Toko faha 10

1 Fa gne lalàgny da alok'e Raha tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik'e Raha io agnaby. Indreo izay magnatogny an'Andriamanitry da tsy afaky gne ho lafatry amign'alalan'e sorogny mitovy amin'izay entindreo mpisorogny isan-taogny. 2 Raha izany tsy efa nitsahatry gne nanolotry iregny sorogny regny me indreo? Amin'izany tranga zany, raha efa nodiovigny indraky avao indreo, da tsy mba hahalala gne ota koa indreo mpivavaky. 3 Fa amin'io sorogny io agnaby da misy fampatsiahivagny e ota isan-taogny. 4 Satria gne ràn'e omby là izy ame osy là da tsy mahavita mangala gne ota. 5 Refa avy teto amin'izao tontolo izao Kristy, da nizaka Izy hoe: "Tsy sorogny na koa fagnatitry gne nirianareo. F'izy, vatagny izay efa nomagninareo ho Ana. 6 Gne fagnatitry nodoragny na sorogny ho an'e ota da tsy nifalianao. 7 Sady hoy Iao hoe: "Hiteo, inty Iao, araky izay voasoratry momba Ana ao amin'e Soratra Masina mba hagnano gne sitrakareo." 8 Voalohany nizaka Izy hoe: "Tsy sorogny, na koa fagnatitry, na fagnatitry nodoragny, na sorogny ho an'e ota gne nirinareo. Sady Anao tsy nifaly tao amindreo." Indreo da sorogny izay atolotry araky gne lalàgny. 9 Sady nizaka Izy hoe: "Hiteo, inty Iao hagnano gne sitrakareo." Izy da nangala gne fampiharagny voalohany mba hametrahagny gne fampiharagny faharoa. 10 Tamin'izany sitraky izany, itsika da nohamasignigny tamign'alalan'e fagnatitry gne vatan'i Jesosy Kristy indraiky avao. 11 Amin'e lafiny raiky, gne mpisorogny rehetra da mijoro isan'andro manompo an'Andriamanitry. Izy da manolotry sorogny mitovy fezay, ndre izany aza indreo da tsy afaky mangala e ota mihintsy. 12 Amin'e lafiny raiky hafa, Kristy da nanolotry sorogny raiky ho an'e ota mandrakizay, nidoboky teo an-tagnan'ankavanan'Andriamanitry Izy. 13 Izy da mandigny mandra-pagnamboaragny gne fahavalony ho fitoeran-tomboky ho an'e tombony. 14 Fa tamin'e fagnatitry raiky izy da nahalavorary mandrakizay indreo izay nohamasignigny. 15 Gne Fanahy Masina koa da mijoro vavolombelogny ho antsika. Fa tamin'e voalohany Izy nizaka hoe: 16 "Ity gne fagnekegny izay ho aniko miaraky amindreo afaran'io andro io aby, hoy gne Tompo. Hapetraky ao am-pondreo gne lalàko, sady hanoratry an'izany ao an-tsaindreo Iao. 17 Tsy hahatsiaro gne ota izy ame helokindreo sanaky Iao." 18 Sady ndre aia misy famelagny zany, da tsy misy sorogny ho an'e ota sanaky. 19 Noho izany, rahalà, itsika da managny fahatokiagny gne hiditry ao amin'e toeragny Masina indrindra tamin'e ràn'i Jesosy. 20 Izany gne lalagny vaovao sady velogny izay nosokafagny ho antsika tamign'alalan'e lamba, izany hoe, tamign'alalan'e nofony. 21 Satria itsika da managny mpisorogny zakabe mitandrigny gne tragnon'Andriamanitry, 22 aoky itsika hagnatogny amin'e fo madio amin'e finoagny feno fahatokiagny, mba hanagnantsika fo voadio amin'e fieritreretagny ratsy sady hanagnantsika vatagny voadio tamin'e rano madio. 23 Aoky itsika hitazogny mafy gne fagnekegny gne fiandrandragny mahatokintsika, tsy am-pihozongozognagny, satria Andriamanitry, izay nampagnantegna, da mahatoky. 24 Aoky itsika handiniky gne fomba handrisihagny gne tsikiraikiraiky amin'e fitiavagny izy ame asa tsara. 25 Aoky itsika tsy hagnajanogny gne fiarahagny miangogny, akô gne nanin'e sasany. F'izy, mifankahereza fezay fezay, samindraky fa hitanareo fa magnakaiky gne andro. 26 Fa raha toa itsika minia manota refa avy nandray gne fahalalagny gne marigny, da tsy misy fagnatitry ho an'e ota sanaky. 27 F'izy, tokagny avao gne fandignasagny mahatahotry gne fitsaragny, sady fahavigniragny mirehitry izay hamotiky gne fahavalon'Andriamanitry. 28 Ndre ia ndre ia nandà gne lalàn'i Mosesy da ho faty tsy misy indrafo amin'e fijoroagny vavolombelondreo roa na telo izay nagnatri-maso. 29 Fagnasaziagny ratsy lavitry akognaia gne eritreretinareo fa mendriky andreo izay nagnitsaky gne Zanak'Andriamanitry, izay nagnano gne ràn'e fifagnekegny ho tsy masina_E rà izay nagnamasignagny Anazy_sady nagnaratsiratsy gne Fanahin'e fahasoavagny? 30 Fa itsika mahalala e raiky izay nizaka hoe: "Ana gne valifaty; Iao gne hamaly." Da hoe: "Gne Tompo da hitsara gne olony." 31 Raha mampitahotry gne hilatsaky eo an-tanagnin'e Andriamanitry velogny! 32 Fa tadidio gne andro taloha, refa nohazavaigny anareo, gne fomba niharetanareo gne ady mafy tamin'e fijaliagny. 33 Anareo da nalaigny baraka ampahibemaso tamin'e fagnaratsiagny da tamin'e fagnenjehagny, sady anareo da niaraky nizara tamindreo izay nandalo fijaliagny akô izany. 34 Satria anareo da nanagny fangoraham-po tamindreo izay voafonja, sady anareo da nagneky tamim-pifaliagny gne fangalàgny gne fanagnanareo. Da nahalala anareo fa gne tegnanareo da managny fanagnagny tsara kokoa sady maharitry mandrakizay. [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny taloha da tsy hahitagny gne fehezanteny hoe: "Fa anareo da nanagny fangoraham-po tamin'e gadrako."] 35 Noho izany da ka ariagny gne fahatokisanareo, izay managny valisoa zakabe. 36 Fa anareo da mila faharetagny, mba hahazaoanareo izay nampagnantegnain'Andriamanitry, refa nagnano gne sitrapony anareo. 37 Fa tsy ho ela sanaky, e raiky izay ho avy da ho avy tokôtry sady tsy ho tara. 38 Gne oloko marigny da hivelogny amin'e finoagny. Raha mihemotry izy, Iao da tsy ho faly aminazy." 39 Fa itsika da tsy agnisandreo izay mihemotry ho amin'e faharavagny. F'izy, itsika da agnisandreo izay managny finoagny ho amin'e fitazonagny gne fagnahintsika.