Toko faha 6
1
Noho izany, andeha havelantsika gne fiantombohan'e hafatr'i Kristy da handroso amin'e fahamatoragny. Andeha itsika tsy hametraky indraiky gne fototry e fibebahagny nohon'e asan'e maty izy ame finoagny an'Andriamanitry,
2
ndre gne fototry gne fampianaragny momban'e batisa, gne fametrahantagna, gne fitsanganan'e olo maty, sady gne fitsaragny mandrakizay.
3
Hagnano an'izany avakoa itsika raha avelan'Andriamanitry.
4
Fa tsy hay anigny ho andreo izay efa nohazavaigny indray mandeha izany, izay nagnandragny gne fagnomezagny lata an-dagnitry, izay nandray gne Fanahy Masina,
5
sady izay nagnandragny gne teny tsaran'Andriamanitry izy ame herin'e vanim-potoagny ho avy,
6
saingy avy eo da lavo_tsy hay anigny gne mamerigny andreo amin'e fibebahagny indraiky. Izany da satria noboandreo ho an'e tegnandreo indraiky gne Zanak'Andriamanitry, sady nalainy baraka ampahibemaso.
7
Fa gne tany izay mitroky gne eriky mateti-piavy amin'izany, sady izay mamokatry gne raha-mitsiry ilaindreo olo izay niasagny gne tany_io gne tany izay mandray fitahiagny avy amin'Andriamanitry.
8
Fa raha mamokatry fantsy izany, da tsy misy ilàgny anazy sady efa akaikin'e fagnozognagny. Gne fiafaran'izany da amin'e firehetagny.
9
Fa iay da resy lahatry gne amin'e Raha tsara kokoa momba anareo, ô malala, Raha izay mahakasiky gne famonjegny, ndre da mizaka akô izany aza iay.
10
Fa Andriamanitry da tsy mba tsy marigny ka hagnadigno gne asanareo izy ame fitiavagny izay nabôkinareo nohon'e agnarany, satria anareo da nanompo ireo mpino sady mbola manompo andreo avao.
11
Magniry mafy iay mba haneho fahazotoagny akô izany hatramin'e farany gne tsikiraikiraiky aminareo ho an'e antoky gne fahatokiagny feno.
12
Izany da mba tsy ho lasa kamo anareo, fa ho mpangala-tahaky andreo izay mandova gne fampagnantenagny amin'e finoagny sy faharetagny.
13
Fa tamin'Andriamanitry nagnano gne fampagnantenagny tamin'i Abrahama, da niagniagny tamin'e Tegnany Izy, refa tsy afaky niagniagny tamin'e olo zakabe kokoa.
14
Hoy Izy hoe: "Iao da hitahy anao tokôtry, sady Tena hahamaro anao."
15
Tamin'izany fomba zany, da nahazo izay nampagnantegnaigny tafaran'e nandignasagny tamim-paharetagny Abrahama.
16
Fa gne olo da miagniagny amin'e olo izay zakabe kokoa noho gne tegnandreo. Isakign'e tapitry gne fifamaliandreo, da misy voady raiky natao ho fagnamafisagny.
17
Rehefa nanapa-kevitry gne hampiseho mazava kokoa tamindreo mpandovan'e fampagnantenagny gne tsy fiovan'e kalitaon'e tanjogny Adriamanitry, da nomegny antoky tamin'e voady izany.
18
Naniny izany mba ho amign'alalan'e Raha tsy azo ovaigny anankiroa _ izay tsy hain'Andriamanitry gne mavandy amin'izany_ da hanagny fampaherezagny matanjaky mba hitazonagny mafy gne fahatokiagny izay nadoboky teo agnoloantsika, itsika, izay nandositry mba hanagny fialofagny.
19
Managny izany toky zany itsika ho aro sy vatofantsiky azo hiankinagny ho an'e fagnahintsika, fahatokiagny izay miditry ao amin'e fitoeragny agnatiny ao ambadiky gne lamba.
20
Jesosy niditry tao amin'izany fitoeragny izany akô gne mpialoha lalagny ho antsika, da lasa mpisoronabe mandrakizay magnaraky gne fomban'i Melkizedeka.