Toko faha 8

1 Nagneky gne fahafatesany i Saoly. da nanomboky tamio andro io gne fagnejeagny zakabe hanoheragny gne fiangonagny izay tao Jerosalema, sady gne mpino agnaby da niparitaky nagneragny gne faritry jodia izy ami Samaria, ankotrin'e Apostoly . 2 Gne lelà matahotry an'Andriamanitry da nandevigny an'i Stefana sady nagnano hira fisaonagny an'azy. 3 Fa Saoly da nanimba tanteraky gne fengonagny; nitety tragno izy sady nangala gne lelà izy ame viavy, sady nandefa andreo tagny am-pigadragny. 4 Fa gne mpino izay niparitaky da nandeha nitory gne zaka. 5 Filipo da nidigny tagny ame tanam-ben'i Samaria sady nitory an'i Kristy tamindreo. 6 Refa naharegny sady nahita gne famataragny izay namboarin'i Filipo gne fokon' olo maro, da nifantoky tsara tamizay nozakainy indreo. 7 Gne fagnahy maloto da nijotso tame maro izay nidirany, nitoreo mafy, sady maro tame malemy izy ame kilemaigny gne sitragny. 8 Noho izany da nisy fifaliagny zakabe tao ame tanam-be. 9 Fa nisy lelà raiky natsovagny hoe Simona tao ame tanam-be , izay vao tselatsela gne nihira aody; matetiky nagnano raha mahagaga gne fokon'olo tao Samaria izy, refa magnambara fa izy da olo manan-danja. 10 Gne Samaritana agnaby, manomboky ame kidy indrindra ka hatrame zakabe indrindra, da niteno tsara an'azy; da hoy indreo hoe: "Io lelà io da e fahefan'Andriamanitry izay antsovagny hoe Zakabe." 11 Indreo da niteno an'azy, satria izy da nahagaga andreo efa nandritry gne fotoagny ela tame gn'aodiny. 12 Fa refa nino an'i Filipo indreo noho izy nitory gne filazantsara momban'e fanjakan'Andriamanitry izy ame gn'agnaran'i Jesosy Kristy, da nanigny batisa indreo, ndre gne lela ndre gne viavy. 13 Na i Simona aza da nino, sady tafaran'e nagnamboaragny batisa an'azy da nijanogny niaraky tamin'i Filipo fezay izy. Refa nahita gne famantaragny izy ame asa zakabe izay niboaky izy, da gaga. 14 Sady refa regnin'e Apostoly ao Jerosalema fa nandray gne zakan'Andriamanitry i Samaria, da nalefandreo tagny amindreo i Petera izy am'i Jaona. 15 Refa nidigny indreo, da nivavaky ho andreo indreo, mba mety handresandreo gne Fanahy Masina. 16 Fa nandrapaha avy an'izany fotoagny izany, da mbola tsy nisy nilatsahan'e Fanahy Masina indreo; fa vita batisa tame gn'agnaran'i Tompo Jesosy fotsiny avao. 17 Avy eo i Petera izy am'i Jaona da nametraky gne tagnany teo amindreo, sady da nandray gne Fanahy Masina indreo. 18 Sady refa hitan'i Simona fa gne Fanahy Masina da natolotry teo an-tagnan'e apostoly tame gn'alalan'e fametrahagny tagna, da nomeny vola indreo. 19 Hoy izy hoe: "Omeo anà avakoa izany fahefagny izany, ka izay ametrahako tagna agnaby da mety handray gne Fanahy Masina." 20 fa hoy i Petera tamin'azy hoe: "Ho levogny miaraky aminao agny gne volafotsinao, satria anao nieritreritry gne hahazo gne fagnomezan'Andriamanitry ame gn'alalan'e vola. 21 Anao da tsy managny anjara na ampahany amizany raha izany, satria gne fonao da tsy marigny amin'Andriamanitry . 