Toko faha 4

1 Noho izany, aoky hitandrigny tsara itsika mba tsy hisy aminareo gne tsy afaky nahatratry gne teny fampagnantenagny navela ho anareo mba hidiranareo ao amin'e fitsaharan'Andriamanitry. 2 Fa itsika da nagnambaragny gne vaovao mahafaly akô andreo. Fa izany hafatry zany da tsy nisy tombony ho andreo izay tsy nitambatry tao amin'e finoagny niaraky tamindreo izay nankato. ('Fagnamarihagny: gne dikan-teny sasany da mivaky akô izao: "Fa izany hafatry zany da tsy nisy tombony ho andreo izay nandre anazy tamin'e tsy finoagny.") 3 Fa itsika izay nino da indreo izay hiditry amin'izany fitsaharagny zany, araky izay efa nozakainy hoe: "Akô gny niagniagnako tamin'e fahavignirako, da tsy hiditry velively ao amin'e fitsaharako indreo." Fa ndre izany koa aza, gne asa famorognagny da vita tamin'e fagnoregnagny izao tontolo izao. 4 Fa izy nizaka tagny ho agny momban'e andro faha-fito hoe: "Andriamanitry nijanogny tamin'e andro faha-fito tamin'e asany rehetra." 5 Sady mbola nizaka indraiky Izy hoe: "Indreo da tsy hiditry velively ao amin'e fitsaharako." 6 Noho izany, satria mbola voatokagny ho an'e sasany gne fidiragny ao amin'e fitsaharagny, ary satria maro indreo Israelita nandre gne vaovao mahafaly tsy niditry tao nohon'e tsy fankatoavagny, 7 da nametraky andro raiky indraiky nantsoigny hoe: "Androany" Andriamanitry. Tafaran'e andro maro, da nikoragny tamign'alalan'i Davida Izy, akô izay voazaka mialoha hoe: "Anio raha mandre gne feony anareo, da ka magnamafy gne fonareo." 8 Fa raha Josoa gne nagnome fitsaharagny andreo, da tsy nikoragny momban'e andro raiky hafa Andriamanitry. 9 Noho izany da mbola misy Sabata fitsaharagny voatokagny ho an'e vahoakan'Andriamanitry. 10 Fa izay miditry ao amin'e fitsaharan'Andriamanitry da nitsahatry tamin'e asany avakoa, akô gne nanin'Andriamanitry tamin'e Anazy. 11 Noho izany aoky itsika hazoto hiditry amin'izany fitsaharagny zany, mba tsy hisy ndre raiky aza ho tafalatsaky amin'e karazagny tsy fankatoavagny izay nanindreo. 12 Fa gne tenin'Andriamanitry da velogny sy mandaitry sady marangitry noho gne sabatry roa lela. Izany da manindrogny hatramin'e fagnasarahagny gne aigny amin'e Fagnahy, izy ame tognogny amin'e tsoka mihintsy aza. Ka afaky fantarigny gne eritreritry gne fo izy ame fikasagny. 13 Tsy nisy famorognagny niafigny teo agnatrehan'Andriamanitry. F'izy, gne Raha agnaby da miharihary sady misokatry eo imason'e raiky izay tsy maintsy hampamoahintsika. 14 Noho izany, satria da managny mpisoronabe zakabe izay lasa namaky gne lagnitry, Jesosy Zanak'Andriamanitry, da andeha itsika hifikitry mafy amin'e finoantsika. 15 Fa itsika da tsy managny mpisoronabe izay tsy mahatsapa fangorahagny amin'e fahalementsika. F'izy, itsika da managny olo raiky izay efa nalaim-pagnahy tamin'e fomba rehetra akô antsika, saingy Izy tsy misy ota. 16 Aoka ary itsika andeha amin'e fahatokiagny ho agny amin'e seza fiandrianan'e fahasoavagny, mba handraisantsika gne famindram-po sady hahita fahasoavagny hagnampy amin'e fotoagny ilàgny an'izany.