Toko faha 8
1
Da gne foton'e Raha zakainay da izao: Atsika da managny mpisorogny be izay nipetraky teo antagnankavanan'e seza fiandrianan'e be voninahitry agny an-dagnitry.
2
Izyda mpanompo ao ame toeragny masigny, gne tabernakely marigny izay gne Tompo, fa tsy gn'olo, gne nagnodidgny an'azy.
3
Fa gne mpisoronabe agnaby da notendregny hanolotry fagnomezagny izy ame sorogny. Noho izany da ilaigny gne managny raha ho atolotry.
4
Sady Raha teto an-tany Kristy, da tsy ho mpisorogny sanaky Izy, satria misy ireo izay manolotry fagnomezagny araky gne lalàgny.
5
Indreo da manompo ao ame tabernakely izay taindilo izy ame alotrin'e raha agny an-dagnitry. Izany da akò gne napitandreman'Andriamanitry an'i Mosesy raha izy handeha hagnambôtry gne tabernakely: hoy Andriamanitry hoe: "Hiteo mba ho amboarinao araky gne modely izay efa nabôky anao tegny an-tendrobohitry gne Raha agnaby
6
Fa am'izao I Kristy da nandray asa fanompoagny tsara lavitry. Izany da noho izy mpagnelagnelagny avakoa ame fagnekegny tsara kokoa, izay mifototry and fampagnatenagny tsara kokoa.
7
Fa raha tsy managny tsigny izany fagnekegny voalohany izany, da tsisy nilagny gne fagnekegny faharoy.
8
Fa refa nahita tsigny tamign'olo Andriamanitry, da hoy Izy hoe: "Indro, ho avy gn'andro-hoy e Tompo-refa hagnano fagnekegny vaovao amign'olon'Israely izy amign'olon'i Joda Iao.
9
Da tsy ho akô gne fagnekegny izay naniko niaraky tame razandreo tame andro izay nitondrako andreo tame fagnahy hiala avy tame tanin'Egypta izany. Fa indreo da tsy nipetraky tao ame fagnekeko, sady Iao tsy niraharaha andreo- Hoy gne Tompo.
10
Fa izao e fagnekegny izay hataoko amign'olon'Israely afaran'io andro io-hoy gne Tompo. Ataoko ao an-tsain-dreo e lalagniko, sady ho soratako ao am-pon-dreo avakoa izany. Ho Andriamanitr'indreo Iao, sady indreo ho oloko.
11
Indreo da tsy hampianatry gne mpiara-monigny Izy ame rahalàny aby, hizaka hoe: 'Fantaro e Tompo.' Fa hahafantatry Anà gne rehetra, manomboky ame ten kidy da hatramin'e tena zakabe amindreo.
12
Fa Iao da namindra fo amin'e tsy fahamarinan-dreo, sady tsy hahatsiaro ireo fahotagny esanaky."
13
Amin'e finjakagny hoe "vaovao", da nagnano e fagnekegny vôlohany ho Taloha izy, sady izay efa lany andro sy antitra da efa akaiky ho velogny