Toko faha 3
1
Noho izany, Ô rahalà Masigny, nizara gne antson'e lagnitry anareo. Eritrereto gne momban'i Jesosy, gne Apostoly izy ame mpisoronabe izay ekentsika.
2
Izy da nahatoky an'Andriamanitry, izay nanendry anazy, akô i Mosesy izay nahatoky tan-dragnon'Andriamanitry avakoa.
3
Fa Jesosy da efa noraisigny mendriky gne voninahitry zakabe noho Mosesy, satria izay magnorigny gne tragno no manan-kaja bebe kokoa noho e tragno.
4
Fa gne tragno agnaby da nisy olo nagnorigny, fa gne raiky izay nagnorigny gne Raha agnaby da Andriamanitry
5
Amin'e lafiny raiky, Mosesy da natokisagny akô mpanompo tan-dragnon'Andriamanitry raiky manontolo. Izy gne vavolombelogny momba gne Raha izay tokony efa nozakaigny amin'e ho avy.
6
Fa Kristy no Zanaky miandraikitry gne tragnon'Andriamanitry. Itsika gne tragnony raha toa ka mitazogny mafy gne herim-po izy ame fahatokiantsika itsika.
7
Noho izany, izany da akô gne zakain'e Fagnahy Masigny hoe: "Anio, raha mandre gne feony anareo
8
da ka magnamafy gne fonareo akô gne amin'e fikomiagny, amin'e fotoan'e fitsapagny agny agn'efitry.
9
Akô izany gne razambenareo rehefa nikomy tamign'alalan'e fitsapagny Ana, sady rehefa, nandritry gne efapolo taogny, da hitandreo gne asako.
10
Noho izany da tsy faly Iao amin'io taranaky io.
11
Hoy Iao se: "Indreo da voatariky mandrakariva agny amin'e lalan-diso ao am-pony. Tsy nahalala gne lalako indreo. Akô izany gne niagniagnako tamin'e fahatezerako hoe: 'Tsy hiditry ao amin'e fitsaharako velively indreo."'
12
Mitandrema, ô rahalà, mba tsy hisy na raiky amindreo aza gne hanagny to ratsin'e tsy finoagny, fo izay miala amin'Andriamanitry velogny.
13
F'izy, mifampahereza isan'andro, raha mbola misy gne antsoigny hoe: "Anio", mba tsy hisy aminareo ho mafy fo amign'alalan'e fitaky gne fahotagny.
14
Fa itsika da avy mpiara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mitazogny mafy gne fahatokisantsika Anazy hatragny am-piandohagny ka hatramin'e fiafaragny.
15
Fa gne momba an'izany da efa voazaka hoe: "Anio, raha mandre gne feony anareo, da ka magnamafy gne fonareo, akô gne amin'e fikomiagny."
16
Ia izy izay efa nandre an'Andriamanitry ka nikomy? Fa tsy indreo rehetra izay nijotso avy tagny Egypta tamign'alalan'i Mosesy me izany?
17
Ia gne nahavignitry anazy nandritry gne efapolo taogny? Tsy indreo izay nanota me, izay lavo tagny agn'efitry gne fatindreo?
18
Ho an'ia gne niagniagnagny fa tsy hiditry ao amin'e fitsaharagny indreo, raha tsy ho andreo izay tsy nankato Anazy?
19
Hitantsika fa tsy afaky niditry tao amin'e fitsaharagny indreo nohon'e tsy finoagny.