Toko faha-19
1
Sady refa nahavita ireo zaka ireo Jesosy, niala tagny Galilia Izy, sady nandeha amin'e faritr'i Jodia izay tagny eregnilan'e reniranon'e Jordana.
2
Fonkonolo maro gne nagnarsky Anazy, da magnasitragny andreo tagny Izy.
3
Nagnantogny Anazy gne Fariseo, nitsapa Anazy, nizaka taminazy hoe: "Ara-dalàgny ho an'e lelà me gne misaraky ame vadiny noho izay mety ho antony agnaby?"
4
Jesosy namaly sady nizaka hoe: " Tsy novakinareo me fa Izy izay nagnano andreo tamin'e vôlohany da tsy nagnano andreo ho lahy na vavy?
5
Izy Izay nagnano andreo da nizaka avakoa hoe: ' Fa noho izany antony izany da hiala gne rainy sy reniny gne lelà da hikambagny ame vadiny, sady ho lasa nofitry raiky izy roy?' Da tsy ho roy koa indreo, fa ho nofotry raiky.
6
Da izay natambatr'Andriamanitry, aoky tsy hisy hagnasaraky."
7
Hoy indreo taminazy hoe: "Nagnino i Mosesy gne mandidy anay hagnome taratasy fagnamarnam-pisarahagny sady avy eo hampody anazy?"
8
Hoy Izy tamindreo hoe: " Fa gne hamafisam-ponareo gne namelan'i Mosesy anareo hisaraky ame vzdinareo, fa tamin'e vôlohany da tsy izany gne fomba.
9
Zakaiko anareo, ndre ia ndre ia misaraky ame vadiny, afa-tsy nohon'e fijangajangagny, da manambady hafa, da magnitsakitsa-bady; sady gne lelà manambady viavy izay efa nisara-bady danmijangajanga."
10
Ireo mpianatry nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Râ izany toetran'e lelà ame vadiny, da tsy tsara gne manambady."
11
Fa Jesosy nizaka tamin'ireo hoe: "Tsy gn'olo agnaby gn'afaky magneky izany fampiaragny izany, fa ireo izay navela hagneky izay avao.
12
Fa misy ireo ioniko izay efa akô izany nanomboky an-kibon-drenin-dreo, sady misy ireo ionoko izah magano gn'aindreo ho ionoko nohon'e fanjakan'e lagnitry. Izy izay afaky mandray izany fampiaragny izany, aoky izy handrzy izany."
13
Avy eo nisy zaza madiniky sanasanany nindesigny taminazy mba hametrahagny tagnà amindreo da hivavaky, fa nizaka mafy andreo gne mpianatry.
14
Fa hoy Jesosy hoe: "Avelay gne zaza madiniky, sady ka raragny indreo hagnantogny Anà, satria gne fanjakan'e lagnitry da an'e akô andreo."
15
Napetrakiny tamindreo zaza gne tegnany, sady avy eo niala teo Izy.
16
Indro, nisy lelà nagnantogny an'i Jesosy sady nizaka hoe: "Mpampianatry, Ino gne zavatry tsara tsy maintsy aniko mba hahazoako gne fiainagny mandrakizay?"
17
Jesosy nizaka taminazy hoe: " Nagnino anao magnontany izay tsara aminà? Raiky avao gne tsara, fa râ ta-hiditry agny ame fiainagny anao, da tandremo ireo didy."
18
Hoy gne lelà taminazy hoe: "Didy ino?" Da hoy Jesosy hoe: "Ka mamano olo, a mijangajanga, ka mangalatry, ka jety vavolombelogny diso,
19
hajay iabanao izy ame reninao, sady tiavongne mpiara-belogny aminao akô gne tegnanao."
20
Gne korao nizaka taminazy hoe: "Efa nekeko avakoa izany agnaby. Ino gne mbola tadidiaviko?"
21
Jesosy nizaka taminazy hoe: " Râ magniry gne ho avy lafatry anao, da mandehana, avidio izay anagnanao, sady ome gne sahiragny, da hanagny haregny agny an-dagnitry anao; sady agia, magnaraha Anà."
22
Fa refa nahare izany nozakain'i Jesosy gne korao, da niala tamign'alahelo izy, satria nanagny fanagnagny maro.
23
Hoy Jesosy tamindreo mpianatry hoe: "Zakaiko marigny aminareo, sarotry ho an'e mpanakaregny gne hiditry e fanjakan'e lagnitry.
24
Sady mbola zakaiko aminareo indraiky, mora tokôtry ho an'e rameva e miditry vodin'e filo noho gn'idiran'e mpanakaregny ao amin'e fanjakan'Andriamanitra."
25
Refa nahare izany ireo mpianatry, da tena gaga tokôtry da nizaka hoe: "Ia gn'afaky ho vonjegny?"
26
Nagnety andreo Jesosy sady nizaka hoe: "Amign'olo da tsy hay atao izany, fa amin'Andriamanitry gne raha agnaby da azo atao."
27
Avy eo Petera namaly sady nizaka hoe: " Indro, navelznaybgne raha agnaby sady nagniraky Anao iay. Ino gne ho azonay?"
28
Jesosy nizaka andreo hoe: "Zakaiko marigny aminareo, ame vanim-potoagny vaovao refa mipetraky eo amin'e seza fiandrianan'e voninahitriny gne Zanak'olo, da hipetraky eo ame seza fiandrianagny roy ambiny folo avao anareo izay magnaraky Anà, hitsara gne foko roy ambiny folon'Israely.
29
Gn'olo agnaby izay niala tragno, ralà, anakavy, aba, reny, zanaky, na tagny nohogn'agnarako, da handray ambony zato heny sady handova fiainagny mandrakizay.
30
Fa maro ireo izay vôlohany ho lasa farany, sady gne farany ho vôlohany.