô izany avao.
6
Tame lera faharaiky ambiny folo da nijotso indraiky koa izy sady nahita mpiasa hafa nitsangagny. Hoy izy tamindreo hoe: 'Nagnino anareo mitsangagny etoa mandritry gne tontolo andro?' Hoy indreo taminazy hoe: 'Tsy misy olo nagnakarama iay.'
7
Hoy izy tamindreo hoe: 'Anareo avakoa mandehana agny ame tanim-boaloboky.'
8
Refa avy gne hariva, da nizaka tame mpitandrin-draharahany gne tompon'e tanim-boaloboky hoe: 'Angeo ireo mpiasa ireo da meo e karamandreo, manomboky ame farany izay vao mandeha ame vôlohany.'
9
Refa avy ireo mpiasa izay nampody tame lera fiharaiky amby folo, da nahazo denaria raiky gne tsikiraikiraiky aby indreo.
10
Refa avy ireo mpiasa vôlohany, da nihevitry fa hahazo mihôtry indreo, kanefa indreo avakoa da nahazo denaria raiky aby gne tsikiraikiraiky.
11
Refa nahazo gne karamandreo, da nataraigny momba e tompon-tany indreo.
12
Hoy indreo: 'Ireo mpiasa farany ireo da niasa lera raiky avao, nefa da nampitovisiny taminay indreo, iay izay ninday gne vesatry e tontolo andro sy niharitry hain'andro.'
13
Fa namaly gne tompon-tany da nizaka e raiky tamindreo hoe: ' Ry namagny, tsy magnano izay tsy mety aminao iao. Tsy denaria raiky me gne nifagnarahanao taminà?
14
Raiso izay anao sady zory gne lalagninao. Iao da nifady gne hagnome ho an'ireo mpiasa nokaramaigny farany akô gn'anao avakoa.
15
Tsy manan-jo ame tiako anigny amin'e gnanà me iao? Sa mialogny me anareo satria malala-tagna iao?'
16
Da gne farany da ho vôlohany, sady gne vôlohany ho farany. " [ Fagnamarihagny: Gne fandikan-teny taloha tena tsara da mangalaky gne hoe: " Maro gne nangegny fa kidy gne voafidy."]
17
Râ hiala ho agny Jerosalema Jesosy, da nangalaky gne roy amby folo lahy Izy, sady tegny an-dalagny Izy nizaka tamindreo hoe:
18
"Indro, hiakatry ho agny Jerosalema isika, sady gne Zanak'Olo da hatolotry eo ame lohan'e mpisorogny izy ame mpanora-dalàgny. Indreo da hagnameloky Anazy ho faty
19
sady hanolotry Anazy aminareo Jentilisa da hiomehezahny, ho vangohigny, sady hofantsiagny Anazy ame kakazofijaliagny. Fa amign'andro fahatelo dz hitsangagny indraiky Izy."
20
Avy eo gne renin'e zanaky lahin'i Zebedio nagnatogny an'i Jesosy niaraky tame zanany lelà. Niankohoky teo agnantrehany izy sady nangataky zavatry avy Aminazy.
21
Hoy Jesosy taminazy hoe: " Ino gn'irinao?" Hoy izy taminazy hoe: "Mandidia mba himpetrahan'ireto zanako lelà roy ireto, gne raiky an-tagnanao ankavanagny sady gne raiky an-tagnanao ankavia, ao ame fanjakano."
22
Fa Jesosy namaly sady nizaka hoe: "Tsy fantatrareo gne raha angatahinareo. Afaky gne hindrano e kapoaky izay hindranomako me anareo?" Namaly indreo hoe: " Afaky iay."
23
Ho Izy tamindreo hoe: " Hindrano ame kapoakiko tokôtry anareo. Fa gne hipetraky eo an-tagnako anankavanako sy ankaviako da tsy anjarako gne magnome, fa an'ireo izay efa nomagnin'e Raiko."
24
Refa nahare izany ireo mpianatry folo lahy hafa, da vignitry mafy tamindreo mpiralà roy.
25
Fa Jesosy nangahiky andreo andeha aminazy sady nizaka hoe: " Fantatrareo fa ireo mpanapak'ireo Jentilisa da hangeja andreo, sady ireo lelà manan-danjan-dreo da hampianatry gne fahefagny gn'amindreo.
26
Fa tsy tokony ho akô izany gn'aminareo. Mifanohitry amizany, ndre ia ndre ia magniry gne ho lasa zakabe inareo da tsy maintsy ho mpanomponareo,
27
sady ndre ia ndre ia magniry gne ho vôlohany aminareo da tsy maintsy mpanomponareo,
28
akô gne Zanak'Olo tsy avy ho tompoigny, fa hanompo, sady hagnome gn'ainy mba ho vidim-panavotagny ho an'e maro."
29
Râ nibôky avy agny Jeriko indreo, da fonkonolo maro gne nagnaraky Anazy.
30
Nisy lelà jamba roy nidoboky tamoron-dalagny. Refa nahare fa nandalo Jesosy, da nitoreho mafy indreo hoe: "Tompo, zanak'i Davida, mamindra fo aminay".
31
Vignitry andreo gne fonkonolo, nizaka andreo mba hisigny, kanefa vao maiky indreo nangahiky mafy hoe: "Tompo zanak'i Davida, mamindra fo aminay."
32
Aveo Jesosy nijanogny sady nangahiky andreo nizaka joe: "Ino gn'irinareo ho aniko aminareo?"
33
Hoy indreo taminazy hoe: "Tompo, mba hahita gne masonay"
34
Aveo Jesosy, nangoeaky, da nikitiky gne mason-dreo. Tonga da nahita indreo sady nagnaraky Anazy.