Toko 1

1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy ame alalan'e sitrapon'Andriamanitry, da i Timoty rahalàntsika, 2 ho ane mpino izy ame rahalà matoky ao amin'i Kristy izay agny Kolosia. Ho aminareo anie e fahasoavagny izy ame fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika. [Fagnamarihagny ambanin'e pejy: misy dikan-teny sasany magnampy hoe: "Ary ny Tompo Jesosy Kristy"]. 3 Magnome fisaoragny an'Andriamanitry antsika, i Aban'e Tompontsika Jesosy Kristy, sady mivavaky ho anareo isanandro iay. 4 Efa renay e finoanareo an'i Kristy Jesosy izy ame fitiavagny izay anagnanareo ho ane voatokagny ho an'Andriamanitry. 5 Managny an'izany fitiavagny izany anareo nohon'e fagnantenagny azo antoky natokagny ho anareo agny an-dagnitry. Renareo e momba an'io fagnantenagny azo antoky io talohan'e zaka ame fahamarinagny, ame Filazantsara, 6 izay avy aminareo. Ity Filazantsara ity da mitondra vokatry sady mitombo ho an'izao tontolo izao. Izany da efa nagnano an'izany taminao avakoa nanomboky tame andro naregnesanao anazy sady nianaranao e momba e fahasoavan' Andriamanitry ao ame marigny. 7 Ity e Filazantsara izay arak'e nianaranareo tamin'i Eprafa, da gne mpiara-manompo malalantsika, izay mpanompo mahatoky an'i Kristy ame agnarantsika. [Fagnamarihagny ambanin'e pejy: misy dikan-teny sasany vakigny hoe: "Ame agnaranareo"] 8 Nampahalalain'i Eprafa anay e fitiavanareo e Fagnahy. 9 Noho io fitiavagny io, nanomboky tame andro naregnesanay an'izany da tsy nijery e nivavaky ho anareo iay. Nangataky iay mba ho feno fahalalagny e sitrapony ame fahendregny agnaby sady fahalalagny ara-pagnahy anareo. 10 Nivavaky iay mba handiananareo am-pahendregny ao amin'ny Tompo ame fomba ankasitrahagny an'Andriamanitry. Nivavaky iay mba hamokatry ame asa soa agnaby anareo sady mba hitombo fahalalagny an'Andriamanitry. 11 Mivavaky iay mba hahazo hery ame fahaizagny agnaby anareo arak'e voninahitry ame fiaretagny izy ame fiaretagny. 12 Mivavaky iay mba hagnome fisaoragny an'i Abatsika am-pifaliagny anareo, izay nahafahanareo hanagny anjara ame lovan'e mpino ame fahazavagny[Fagnamarihagny ambanin'y pejy: misy dikan-teny sasany vakigny hoe: "Izay nahafahantsika nanagny anjara."] 13 Namonjy antsika tame fanapahan'e haizigny sady namindra antsika ho agny ame fanjakan'e Zanany lahy malalany Izy. 14 Ao ame Zanany lahy e anagnatsika e fagnavotagny, e famelagny e fahotagny. [Fagnamarihagny ambanin'e pejy: misy dikan-teny sasany vakigny hoe: "Ao ame Zanany e anagnatsika fagnavotagny ame alalan'e rany, da gne famelagny e fahotagny."] 15 E Zanaky lahy da endrik'Andriamanitry tsy hita maso. Izy gne teraky voalohany tame fahariagny. 16 Fa tame alalany e nahariagny e raha agnaby, izay agny an-dagnitry izy ame ety ambony tany, e raha hita maso na e tsy hita. Na e seza fiandrianagny, na e fanapahagny, na e fitondram-panjakagny, na e manam-pahefagny, e raha agnaby da nohariagny tame alalany sady ho Anazy. 17 Izy e alohan'e raha agnaby, sady amin'Azy e haharetan'e raha agnaby. 18 Izy e lohan'e vatagny izy ame fiangonagny. Izy e fiandohagny sady teraky voalohany eo agnivon'e maty, da izy e nanagny toeragny voalohany teo agnivon'e raha agnaby. 19 Satria sitrak'Andriamanitry e tokony hiaignagny e hatsaragny agnaby ao amin'azy, 20 sady mba hampihavagny ame alalan'e Zanaky lahy ame raha agnaby amin'azy tegnany. Andriamanitry da nihavagny tame alalan'e hazo fijaliagny. Andriamanitry e nampihavagny e raha agnaby tame tegnany, na e raha rehetra eto ambonin'e tany na e raha agnaby agny an-dagnitry. 21 Tame fotoagny raiky, da vahiny tamin'Andriamanitry avakoa anareo, sady fahavalony tame sainy izy ame asa ratsy. 22 Fa amin'izao fotoana izao, izy e nampihavagny anareo tame vatany manontolo tame alalan'e fahafatesagny. Naniny izany mba hagnamasinany anareo, tsy hanam-pondro ankatrefany eo, sady nangala-baraky anazy nohon'e faharatsiagny, 23 raha manohy ame finoagny anareo, miorigny sady mafy origny, da ka mamitaky ame fagnantegnagny mahatokin'e filazantsara izay renareo. Ity e filazantsara izay nambara tame olo nohariagny ambanin'e lagnitry agnaby. Ity e filazantsara, izay nahavy anà, Paoly, ho mpanompo. 24 Amin'izao fotoagny izao da faly ame fijaliako ho anareo iao, sady iao da nameno e nofotriko izay tsy ampy ame fahorian'i Kristy nohon'e vatany, da gne fiangonagny izany. 25 Nohon'e fiangonagny e nahampanompo anà, arak'e andraikitry avy amin'Andriamanitry izay nomeny anà ho anareo, mba hahatanteraky e zakan'Andriamanitry. 26 Io e marina miafigny izay nafiny nandritry gne taogny maro sady ho an'e taranaky. Fa amin'izao fotoagny izao, da efa niboaky izany tamin'izay mino anazy. 27 Tamindreo e tian'Andriamanitry nampahafantarigny e haren'e voninahitr'ity fahamarinagny miafigny ity teo agnivon'e jentilisa. Izany moa da i Kristy e ao aminao, da gne tokin'e voninahitry ho avy. 28 Da izay gne notorinay. Nagnanatry e olo agnaby iay, sady nampianatry e olo agnaby tame fahendregny agnaby, mba hanolorantsika e olo aby feno ao amin'i Kristy. 29 Noho izany da miasa mafy iao sady miezaky arak'e tanjakiny izay miasa atoa amina ame hery.