Toko faha 10
1
Sady gne finoagny gne antoky amin'e Raha nidiasagny tamim-pahatokiagny. Io gne porofon'e zava-mitranga izay mbola tsy hita.
2
Fa noho izany ireo razambe da nankatoavigny nohon'e finoandreo.
3
Amin'e finoagny gne hahalalantsika fa gne didin'Andriamanitry gne namorognagny izao tontolo izao, ka izay hita maso da tsy nanigny tamin'e Raha izay hita maso.
4
Tamin'e finoagny gne nanoloran'i Abela fagnatitry tsara kokoa ho an'Andriamanitry noho gne an'i Kina, tamign'alalan'izany gne nagnambarany anazy ho marigny, sady Andriamanitry nizaka anazy tsara noho gne fagnatiny, sady amin'e finoagny gne mbola hizakanan'i Abela, ndre da efa maty aza izy.
5
Tamin'e finoagny gne namindragny an'i Enoka mba tsy ahitany gne fahafatesagny. "Tsy hita izy, satria nalain'Andriamanitry." Fa talohan'e nangalagny anazy, da nijoroagny vavolombelogny fa nankasitrahan'Andriamanitry izy.
6
Sady refa tsy misy finoagny da tsy mety ho ankasitrahany. Satria ilaigny hoe izay magnatogny an'Andriamanitry da tsy maintsy mino fa misy Izy da Izy gne mamaly soa andreo izay mitady Anazy.
7
Tamin'e finoagny Noa, gne nomegny gne hafatry lata amin'Andriamanitry momba gne Raha izay tsy mbola hita, niaraky tamin'e fagnajagny an'Andriamanitry gne nagnamboarany gne sambo izay namonjegny gne ankohonany. Fa tamin'e fagnamboaragny an'izany, gne nagnamelohagny izao tontolo izao sady neviany ho mpandova gne fahamarinagny araky gne finoagny.
8
Tamin'e finoagny Abrahama, refa natsovagny, gne nankato sady nandeha negna amin'e toeragny izay hazaoany ho lova. Nandeha izy, tsy nahalala izay tany nombany.
9
Tamin'e finoagny gne niaignany tagny amin'e tany nampagnantegnaigny akô gne vahiny. Niaigny tagnaty tragno lay izy niaraky tamin'Isaka sy Jakoba, gne mpiara-mandova amin'e fampagnantenagny mitovy.
10
Fa izy nitady e tanàgny izay managny e fagnoregnagny, e tanàgny izay Andriamanitry gne mpamari-tragno sady mpagnori-tragno.
11
Tamin'e finoagny, ndre da Saraha izy tegnany izay momba aza, gne nahazaoan'i Abrahama gne fahafahagny ho ray. Nitranga izany ndre da efa tena antitry aza izy, satria noheverigny akô e mahatoky nomegny e fampagnantenagny izy. [Fagnamarihagny: Misy fagnontaniagny momban'e hoe Gne finoan'i Abrahama sa gne finoan'i Saraha gne navohitry. "Tamin'e finoan'i Saraha, ndre da efa antitry aza izy, gne nahazaoagny gne hery hanagn'anaky, ndre da efa tena antitry aza izy hitondra zaza, satria nihevitry e nagnome gne fampagnantenagny anazy ho mahatoky."]
12
Noho izany, lata amin'izany lelà zany, izay efa ho faty, gne nahaterahandreo izay akô gne kintagny egny an-dagnitry gne hamaroany sady akô gne fasiky magnamorogny gne ranomasigny, izay tsy voaisa.
13
o amin'e finoagny iregny rehetry regny gne maty tsy nandray gne fampagnantenagny. F'izy, tafaran'e hahitagny sady niarahabagny andreo avy alavitry, da nagneky indreo fa vahiny sady sesi-tany ety an-tany.
14
Ho andreo izay mizaka akô izany Raha zany da mazava fa mitady tanindrazagny indreo.
15
Raha nieritreritry gne firenegny izay nialagny indreo, da mety nanagny fahafahagny hiverigny.
16
Fa akô izany, nagniry firenegny tsaratsara kokoa indreo, da izany, e agny an-dagnitry. Noho izany tsy mahamegnatry an'Andriamanitry gne voaantso hoe Andriamanitrindreo, da nagnomagny tanàgny ho andreo Izy.
17
Tamin'e finoagny Abrahama, refa notsapaigny, da nanolotry an'Isaka. Io gne zanany là tokagny izay natolony, izy e nahazo gne fampagnantenagny.
18
Tamin'i Abrahama gne nizaka hoe: "Amign'alalan'Isaka gne hanondroagny gne taranakao."
