Took faha9

1 Sady ndre da e fagnekegny vôlohany azaky da nanagny fitsipi-pivavahagng sy fitoeragny masigny etoa an-tany. 2 Fa nisy tabernakely izay nomanigny. Gn'efitry vôlohany, izay nisy gne fipetrahan'e jiro, e latabatry, izy and mofon'e fagnatrehagny,bda nantsovagny hoe fitoeragny masigny. 3 Ao ambadik'e lamba faharoy da nisy efitry raiky hafa, nantsovagny hoe tena toeragny masigny. 4 Nisy alitara volamena ho an'e ditin-kakazo magnitry izany. Nisy gne fiaran'e fagnekegny avakoa, izay rakotry volamena tanteraky. Tagn'antin'izany da nisy sing volamena izay nisy e managny, e tehin'i Arona izay nagniry, sady ireo vato fisaky e fagnekegny. 5 Egny ambonin'e fiaran'e fagnekegny, da kerobima be voninahitry maro e magnalotry e rakotry fandrakofagny, izay tsy afaky zakainay amin'e antsipirihany amizao. 6 Refa vôhomagny ireo raha ireo, da niditry tamign'efitry ambadiky tabernakely avao ireo mpisorogny mba hagnano e fanompoan-dreo. 7 Fa gne mpisoronabe avao e niditry indraiky isan-taogny tamign'efitry faharoy,sady niaraky tame rà izay natolotry ho an'e tegnany sy ho an'ireo fahotagny tsy ninian'ireo olo. 8 Nabohakin'e Fanahy Masina fa gne lalagnymegnà ame tena toeragny masigny da tsy nabôky râ mbola tsy mitsangagny e tabernakely vôlohany. 9 Izany da fagnoharagny ho am'izao fotoagny amizao zao. Ireo fagnomezagny izy ame sorogny izay atolotry amizao da samby tsy afaky hahatanteraky e fieritreretan'e mpivavaky raiky. 10 Mifantoky ame sakafo sy zava-pisotro sy karazam-pomba fidiovagny maro esanaky ireo. Ireo agnaby ireo da fitsipiky ho an'e nofitry avakoa izay nomegny mandra-pagnamboaragny e fandaminagny vaovao. 11 Kristy da niavy akô gne mpisoronaben'ireo zavatry tsara izay avy. Nandeha tamign'alalan'e tabernakely zakabe tokôtry sy latatry avakoa izay tsy nanin'e tagnan'olombelogny Izy, izay tsy am'izao tontolo vôahary izao. [Fagnamarihagny: Ireo dikan-teny sanany da mivaky akô izao: "Jesosy da avy akô gne mpisoronaben'ireo zavatry tsara izay ho avy."] 12 Tsy tamin'e ràn'ireo osy lahy sy vantotr'aomby vavy izany, fa tame ràny manokagny izay niditry tamin'e tena toeragny masigny indraiky avao ho an'e rehetra sady niaro e famonjentsika mandrakizay. 13 Fa râ gne ràn'ireo osy izy amign'aomby lahy sady e famafazagny gne lakevon'e vantotr'omby vavy eo amin'ireo izay lasa maloto the manokagny andreo amin'Andriamanitry ho fagnadiovagny e nofotr'indreo, 14 akognaià e fihofan'e ràn'i Kristy, izay nanolotry e Tegnany tsy mjsy kilema ho an'Andriamanitry tamign'alalan's Fagnahy mandrakizay, hagnadio e fieritreretantsika hiala amign'asa maty mba hanompoagny e Andriamanitry velogny? 15 Noho izany antony izany, da Izy gne mpagnalalagny e fagnekegny vaovao. Izany da, satria nisy fahafatesagny raiky nibôky mba hagnaraky ireo izay ambanin'e fagnekegny vôlohany ame fahotan-dreo, da handray e fampagnategnan'e lova mandrakizay ireo izay nantsovagny. 16 Fa râ misy didim-panagnagny, gne fahafatesan'e olo izay nagnano izany da tsy maintsy vôporofo. 17 Fa refa misy fahafatesagny avao vô manan-kery e didim-panagnagny, satria tsy manan-kery izany râ ôtry mbola velogny gn'olo nagnano izany. 18 Ndre da e fagnekegny vôlohany azaky tsy nanigny râ tsy nisy rà. 19 Fa refa nagnome e didy agnaby tame lalàgny tamin'ireo olo agnaby Mosesy, da nangalaky ràn'ireo aomby izy amign'osy, niaraky tamin'e rano, volon'ondry jaky mena, sy hysopa izy, sady namafy tamin'e boky izy amign'olo agnaby. 20 Sady izy nizaka hoe: " Ity e ràn'e fagnekegny izay nandidian'Andriamanitry ho anareo." 21 Da akô izany, da namafy rà tame tabernakely izy ame fidobohan'e zavatry agnaby hampiasaigny amin'e fanompoagny izy. 22 Araky gne lalàgny, da saiky e raha agnaby e voadio tame rà. Râ tsy misy fandatsahan-drà da tsy misy famelan-keloky. 23 Noho izany da nilaigny gne tahindilon'ireo zavatry agny an-dagnitry mba ho voadion'e soron'ireo biby ireo. Ndre izany azaky, ireo zavatry e lagnitry mihitsy gne nila nodiovigny tamin'e sorogny tsara tokôtry. 24 Fa Kristy da niditry tame tena toeragny masigny izay nanin'e tanagny, izay tahindilon'e raiky izay tena izy avao. F'izy niditry tan-dagnitry mihitsy Izy, mba hibôky ame fagnatrehan'Andriamanitry ho antsika amizao. 25 Tsy nandeha tao mba hanotry e tegnany imaro Izy, akô gne fagnamboaran'e mpisoronabe, izay miditry ame tena toeragny masigny isan-taogny niaraky tamin'e ràn'e hafa. 26 Fa râ izany e zavatry nibôky, da nila nijaly imaro manomboky tamin'e fagnorenagny izak tontolo izao Izy. Fa amizao da indraiky mandeha avao e nagnabohagny Anazy mba hangalaky e fahotagny amign'alalan'e soron'e tegnany avao. 27 Fa nanigny ho faty indraiky agnaby gn'olo, sady afaran'izany gne ho avy e fitsaragny. 28 Da akô izany avakoa, Kristy, izay mbola natolotry indraiky mba hangalaky e fahotan'e maro, da hibôky fagnindroy, tsy handraraha gn'ota, fa ho an'e famonjegny ireo izay mandigny Anazy ame faharetagny