Chapter 4

1 Ry Tompo , omeo gn'andevo izay marigny sy rariny. Fantatrareo fa anareo avakoa managny Tompo raiky agny an-dagnitry. 2 Mahareta mandrakariva ame fivavahagny. Miambena amin'izany ame fagnomezagny fisaoragny. 3 Miaraha mivavaky ho anay avakoa, mba hanokafan'ndriamanitry varangaragny ho an'e zaka, mba hizakagny gne fahamarinagny miafignin'i Kristy. Nohon'e amin'izany da voafehy iao. 4 Mivavaha mba ahafahako magnazava an'izany, raha tokony hizaka iao. 5 Mandehana amin'e fahendregny amindreo agny ambadiky agny, da araraoty gne fotoagny. Aoky gne zakanareo hiaraky amin'e fahasoavagny fezay. 6 Aoky indreo ho vonton-tsira, mba hahafahanareo mahalala gne fomba tokony hamalianareo gn'olo tsiraidraiky. 7 Raha gne raha makasiky anà, da i Tykyko gne hampahalala an'io aminareo. Izy da rahalà malala, mpanompo mahatoky, sady mpiara-manompo ao amin'ny Tompo. 8 Nalefako agny aminareo izy noho izao, mba ahafahanareo mahalala gne raha makasiky anay, sady mba ahafahany mampahery gne fonareo. [Fagnamarihagny egny ambanin'e pejy :gne dikan-teny sasany taloha mivaky hoe: " nalefako aminareo agny izy noho izao mba ahafahany mahalala gne raha makasiky anareo, sady mba ahafahany mampahery gne fonareo". ] 9 Nalefako izy miaraky tamin'i Onesimosy, gne rahalà mahatoky sady mahalala , izay raiky aminareo. Indreo gne hizaka aminareo gne raha agn'aby izay efa nitranga taty. 10 Aristarko, e miara-migadra aminà, da miarahaba anareo, akô izany koa i Marka, havan'i Barnabasy (izay nazahoanareo beko; raha mandeha aminareo izy, da raiso), 11 da i Jesosy avakoa izay angiagny hoe Josto. Indreo avy amin'e voafora avao gne mpiara-miasa aminà ho an'e fanjakan'Andriamanitry. Fampionognagny ho anà indreo. 12 Epafra da miarahaba anareo. Raiky aminareo izy sady mpanompon'i Kristy Jesosy. Mitologny am-bavaky ho anareo fezay izy, mba ahatanteraky anareo da ahazo tanteraky ao amin'e sitrapon'Andriamanitry agnaby. 13 Fa mijoro vavolombelogny ho an'azy iao, fa miasa mafy ho anareo izy, sy ho andreo agny Laodika, sady ho andreo izay agny Hierapolia. 14 Lioka izay mpitsabo malala sy Demasy da miarahaba anareo . 15 Arahabay indreo rahalà agny Laodika, sy Nymfa, da gne fiangonagny izay ao andragnony. 16 Refa voavaky eo agnivonareo ity taratasy ity da ataovy vakiagny ao amin'e fiangonan'i Laodikiana avakoa, sady ataovy voavakinareo avakoa gne taratasy avy agny Laodika. 17 Zakay i Arikipo hoe: " Tandremo gne asa fanompoagny izay noraisanao tao amin'ny Tompo, fa tokony ho tanterahinareo izany ." 18 Ity fanaovam-beloma ity da ataon'e tagnako manokagny-Paoly. Tsarovy gne figadrako . Ho aminareo anie gne fahasoavagny.