Toko faha 17
1
Enin'andro taty afara da nangala an'i Petera, Jakoba, da Jaona ralàny niaraky taminazy, sady ninday andreo niakatry gne tendromboitry ambony tame tegnany indreo.
2
Niova endriky tamasondreo Izy. Namiratry ako masoandro gne laharany, da gne fitafiany lasa namiratry ako hazavagny.
3
Indro, niboky tamin-dreo i Mosesy sy Elia nikoragny taminazy.
4
Namaly Petera da nizaka tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsara amitsika gn'etoa. Raha sitrakinao, da hambotry fialofagny telo ho antsika etoa iao- gne raiky ho anao, raiky ho an'i Mosesy, da gne raiky ho an'i Elia."
5
Igny izy mbola nizaka igny, da nisy rahogny mazava nanafotry andreo, da avy teo danisy feo nivoaky avy tame rahogy, nagnano hoe: "Ity gne zanako malalako, sady sitrakotokotry. Tenomy Izy."
6
Rehefa regnindreo mpianatry izany, da lavo indreo sady nataotry mafy.
7
Avy teo da tonga Jesosy da nikasiky andreo da nizaka hoe: "Mitsangana da ka malia."
8
Avy teo da nagnety ambony indreo fa tsy nahita ndre ia dre ia afa tsy Jesosy raiky avao.
9
Raha nidigny e tendromboitry indreo, da nandidy andreo i Jesosy, nagnano hoe: "Ka mitatitry an'izao fahitagny izao ndre amin'ia ndre amin'ia mandra-pitsangan'e Zanak'olo ame maty."
10
Nagnotany Anazy gne mpianatry, nagnano hoe: "Nagnino me indreo mpanora-dalàgny gne mizaka fa Elia da tsy maintsy hotonga aloha?
11
Jesosy namaly da nizaka hoe: "Elia da ho avy tokotry da hamerigny ame laoniny gne raha aby.
12
F'izy zakaiko aminareo, fa efa avy Elia, fa indeo tsy nahafantatry anazy. Mifanohitry amin'izany, nagnano gne raha aby izay tiany nanigny taminazy indreo. Da ako izany avakoa, gne Zanak'olo avakoa da hijaly ankatrefan-dreo.
13
Avy teo da azon-dreompianatry fa nizaka tamin-dreo gne momba an'i Jaona mpambotry Batisa Izy.
14
Rehefa tonga tame fokonolo indreo, da nisy lela raiky nagnatogny Anazy, nandohaliky teoanloany, sady nizaka hoe:
15
"Tompo, managna famindram-po amin'e zanako là, fa voan'e androbe izy sady mijaly mafy. Fa matetiky lavo agnaty afo na rano izy.
16
Ninday anazy tamin-dreo mpianatrinao iao, fa tsy afaky nagnasitragny anazy indreo."
17
Namaly Jesosy sady nizaka hoe: "Ry taranaky tsympino sady vilavila toetry, mandra-pahoviagne tokony hipetrahako miaraky aminareo? Mandra-pahovia gne tsy maintsy taretako miaraky aminareo? Indeso amina eto izy."
18
Nizaka mafy gne demonia Jesosy, da nijotso taminazy izany sady da sitragny tamin'izany lera izany gne zazala.
19
Da nagnotany an'i Jesosy mangingigny indreo mpianatry sady nagnano hoe: "Magnino ra tsy nahavita namoaky an'igny iay?
20
Jesosy nizaka andreo hoe: "Noho gne finoanareo kidy. Fa zakaiko marina aminareo, raha managny finoagny ndre da kidy ako gne voatsinampy aza anareo, da afaky mizaka amin'ity temdrombohitry ity anareo hoe: 'Mifindra avy etoa ho etsy; da hifindra izany da tsy hisy ndre ino ndre ino tsy ho ainareo atao.
21
[Fagnamarihagny: Gne dikany e zaka taloha tsara tokotry da tsy ahitagny gne hoe v.21. "Fa ity karazan'e demonia ity da tsy minoaky raha tsy miaraky amin'e vavaky da fifadian-kanigny."]
22
Raha nitoetry ta Galilia indreo, da hoy Jesosy tamindreo mpianatriny hoe: "Gne zanak'olo da hatolotry ankatrefan'olo,
23
da hovonoindreo, da ame andro faha telo da nitsangagny Izy." Lasa nalahelo tokotry indreo mpianatry.
24
Rehefa avy ta Kaperinaomy indreo, da nandea tamin'i Petera indreo lelà nanangogny gnehetra atsasakin'e sekely sady nizaka hoe: "Tsy mandoa gne hetra atsasaky gne sekely me gne mpampianatrinareo?"
25
Hoy izy hoe: "Eka." Fa rehefaniditry tan-dragno Petera , da Jesosy eky e nikoragny taminazy da nagnano hoe: "Ino gn'eritreritrao, Simona? Indreo mpanjaka etoa ambonin'e tany, avy amin'ia gne andresan-dreo hetra na hetran'olo? Avy amin'e fokonolo me sa avy amin-dreo vahiny?"
26
Rehefa nizaka Petera hoe: "Avy amin-dreo vahiny," da hoy Jesosy taminazy hoe: "Da afaky ame fandohavagny anizany gne fokonolo.
27
Fa mba tsy hampanontantsika gne mpamory hetra, da mandehana ame ranimasigny, manorà fitagny ao, da alay gne laoky andarno izay miakatry voalohany. Rehefa voasokatry gne vavany, da hahita sekely anao. Alay izany da omeo andreo mpamory hetry ho Ana da ho anao."