Toko faha 12
1
Noho izany, satria itsika voadidigny vavolombelogny maro be akô gne rahogny, da andeha itsika hamela gne vesatry rehetra izy ame fahotagny maro magnodidigny atsika. Andeha itsika hihazakazaky am-paharetagny gne fihazakazahagny izay nadoboky teo alohantsika.
2
Andeha itsika hitandrigny amin'i Jesosy, gne mpampiatomboky izy ame mpagnantanteraky gne finoagny. Fa nohon'e hafaliagny izay napetraky teo agnoloany, da niaritry gne hazofijaliagny Izy, tsy niraharaha gne hegnatr'izany, sady nidoboky teo an-tagnan'an-kavanan'e seza fiandrianan'Andriamanitry.
3
Noho izany eritrereto gne momba Anazy, e raiky izay niaritry fanoheragny akô izany avy tamin'e mpanota hanohitry gne tegnany, mba tsy ho valaky ao am-ponareo anareo ka hilavo lefogny.
4
Tsy mbola nanohitry anareo na nikezaky hanohitry gne fahotagny hatramin'e fahalatsahan-drà,
5
da adignonareo gne fampaherezagny izay nampianarigny anareo akô gne amin'e zanaky hoe: "Zanako là, k'aza magnamaivagny gne fitsipiky gne Tompo, ndre mihavalaky raha ahitsiny anareo."
6
Fa gne Tompo magnafay gne rehetra izay tiany, sady Izy magnasazy gne zanaky tsiraidraiky izay raisiny.
7
Miareta fijaliagny akô gne fitsipiky. Andriamanitry da mitondra anareo akô gne Zanaky. Fa zanaky ino gne teo ka tsy nofaizin'e rainy?
8
Fa raha tsy managny fitsipiky anareo, izay anagnan'e olo agnaby, da zazasary anareo fa tsy zanany.
9
Sady, nanagny gne ray ara-nofo akô gne mpagnafay itsika, da nagnaja andreo itsika. Tsy tokony hankato kokoa gne Rain'e fagnahy me itsika sady ho velogny?
10
Fa etsy andaniny, gne raintsika nagnafay antsika nandritry gne andro vitsy araky izay marigny tamindreo.
11
Nefa gne ankilany, Andriamanitry nagnano an'izany ho an'izay tsara ho atsika mba hafahantsika managny anjara amin'e fahamasinagny. Tsy misy famaizagny mitranga ho mahafinaritry, fa manaintaigny aza. F'izy izany afara kely da mamokatry gne vokatry feno fiadanan'e fahamarinagny ho andreo izay nozarigny tamin'izany.
12
Noho izany hatanjaho gne tegnanareo izay miraviravy izy ame tsopokinareo malemy.
13
Magnamboara lalagny mahitsy ho an'e tombonareo, mba izay malemy da tsy hipitsoky fa ho sitragny aza.
14
Magnenjeha fiadanagny miaraky amin'e olo agnaby, da gne fahamasinagny avakoa izay tsy hahitan'ia na ia gne Tompo raha tsy miaraky amin'izany.
15
Mitandrema mba tsy hisy na ia na ia tsy hanagny gne fahasoavan'Andriamanitry, sady tsy hisy fangalan'e fahangidiagny mitombo hiteraky korontagny, mba tsy ho maro gne lasa voaloto amin'izany.
16
Mitandrema mba tsy hisy fijangajangagny ndre olo tsy an'Andriamanitry ako I Esao, izay nivarotry gne fizokiagny ho an'e hanigny raiky.
17
Fa anareo mahalala fa refa afaky izany, refa nagniry gne handova gne fitahiagny izy, da nolavigny, satria tsy nahita iriky amin'e fibebahagny izy, ndre da nitady an'izany tamin-dranomaso aza.
18
Fa anareo tsy avy teo amin'e tendrombohitry izay tsy azo kasihigny, tendrombohitry gne afo mandoro, haizigny, fahamaizignagny, da tafiotry.
19
Anareo da tsy avy teo amin'e trompetra magneno mafy, na teo amin'e feo izay mizaka gne zaka izay gne mpihaino zany da nangataky mba tsy hisy zaka hafa ho zakaigny amindreo.
20
Fa indreo tsy afaky niaritry izay nodidiagny hoe: "Fa ndre da gne biby mikasiky gne tendrombohitry aza, da tsy maintsy ho toraham-bato izany." [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da mivaky akô izao: ""Fa ndre da biby raiky izay mikasiky gne tendrombohitry aza, da tsy maintsy ho toraham-bato izany ndre ho vonoigny amin'e zana-tsipiky.""]
21
Fa mampalia loatry e fahitagny izay nozakain'i Mosesy hoe: "Mihorohoro Iao sady mangitakitaky."
22
Fa anareo kosa, da avy teo amin'e tendrombohitry Ziona sady teo amin'e tanàgnin'Andriamanitry velogny, gne Jerosalema agny an-dagnitry, da teo amin'e anjely an'alin'aligny tamin'e fankalazagny.
23
Anareo da avy teo amin'e antokon'olon'e voalohan-teraky, izay voasoratry agnara agny an-dagnitry. Anareo da avy teo amin'Andriamanitry, e Mpitsara gne rehetra, sady teo amin'e fagnahin'e olon'e fahamarinagny izay nanigny tonga lafatry.
24
Anareo da avy teo amin'i Jesosy, e mpagnalalagny gne fagnekegny vaovao, sady teo amin'e rà latsaky izay tsara kokoa noho gne ràn'i Abela.
25
Aoka anareo tsy handà e raiky izay mizaka. Fa raha tsy nilefa indreo tamindreo nandà gne raiky izay nampitandrigny andreo teto an-tany, da kidikidy gne hilefatsika raha mihodigny amin'e raiky izay nampitandrigny antsika avy agny an-dagnitry itsika.
26
Tamin'e fotoagny raiky, gne feony nagnozongozogny gne tany. Fa amin'izao Izy nampagnantegna sady nizaka hoe: "Mbola hagnozongozogny indray mandeha tsy gne tany avao iao, fa gne lagnitry avakoa."
27
Ireo teny ireo, "Indray mandeha koa", da midika gne famindragny gne Raha izay afaky hozongozognigny, izany da, gne Raha izay nohariagny, mba mitoetry gne Raha izay tsy azo hozongozognigny.
28
Noho izany, satria mandray fanjakagny izay tsy azo hozongozognigny, da aoky ho mpankasitraky itsika sady amin'izany fomba izany da hidera an'Andriamanitry am-pagnajagny fatratry sy amin-tahotry.
29
Fa gne Andriamanintsika da afo mandevogny.