Toko faha 3

1 Koa raha Andriamanitry gne nanangagny anareo niaraky tamin'i Kristy, tadiavo gne raha ambony agny, izay ipetrahan'i Kristy eo an-tanan-kavanan'Andriamanitra. 2 Diniho gne raha ambony agny, fa tsy gne raha eto an-tany. 3 Fa efa maty anareo, sady gne fiainanareo da mifiny miaraky amin'i Kristy ao amin'Andriamanitry. 4 Refa miseho i Kristy, izay fiainanareo, da anareo koa hiara-hiseho aminazy ao amim-boninahitry. [Fagnamarihagny egny ambanin'e pejy: gne dikan-teny taloha sasany mizaka hoe: "Refa miseho i Kristy, izay fiainanareo, da anareo avakoa da hiara-hiseho aminazy am-boninahitry.] 5 Vonoy, avy eo, indreo izay mpikambagny eto an-tany- gne filan-dratsy, fahalotoagny, firehetan'gne filagny, fagniriagny ratsy, da fahatendagny, izay fanompoan-tsampy. 6 Noho io raha io agnaby gne hahatongavan'gne fahavigniran'Andriamanitry amindreo zanaky gne tsy fankatoavagny. [Fagnamarihagny egny ambanin'e pejy: gne dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "Noho io raha io agnaby gne mahatonga gne fahatezeran'Andriamanitry.] 7 Tamin'io raha nandehananareo taloha io agnaby avakoa refa niaigny tao amin'izany anareo. 8 Fa amin'izao fotoagny izao da tsy maintsy magnary an'io raha agnaby io- fahatezeragny, fahavigniragny, gne fikasan-dratsy, gne fanevatevagny, da zaka fahavetavetagny avy amin'e vavanareo. 9 Ka mifampivandy, fa efa narianareo gne toetry taloha miaraky amin'e fampiharagny izany, 10 sady notafinareo gne toetry vaovao izay nohavaozigny ao amin'e fahalalagny araky gne endrik'izay namorogny izany. 11 Ao amin'izany da tsy misy Grika sy Jiosy, voafora izy ame tsy voafora, barbariana, Skytiana ,andevo, olon'afaky, fa i kristy gne rehetra, sady ao amin'e rehetra. 12 Koa, misikina, araky gne maha-olom-boafidin'Andriamanitry, masina sady malala, famindram-po, hatsaram-pagnà, fanetren-tegna, fahalemem-pagnà, da faharetagny. 13 Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Raha misy olo raiky managny fitaraignagny momba gne olo hafa, mamelà ako e namelàn'ny Tompo anareo. 14 Ambonin'e raha agnaby io, manàgna fitiavagny, izay mamatotry antsika amin'e fahatanterahagny. 15 Aoka gne fiadanan'i Kristy hanapaky ao amin'e fonareo. Fa ho an'izany fiadagnagny izany gne niantsoagny anareo ho vatagny raiky. Da misaora. 16 Aoka gne zakan'i Kristy hitoetry maro be ao aminareo. Amin'e fahendregny agnaby mifampianara da mifagnanara amin'e salamo gne fihiragny izy ame hira ara-pagnà. Mihirà amin'e fisaoragny ao am-ponareo ho an'Andriamanitry. 17 Ndre ino ndre ino ataonareo, na amin'e teny na amin'e asa, anivo amign'agnaran'ny Tompo Jesosy gne rehetra. Magnomeza fisaoragny ho an'Andriamanitry izay Ray amin'e alalany. 18 E raviavy, magnekea gne vadinareo, fa izany gne mety ao amin'ny Tompo. 19 E lelà, tiavo gne vadinareo, sady ka masiaky amindreo. 20 Ô anaky e, magnekea gne ray aman-dreninareo amin'e raha agnaby, fa izany gne ankasitrahagny ao amin'ny Tompo. 21 Ô aba, ka magnano izay mampalahelo gne zanakareo, mba tsy ho kivy indreo. 22 Andevo, magnekea gne Tomponareo araky gne nofo amin'io raha agnaby io, tsy amin'e asa eo imaso ako gne olo mpila sitraky, fa amin'e fo tsotry. Matahora gne Tompo. 23 Ndre ino ndre ino ataonareo, miasà avy amin'e fagnànareo ako gne ho an'ny Tompo fa tsy ho an'olo. 24 Lalanareo fa anareo da handray gne valisoan'e lova avy amin'ny Tompo. Izy gne Tompo Kristy izay tompoinareo. 25 Fa izay magnano gne tsy fahamarinagny da handray sazy ho an'e tsy fahamarinagny izay nataony, ary tsy misy fizahan-tava.