Toko faha 2

1 Noho izany itsika da tsy maintsy mitandrigny bebe kokoa amin'izany regnintsika, mba tsy hagnara-drenirano amin'izany itsika. 2 Fa raha marigny gne hafatry izay nozakaniny tamign'alalan'e anjely, sady gne fandikan-dalàgne rehetra izy ame tsy fankatoavagny da mandray sazy ara-drariny, 3 da akognaia sa gne hafahantsika milefa raha tsy miraharaha an'izany famonjegny zakabe loatry izany itsika? Io gne famonjegny izay nambaran'e Tompo voalohany sady namafisindreo izay nandre izany tamintsika. 4 Tamin'io fotoagny io avakoa Andriamanitry da nagnaporofo izany tamin'e famantaragny, fahagagagny, da asa mahery samihafa, da tamin'e fizaragny ireo fagnomezam-pahasoavan'e Fagnahy Masigny araky gne sitrapony. 5 Fa tsy tamin'e anjely gne nampagneken'Andriamnaitry izao tontolo izao ho avy, momba izay resahantsika. 6 F'izy, nisy olo nijoro vavolombelogny an'izany tagny ho agny, magnano hoe: "Ino gne olo, no misaigny anazy anao? Na gne Zanak'Olo, no mikarakara anazy anao? 7 Anao da nagnano gne olo ambany kidy noho ireo anjely; nosatrohinao satro-boninahitry tamin'e voninahitry sy dera izy. [Fagnamarihagny: Gne dikan-teny sasany taloha da miampy hoe: "Sady anao nametraky anazy ambonin'ireo asan'e tagnanao."] 8 Gne Raha agnaby da nampagnekenao eo ambanin'e tombony." Fa ho anazy gne nampagneken'Andriamanitry gne Raha agnaby. Tsy namela ndre ino ndre ino izy ka tsy nampagnekeny anazy. Fa amin'izao itsika da tsy mbola mahita gne Raha nampagnekegny anazy agnaby. 9 Fa itsika mahita e raiky izay naniny ambany noho ireo anjely nandritry gne fotoagny fohy: Jesosy, izay, nohon'e fijaliagny izy ame fahafatesagny, da nosatrohigny satro-boninahitry tamin'e voninahitry sy dera. Ka amin'izao tamign'alalan'e fahasoavan'Andriamanitry, gne nagnandramany gne fahafatesagny ho an'e olo agnaby. 10 Fa mety amin'Andriamanitry izany, satria gne Raha agnaby da misy ho Anazy sady amin'e alalany, mba hitondra zanaky maro ho agny amin'e voninahitry. Mety aminazy gne hahavy gne mpitariky gne famonjegny andreo ho feno amign'alalan'e fijaliagny. 11 Fa ndre gne olo izay magnamasigny na indreo izay voamasigny da managny loharano raiky. Noho izany da tsy megnatry magnantso andreo hoe rahalà Izy. 12 Hoy Izy hoe: "Hagnambara gne agnaranao amin'ireo rahalàko Iao, hihira gne momba anao avy ao agnatin'e fivondronagny Iao. 13 Sady koa, "Hatoky anazy iao." Sady koa: "Indro, etoa iao izy ame zanaky izay nomen'Andriamanitry ana." 14 Noho izany, satria nofo aman-drà ireo zanak'Andriamanitry, da nizara Raha akô izany niaraky tamindreo avakoa Jesosy, mba ho amign'alalan'e fahafatesagny gne hagnafoagnany gne raiky izay managny gne herin'e fahafatesagny, da gne devoly izany. 15 Izany da mba hagnafahagny ireo rehetra izay nohon'e tahotry gne fahafatesagny da niaigny gne fiaignan'izy agnaby indreo tao amin'e fagnandevozagny. 16 Fa mazava ho azy fa tsy ireo anjely gne vonjeny, F'izy, gne taranak'i Abrahama. 17 Noho izany da mendriky Anazy gne anigny akô gne rahalàny amin'e fomba agnaby, mba ho mpisoronabe feno famindram-po da fahatokisagny Izy amin'e fifandraisagny amin'ireo rahan'Andriamanitry, sady mba hitondra momban'e famelagny ireo fahotan'e olo. 18 Satria Jesosy mihintsy gne nijaly sady nalaigny Fagnahy, da afaky magnampy ireo izay alaim-pagnahy Izy.