Toko faha 9
1
Fa i Saoly, da mbola nizaka fandrahonagny fezay eka fa ndre hatrame famonoagny manohitry gne mpianatrin'i Tompo azaky, nandeha tagny ame mpisoronabe
2
sady nagnotany andreo gne taratasy ho an'e synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita ndre ia ndre ia eo ame lalagniny izy, ndre lela ndre viavy, da indesiny hifatotry agny Jerosalema indreo.
3
raha mbola nandeha izy, da izao gne niboky refa avy teo akekin'i Damaskosy izy, tampoky teo da nisy hazavagny namirapiratry nagnodidigny an'azy avy agny an-dagnitry;
4
sady lavo tame tany izy ka naharegny feo nizaka tamin'azy hoe:"Saoly, Saoly, nagnino anao da magnenjiky Anà?"
5
Saoly namaly hoe: "Ia anao, Tompo?" Hoy Gne Tompo: "Iao gne Jesosy izay enjehinao,
6
fa mitsangàna, midira ao ame tanagny, sady hozakaigny aminao izay tsy maintsy ho amboarinao."
7
Gne lelà izay niara'dia tam'i Saoly da nitsangagny tsy nahazaka, naharegny gne feo, fa tsy nahita ndre ia ndre ia.
8
Nitsangagny avhy tame tany i Saoly, sady refa nanokatry gne masony izy, da tsy afaky nahita ndre ino ndre ino izy; ka notatagnandreo tame tagnany izy sady nentigny tagny Damaskosy.
9
Tsy nahita izy nandritry gne telo andro, sady tsy nihinagny izy gne sady tsy nindrano.
10
Sady nisy mpianatry tao Damaskosy antsovagny hoe Ananiasy. Nizaka tamin'azy tame fahitagny gne tompo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Indro, ity iao, Tompo."
11
Nizaka tamin'azy gne Tompo: "Mitsangàna, sady mandehana agny ame lalagny izay anTsovagny hoe Mahitsy, da refa ao an-dragnon'i Jodasy da mangataha ame lelà avy agny Tarsosy antsovagany hoe Saoly, fa mivavaky izy.
12
Efa nahita tame fahitagny gne fevian'e gn'olo antsovagny hoe Ananiasy sady hametraky gne tagnany eo amin'azy, ka mety hahita indraiky izy. "
13
Fa namaly i Ananiasy hoe: "Tompo, efa nandre tame maro momba an'io olo io Iao, mahakasiky gne ratsy naniny tame olonao masigny tao Jerosalema.
14
Nanagny fahefagny tame lohan'e mpisorogny izy mba hisambotry izay olo agnaby magnatso gn'agnaranao eto."
15
Fa gne Tompo nizaka tamin'azy hoe: "Mandehana, fa izy da fitaovagny nofidiko, mba hinday gn'agnarako eo alohan'e jentilisa izy ame mpanjaka sady gne zanak'Israely;
16
fa ho abôkiko an'azy hoe akôgnaia gne fijaliany noho gn'ame gn'agnarako."
17
Ka lasa i Ananiasy, sady niditry tao ame tragno . nametraky gne tagnany teo amin'azy, da nizaka izy hoe: "Rahalà Saoly, gne Tompo Jesosy, izay nibôky taminao tegny an-dalagny refa negn'aty anao, gne nandefa anà taty mba mety hahitan'e masonao sady ho fenon'e Fanahy Masina."
18
teo no eo da raha akô sisik'ena trondro gne niendaky tame mason'i saoly, sady nahita izy; nitsangagny izy sady nanigny batisa;
19
sady nihinagny izy ka nahazo hery. Nipetraky niaraky tame mpianatry tao Damaskosy nandritry gn'andro maro izy.
20
Avy da nagnambara an'i Jesosy tao ame synagoga izy, nizaka fa Izy gne Zanak'Andriamanitry.
21
Gn'olo agnaby naharegny an'azy da gaga sady nizaka hoe: "Tsy io me gn'olo namono olo izay nagnatso tam'io agnara io tagny jerosalema igny? avy tetoa izy mba hangala andreo ho fatoragny ho agny ame mpisoronabe."
22
Fa lasa nihanahery i saoly, sady nampahery gne Jiosy izay nipetraky tao Damaskosy ka nagnaporofo fa Jesosy gne Kristy.