22 Noho izany mibebaha ame faharatsianao, sady mivavaha am'i Tompo, sao mba mety hamela gne fagnirian'e fonao Izy. 23 Fa iao mahita fa anao da vôpoizignin'e lolom-po izy ame vôfatotrin'e fahotagny anao." 24 Simona namaly sady nizaka hoe: "Mivavaha am'i Tompo ho anà, mba tsy hisy hiboky aminà gne raha nozakainao." 25 Refa nijoro vavolombelogny sady nagnambara gne zakan'i Tompo indro, da nipody tagny Jerosalema i Petera izy am'i Jaona, nitory gne filazantsara tame tanagny maro ao Samaritana. 26 Sady nisy anjelin'i Tompo nizaka tam'i Filipo sady nizaka hoe: "Mitsangana sady mandehana megnatsimon'e lalagny midigny avy agny Jerosalema megn'agny Gaza." (Io lalagny io da da agny ame tany fogny.) 27 Da nitsangagny izy sady nandeha . Indro, nisy lela avy agny Etiopia, tandapan'i Kandasy, mpanjaka vavin'e Etiopiana. Izy gne nendraikitry gne haregny agnaby. Avy tagny Jerosalema izy mba hidera. 28 Sady nody izy ka nipetraky teo ame saretiny, sady namaky gne zakan'Isaia mpaminany. 29 Sady gne fagnahy nizaka tam'i Filipo hoe: "Mandehana sady k'aza miala lavitry an'io sarety io." 30 Ka da nihazakazaky nagnatogny an'azy izy, sady naharegny an'azy namaky gne zaka tao amin'Isaia mpaminany, sady nizaka hoe: "Azonao me io vakinao io?" 31 Nizaka gn'Etiopiana nagnano hoe: "Akôgnaia gne hahalalako, raha tsisy olo mitari-dalagny anà?" Nengavy an'i Filipo izy mba hagnatogny gne sarety sady hipetraky hiaraky amin'azy. 32 Sady gne andalan-tsoratra masigny isay novakiny gne Etiopiana da nagnano hoe: "noetigny ho vonoigny akô gn'ondry izy ,sady akô gne zanak'ondry môgny eo aloan'e mpamono an'azy, noho izany da tsy nahazaka izy. 33 Fa tame fangala-baraka an'azy da nesorigny tamin'azy gne rariny. Ia gne afaky hamaritry tanteraky gne taranakiny? Nohon'e gn'aigniny nesorigny teto an-tany." 34 Noho izany da nagnotany an'e Tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Magnotany anao iao, ia gne zakain'io mpaminany io, gne tegnany avao me, sa olo hafa?" 35 Nanomboky nizaka i Filipo, sady nanomboky tamizany soratra masina izany gne nitoriany gne filazantsara momba an'i Jesosy tamin'azy. 36 Refa nandeha tegny an-dalagny indreo, da nagnatogny tegny amizay nisy rano indreo sady hoy gne tandapa hoe: "Io , misy rano eto. Ino gne manakagny anà tsy ho anigny batisa?" 37 (Fagnamarijhagny: Hoy i Filipo hoe: "Raha mino ame fonao agnaby anao, da afaky anigny batisa." Gne Etiopiana namaly hoe:"Mino iao fa Jesosy Kristy gne Zanak'Andriamanitry.") 38 Ka nasain'e Etiopiana najanogny gne sarety. Nidigny negn'agny ame rano indreo, i Filipo izy ame tandapa, sady nanin'i Filipo batisa izy. 39 Refa niala gne rano indreo, da nentin'e Fagnahin'i Tompo i Filipo, ka tsy hitan'igny tandapa igny sanaky izy, fa nandeha tame fifaliagny tegny ame lalagniny. 40 Fa i Filipo da nibôky tagny Azota sady nitety an'io faritry io izy, nitory gne filazantsara magneragn'e tanam-be agnaby mandra-pahaviny tagny Kaisaria.