19
Abrahama da nihevitry fa Andriamanitry da hahavita hanangagny an'Isaka amin'e maty, sady amin'e heviny amin'e ohatry, avy tamindreo gne hazaoany anazy indraiky.
20
Tamin'e finoagny momban'e Raha ho avy koa gne nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao.
21
Tamin'e finoagny Jakoba, tamin'Izy efa ho faty, gne nitso-drano gne Zanak'i Josefa tsiraidraiky aby. Nivavaky Jakoba, nilejagny tamin'e lohan'e tehiny.
22
Tamin'e finoagny Josefa, refa nagnakaiky gne fiafarany, gne nikoragny e fiaingan'e Zanak'Israely lata agny Egypta sady nagnafarany gne amin'e tolagny.
23
Tamin'e finoagny Mosesy, refa teraky izy, da nafinin'e ray aman-dreniny nandritry gne telo volagny satria hitandreo fa zaza tsara Izy. Tsy natahotry gne didin'e mpanjaka indreo.
24
Tamin'e finoagny Mosesy, tafaran'e nahazakabe anazy, gne nandà e hagnatsovagny anazy ho zanaky làn'e zanaky viavin'i Farao.
25
F'izy, nisafidy gne hijaly niaraky tamin'e olon'Andriamanitry izy, akô izay hankatia gne fahafinaretan'e fahotagny mandritry gne fotoagny fohy.
26
Nizaka izy hoe gne fahafaham-baraka amin'e fagnarahagny an'i Kristy da haregny zakabe noho gne haren'i Egypta. Satria nampifantoky gne masony tamin'e valisoany izy.
27
Tamin'e finoagny gne nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy nalia gne fahavigniran'e mpanjaka izy, fa niaritry an'izany akô gne nahitany e tsy hita maso.
28
Tamin'e finoagny gne nitandremagny gne Paska izy ame Famafazagny gne rà, mba tsy hikasiky gne Zanaky lahimatoandreo Israelita gne mpandringagny gne Zanaky lahimatoa.
29
Tamin'e finoagny gne niampitandreo gny Ranomasigny Mena akô gne magnitsaky tany maigny. Refa nagnandragny nagnano an'izany indreo Egyptiana, da voateligny indreo.
30
Tamin'e finoagny gne nirodagnan'e mandan'i Jeriko, refa avy nagnodidigny nandritry gne fito andro indreo.
31
Tamin'e finoagny gne tsy nahafaty an'i Rahaba igny mpivarotegna niaraka tamindreo mpaniasia igny, satria nandray gne mpisafo tany tamin'e fiadanagny izy.
32
Ino avakoa gne azoko zakaigny? Fa ho lany gne fotoako raha miresaky momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, da momban'e mpaminany iao.
33
Tamign'alalan'e finoagny gne nazahoandreo gne fanjakagny, niasa ara-drariny, sady nandray gne fampagnantenagny. Nagnakatogny gne vavan'e liogny indreo,
34
namono gne herin'e afo, nandositry gne lelan'e sabatry, sitragny tamin'e aretigny, lasa nahery agn'ady, sady nandresy gne tafiky vahiny.
35
Nitsangagny tamin'e maty tamin'e fananganan-ko velogny gne viavy. Indreo hafa da nampijaligny, tamin'e tsy fagnekegny gne famotsoragny mba hazaoandreo fitsanganagny tsara kokoa.
36
Gne hafa da notsapaigny tamin'e fagnesoagny izy ame famangoagny, eny fa ndre da gne fatotry izy ame fagnagadragny aza.
37
Notoraham-bato indreo. Notsofaigny hizara roa indreo. Novonoigny tamin'e sabatry indreo. Nirerirery sady nisikigny hoditr'ondry da hoditr'osy indreo. Sahiragny indreo, nampihorohoroagny, nampahoriagny. [Fagnamarihagny: gne dikan-teny sasany taloha da mivaky hoe: "Notoraham-bato indreo. Notsofaigny hizara roa. Nampandalovigny fitsapagny. Novonoigny tamin'e sabatry."]
38
Izao tontolo izao da tsy mendriky andreo. Nirerirery tagny agn'efitry, tagny amin'e rendrombohitry, tagny amin'e lava-bato, sady tagny amin'e lavaky ambanin'e tany indreo.
39
izy io olo agnaby io da neken'Andriamanitry nohon'e finoandreo, tsy nandray gne fampagnantenagny indreo.
40
Nagnomagny Raha tsara kokoa ho atsika Andriamanitry, mba tsy ho lavorary indreo, raha tsy misy atsika.