Toko faha-13
1
Aoky hitohy e fitiavagny ara-pirahalahiagny.
2
Ka magnadigno gne fampiantranoagny ireo vahiny. Fa tamign'alalan'izany, gne nagnasehoan'e sanany fampiantranoagny ireo anjekply nefa tsy fantatriny izany.
3
Tsarovy ireo voafonja, akô gne hoe niara-nifehy tamin-dreo anareo. Tsarovy ireo izay nampahoriagny, akô the hoe indreo avakoa anareo ame vatagny.
4
Aoky ho hajain'd tsikirairaiky e fanamariagny. Aoky e fandrian'e fanambadiagny mba hadio, fa Andriamanitry da hitsara ireo mpangala-badjn'olo izy ame mpijangajanga.
5
Avelay e fitondran-tegnanareo ho afaky ame fitiavam-bola. Mifalia amin'ireo zavatry izay hanagnanareo, satria Andriamanitry tokôtry da mizaka hoe: "Iao da tsy hiala anareo mihitsy, ndre hahafohy anareo magnano akore."
6
Aleo isika ho ravo mba ho sahy hizaka hoe: Gne Tompo e Mpamonjiko; ka tsy hatahotry iao. Ino gn'azon'olo anigny aminà?"
7
Diniho ireo mpitaraky anareo, ireo izay nizaka e Tenin'Andriamanitry taminareo, sady hevero e vokatrin'e fihetsik'indreo. Alay tahaky e finoan-dreo.
8
Jesosy Kristy da tsy miova omaly, sy anio, sady mandrakizay.
9
Ka magneky tominy amin'ireo kazaragny fampianaragny hafahafa. Fa tsara râ tokony hamafisigny ame fahasoavagny e fo, fa tsy amin'e hanigny izay tsy magnampy ireo izay mandeha miaraky amindreo.
10
Isika da manigny alitara izay tsy anagnanareo izay manompo gne tabernakely fahefagny hihinagny.
11
Fa e ràn'e ota da nindesin'e mpisoronabe tame toeragny masigny, nandritr'izany e vatandreo da norohagny t'ambadik'e toby.
12
Noho izany Jesosy avakoa da nijaly t'ambadik'e vavahadin'e tanàgny, mba hagnamasigny e fokonolo amign'alalan'e ràny manokagny.
13
Andeha isika noho izany ho an'e Aminà ambadik'e toby, hinday gne fahafaham-barakany.
14
Fa tsy managny tanàgny maharitry isika ety. F'izy, mandigny e raiky izay ho avy isika.
15
Amign'alalany, sarô, da andao isika hanolotry ireo fagnati-pideragny ho an'Andriamanitry fehizay, fideragny vokatry e molotry izay magneky gn'agnarany.
16
Aleo tsy adignontsika e magnano e tsara sy magnampy gne tsikiraikiraiky aby, fa amin'e fagnantitry akô izany e tena maharavo an'Andriamanitry.
17
Mankatoava sy magneké ireo mpitariky anareo, fa indreo e miteza gne fagnahinareo, akô ireo izay hagnano tatitry. Mankatoava mba hagnano izany am-pifaliagnyi ireo mpitondra anareo, fa tsy am-pisentoagny, izay lasa tsy misy dikany ho anareo.
18
Mivavaha ho anay, fa iay da nino fa managny feon'e fieritreretagny madio sady magniry hiaigny am-pahamarinagny e raha agnaby.
19
Magnatosiky anareo zakabe tokôtry iao mba hagnano izany, da mba hipody malaky aminareo iao.
20
Sady gn'Andriamanitry e fiadanagny, izay nanangagny tame maty e mpiandry ondry zakabe, e Tompontsika Jesosy, tamign'alalan'e ràn'e fagnekegny mandrakizay,
21
da hagnatsara anareo amign'asa tsara agnaby mba hagnamboaragny e sitrapony. Izy anie hiasa ao agnantintsika izay tena ankasitrahagny agnatrehany, amign'alalan'i Jesosy Kristy, izay homegny e voninahitry mandrakizay. Amena.
22
Sady mampahery anareo iao, ry rahalà, mba hizaka e tenin'e fampaherezagny izay nosoratako foiky ho anareo.
23
Fantaro f'efa afaky Timoty rahalàntsika, izay hiaraky aminà hagnety anareo râ avy aloha izy.
24
Ataovy veloma ireo mpitariky anareo agnaby izy ame mpino agnaby. Ireo izay avy agny Italia da magnano veloma anareo.
25
Ho aminareo agnaby anie e fahasoavagny.