Toko faha 18

1 Tamiany fotoagny izany avao da av tamin'i Jesosy ireo mpianany sady nizaka hoe: "Ia e tena zakabe agny amin'e fanjakan'e lagnitry?" 2 Jesosy nangaiky zaza ho eo aminazy, nagnapetraky anazy teo amindreo, 3 sady nizaka hoe: "Zakaiko marigny aminareo, fa raha tsy miova akô gne zaza anareo, da tsy hisy hevitry gne hidiranareo agny amin'e fanjakagn'e lagnitry. 4 Noho izany, ndre ia ndre ia manetry tegna akô gne zaza da tena zakabe izy agny amin'e fanjakan'e lanitry. 5 Ndre ia ndre ia mandray gne zaza da akô iao amign'agnarako da manadray anà. 6 Fa dre ia ndre ia mahavy gne raiky amin'ireto zaza ireto mino anà hanota, da tsara tokotry ho anazy gne hiantonan'e ikosoham-bary zakabe amin'e vozony, da hahitsiky agny amin'e ranomasigny laligny izy. 7 Loza ho an'izao tontolo izao nohon'e fotoagny fanafitohinagny! Fa ilaigny gne ahatongavan'izany fotoagny izany, nefa loza hoan'e olo niavian'izany fotoagny izany! 8 Rà miteraky fanafitohigny ho anao gne tagnanao, tapahy izany sady alay eo aminao. Tsara tokotry ho anao gne miditry kilemaigny na mandringa agny amin'e fiainagny mandrakizay noho gne ho very agny amin'e afo tsy mety maty amin'e fanangagny tagnà roy na tongotry roy 9 Ra miteraky fanafitohinagny ho e masonao raiky, hongoty izany sady alay eoaminao. Tsara tokotry ho anao gne miditry agny amin'e fiainagny mandrakizay miaraky amin'e maso ila noho gne ho very agny amin'e afo tsy mety maty miaraky amin'e maso roy. 10 Tandremo tsy hagnano tsinotsinogny gne zaza madiniky anareo. Fa magnambara aminareo Iao fa agny an-dagnitry ireo anjeliny da magnty avao gn'endriky Raiko izay agny an-dagnitry. 11 [Fagnamarihagny: Gne dika-teny taloha tena tsara da tsy ahitagny gne fehezateny izay miboaky akô gne V. 11. hoe: "Fa gne Zanak'olo da avy mba hamonjy zay very."] 12 Ino gn'eritreritrareo? Ra misy managny ondry zato, da nandeha ame lalagny diso e raiky amindreo, da tsy hamela gne sivy amby svifolo eo ame havoana me izy da andeha itadia e raiky nandeha amin'e lalan-diso? 13 Ra hitany izany, da zakaiko marigny aminareo, fa mifaly amizany mihotry noho ireo sivy amby sivifolo izay tsy nandeha amin'e lalan-diso izy. 14 Da akô iazany avakoa, tsy sitraky gne Rainareo agny an-dagnitry gne hahavery e raiky amin'ireo madiniky ireo. 15 Raha manota aminao gne rahalahinao, mandehana sady ambaray anazy gne hadisoany, aminao sy izy raika avao. Raha miteno anao izy, da hifankahazo amin'e rahalahinao indraiky anao. 16 Kanefa tsy miteno anao izy, da mangalà raiky na roy hafa miaraky aminao, amizany da amin'e vavan'ireo vavolombelogny roy na telo gne ahafahagny magnamarigny gne zaka agnaby. 17 Sady ra tsy magneky gne hiteno andreo izy, da ambaray amin'e fiangonagny gne zavatry mitranga. Ra ts magneky hiteno gne fiangonagny avakoa izy, da avelay izy ho akô gne Jentilisa sy gne mpamory hetry. 18 Zaaiko marigny aminareo, na ino na ino avelanareo eto an-tany da ho voavela agny an-dagnitry. 19 Da mbola ambarako aminareo indraiky hoe: "Raha misy roy aminareo mifagneky eto an-tany gn'amizay agnaby angatahan-dreo, da ho anigny ho andreo izany amign'alalan'e Raiko izay agny an-dagnitry. 20 Fa ndre aia misy roy ma telo miara-mivory amign'Agnarako, da eo antegnategnan-dreo Iao. " 21 Avy eo nagnantogny Petera sady nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, impiry hanota aminà gne rahalahiko da hamela anazy iao? Hatramin'e im-pito me?" 22 Jesosy nizaka anazy hoe: " Tsy mizaka aminao Iao ho im-pito, fa hatramin'e fitopolo im-pito. 23 Noho izany gne fanjakagn'e lagnitry a mitovy amin'e mpanjaka raiky ta hifandamigny ar-bola miaraky amin'ireo mpanompony. 24 Raha vao manomboky gne fandaminagny izy, da nisy mpanompo raiky nentiny taminazy nanagny talenta ray aligny. 25 Nefa tsy nanagny fomba handovagny izany izy, da nandidy gne hamarotagny anazy e tompony miaraky amin'e vadiny sy ireo zanagny sady izay hanagnany agnaby, da ho vita gne fandoava-trosa. 26 Noho izany, da niondriky e mpanompo, sady niankohoky teo alohany, sady nizaka hoe: "Tompo, managna faharetagny aminà, da haloako aminao gne raha agnaby". 27 Noho izany gne tompon'izany mpanompo izany, da nalahelo, da nagnafaky anazysady namela gne trosa taminazy. 28 Fa nijitso io mpanompo io da nahita gne raiky tamin'ireo mpiara-manompo aminazy, izay nanagnany denaria zato. Nosamboriny izy, nalainy tamin'e vonjigny, sady nizaka hoe: "Aloavy aminà izay notrosainao." 29 Nefa niondriky io mpiara-manompo aminazy io sady nifaona taminazy, nagnano hoe: "Managna faharetagny aminà, da haloako aminao indraiky 30 Kanefa tsy nagneky e mpanopo voalohany. Mifanohitry amizay, nandeha izy sady naniny tagny am-pigadragny e mpiara-manompo aminazy mandram-pandoany aminazy gne trosa. 31 Refa nahita izay niboaky ireo mpiaa-manompo aminaz, da nalahelo tokotry indreo. Nandeha sady nizaka tamin'e tompony rehetra niboaky indreo. 32 Avy eo nangaiky anazy gne tompon'io mpanompo io, sady nizaka hoe: "Anao ry mpanompo ratsy fagnahy, nagnavela gne trosa rehetra taminao iao satria anao da nifona taminà. 33 Tsy tokony hanagny famindram-po amin'e mpiara-manompo taminao? 34 Vignitry e tompony sady ninday anazy tagny amin'ireo mpampijaly andrmpandohany izay rehetra notrosaigny. 35 Da akô izany avakoa gne ho an'e Raiko agny an-dagnitry aminareo, raha tsy mamela gne rahalahigny amin'e fony e tsikiraikiraiky aby aminareo. "