Toko faha 2

1 Tiako ho lalanareo gn'azakaben'e tologny namboariko ho anareo, ho andreo agny Laodikia, sy ho an'ireo maro be mbola tsy nahita gne tegnako tame nofo. 2 Miasa iao mba hampahery gne fon-dreo ame fampiraisagny andreo miaraky ame fitiavagny sy gne haregny agnaby ame fahalalagny azo antoky, ho ame fahalalagny gne fahamarinagny miafin'Andriamanitry, izany hoe, i Kristy. 3 Ao ame haren'e fahendregny sy izay fahalalagny rehetra gne miafigny. 4 Mizaka an'izany iao mba tsy hisy hitariky anareo ame lahateny mandresy lahatry. 5 Ndre da miaraky aminareo ame nofo aza iao, da miaraky aminareo ame fagnahy. Faly iao mahita gne filaminagnareo tsara sady gne tanjaky gne finoanareo an'i Kristy. 6 Raha nandray an'i Kristy Tompo anareo, da mandehana amin'azy. 7 Mifotora mafy amin'azy, mioregny amin'azy, mioregny ame finoagny zay efa nampianarigny anareo, ary mazotoa magnome fisaoragny. 8 Mitandrema mba tsy hamela olo hisambotry anareo ame alalan'e filôzôfia na gne fitaky fôgny arak'e fanin'e olo, zay magnaraky gne endriky izao tontolo zao, fa tsy araky an'i Kristy. 9 Fa amin'Azy gne mitoetry gne fahatsaran'e tegnan'Andriamanitry agnaby. 10 Feno anareo amin'Azy ao. Izy gne lohan'e hery sy gne fahefagny agnaby. 11 Tamin'Azy avakoa anareo gne noforaigny tame famoragny zay tsy namboarign' e olombelogny ame fangalagny gne nofo ame tegna, fa tame famoran'i kristy. 12 Niaraky nalevigny tamin'azy tame batisa anareo, ary tamin'Azy gne nananganagny anareo tame alalan'e finoagny maherin'Andriamanitry, zay nanangagny an'azy tamin'izay maty. 13 Tame nahafaty anareo tamin'e fahotagny izy ame tsy fahavitan'e nofotrareo famoragny, izy e namelogny anareo niaraky tamin'azy,sy namela antsika tame fahotantsika aby. [Fanamarihagny: misy dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "ary namela gne fahotantsika aby"] 14 Nofafany gne rakitsoratry gne trosam-pahafahagny sy ireo fitsipiky nifanohitry tamintsika. 15 Nalàny zany raha aby zany da nofantsihiny tame hazo fijaliagny. Nalàny ireo hery sy ireo fahefagny, ary izy da nagnano fampisehoagny ampahibemaso andreo, nadresy mihôtry andreo tame hazo fijaliagny. 16 Koa, aza avela hisy hitsara anareo na ame fihinagny na ame fisotroagny, na ame andro fety, na ame volagny vaovao, na ame andro Sabata. 17 Izany gne alok'ireo raha ho avy, fa gne tena izy da i Kristy 18 Aza avela hisy na ia na ia zay mila gne fanetren-tegna sy gne fideran'e anjely hitsara anareo ka tsy azahoanareo gne lokanareo. Gne olo akoizany da miditry ame raha hitany da manjary mirehareha ame fisainagn'e nofony. 19 Tsy mitazogny e lohany izy. Zany da avy ame loha zay nomen'Andriamanitry gne tegna manontolo magneragny ireo vanin-taolany sy gne hozany zay magnome ka mitazogny zany raha aby zany mitambatry; izany da mitombo miaraky ame fampitomboagny nomen'Andriamanitry. 20 Raha maty niaraky tamin'i Kristy anareo tame endrik'izao tontolo zao, nagnino ary anareo gne miaigny ako gne voatery ame tany: 21 "Aza mihodigny, aza magnandragny, sady ka mikasiky"? 22 Zany raha marobe zany da ho an 'e fahalovagny, araky gne torolalagny sy gne fampianaran' olombelogny. 23 Io fitsipiky io da managny fahendren'e fomba fivavahagny, gne fanetren-tegny zay nataon'e tegnany manokagny sady fampahoriagny gne tegnany. Fa indreo da tsy manan-danja ame fanoheragny gne fandeferagny gne filàn'e nofo.