Toko faha 4

1 Fa gne mpisoronabe rehetra, voafidy avy tamin'e olo, da notendregny mba hiasa amign'agnaran'e olo amin'e Raha mahakasiky an'Andriamanitry, ka mba hanoloragny fagnomezagny sy fagnatitry ho an'e ota. 2 Izy da afaky mifagnaraky mora amin'e tsy mahalala izy ame maniasia satria izy tegnany avakoa da voadidin'e fahalemegny. 3 Noho izany, izy avakoa da notakiagny hanolotry sorogny ho an'e otany manokagny, akô gne naniny ho an'e otan'olo. 4 Tsy ho an'e tegnany gne handraisan'e olo izany voninahitry zany. F'izy, izy da nantsovan'Andriamanitry, akô i Arona. 5 Da akô izany, Kristy tsy mba nagnome haja gne tegnany mihintsy tamin'e fagnamboarany gne tegnany ho mpisoronabe. F'izy, e raiky izay niresaky taminazy nizaka hoe: "Zanako Anao; anio da Lasa Rainao Iao." 6 Akô izany avakoa gne nozakainy tagny amin'e toeran-kafa hoe: "Anao da mpisorogny mandrakizay araky gne fomban'i Melkizedeka." 7 andritr'io andron'e nofony io, Kristy nanolotry vavaky sy fangatahagny niaraky tamin'e toreo mafy da ranomaso an'Andriamanitry, e raiky izay afaky mamonjy Anazy amin'e fahafatesagny. Re Izy nohon'e fangorahany. 8 Ndre da zanaky aza Izy, da nianatry fankatoavagny tamin'e Raha izay niaretany. 9 Nanigny ho tonga lafatry Izy da lasa, ho an'e olo rehetra izay mankato Anazy, e loharanon'e famonjegny mandrakizay. 10 Da notendren'Andriamanitry akô gne mpisoronabe Izy araky gne fomban'i Melkizedeka. 11 Manan-kambara maro momban'i Jesosy iay, fa sarotry gne magnazava an'izany hatramin'e naha-lalindalovagny gne fandregnesanareo 12 Fa amin'izao fotoagny izao da tokony ho mpampianatry anareo, anareo da mbola mila olo hampianatry anareo gne fitsipiky fototry gne hafatr'Andriamanitry. Ronono gne ilainareo, fa tsy vetin-tsakafo! 13 Fa gne olo izay misotro ronono fotsiny da tsy ampy traikefa amin'e hafatry gne fahamarinagny, satria izy da mbola zaza madiniky. 14 Fa gne ventin-tsakafo da ho andreo zakabe. Indreo da izay voahofagny tamin'e fagnavahagny gne tsara amin'e ratsy gne fahatakaragny nohon'e fahamatorandreo.