23
Tafaran'e gn'andro maromaro, niray saigny mba hamono an'azy gne Jiosy.
24
Fa lasa lalan'i Saoly gne tetikindreo. Sady gne vavahady andro aman'aligny mba hamono an'azy indreo.
25
Fa nangala an'azy tame gn'aligny gne mpianatriny sady namela an'azy hidigny tame rindrigny, nampidigny an'azy tao agnaty harogny.
26
Refa avy teo Jerosalema izy, da Nagnandragny gne hagnatogny gne mpianatry i Saoly, nefa natahotry an'azy agnaby indreo, tsy nino fa mpianatry izy.
27
Fa nangala an'azy i Barnabasy sady ninday an'azy teo ame Apostoly, sady nizaka tamindreo izy hoe akôgnaia gne nahitan'i Saoly gne Tompo tegny an-dalagny izy ame nizakanan'i Tompo tamin'azy, sady akôgnaia gne nitorian'i Saoly ame fahasahiagny tame gn'agnaran'i Jesosy tao Damaskosy.
28
Nihaogny tamindreo izy refa niditry sady niala an'i Jerosalema. Nizaka tame fahasahiagny tame gn'agnaran'i Jesosy Tompo izy
29
sady niady hevitry niaraky tame Jiosy Grika; nefa mbola niezaky gne hamono an'azy avao indreo.
30
Refa lalan'e rahalà izany, da nentindreo nidigny tagny Kaisaria izy sady nalefany ho agny Tarsosy izy.
31
Sady avy eo , gne fengonagny nagneragny an'i Jodia agnaby, Galilia,da i Samaria nanagny fiadanagny sady voaorigny; da nandeha tame fatahoragny an'i Tompo izy ame fampiononan'e Fanahy Masina, ka nitombo isa gne fiangoanagny.
32
Da avy izany amizao, raha nandeha nagneragny gne faritry agnaby i Petera, da nandeha nidigny tagny ame mpino izay nipetraky tao ame tanagnin'i Lyda avako izy.
33
Nahita olo antsovagny hoe Aenasy tao izy, izay efa teo ame fandriany nandritry gne valo taogny,satria nalemy izy.
34
Petera nizaka tamin'azy hoe : "Aenasy, magnasitragny anao Jesosy Kristy. Mitsangàna da amboaro gne fandrianao," sady niaraky tamizay da nitsangagny izy.
35
Fa izay nipetraky tao Lyda izy ame tao Sarona agnaby da nahita gne lelà ka nitodiky tamin'i Tompo indreo.
36
Sady nisy mpianatry raiky natsovagny hoe Tabita tao Jopa, izay adika hoe "Dorkasy." Nagnano asa soa maro io viavy io sady nagnano fagnapiagny feno asa fiantragny izay nataony ho an'e sahiragny.
37
Tamio andro io da narary izy ka maty; refa napandro an'azy indreo, da napetrakindreo tao ame efitry ambony izy.
38
Satria efa nagnakeky an'i Lyda i Jopa, sady naharegny gne mpianatry fa tao Petera, da nandefa olo roy tagny amin'azy indreo, niangavy an'azy: "Mevia aminay agny rô amizao koa amizao."
39
Nitsangagny Petera sady nandeha niaraky tamindreo. Refa avy izy, da nitondra an'azy tao ame efitry ambony indreo, sady gne mpitondrategna agnaby nitsangagny teo agnilany nitomagny, nagnabôky an'azy gn'akanjo izy ame lamba nozarain'i Dorkasy tame fahavelogniny niaraky tamindreo.
40
Nalefan'i Petera tagny ambadikiny gn'efitry izy agnaby,nandohaliky ,sady nivavaky; avy eo, nitodiky tame gne faty, nizaka izy hoe: "Tabita, mitsangàna." Da nanokatry gne masony izy avy eo, sady nahita an'i Petera izy da niarigny.
41
Avy eo nagnatatry gne tagnany tamin'azy i Petera sady nampitsangagny an'azy; da refa nagnatso gne mpino izy ame mpitondrategna izy, da nabôkiny tamindreo gne fahavelomany.
42
Lasa niparitaky nagneragny an'i Jopa agnaby izany raha izany, sady olo maro gne nino an'i Tompo.
43
Tamizany Petera da nipetraky andro maromaro niaraky tame lelà raiky antsovagny hoe Simona tao Jopa, izay mpandoko hoditry.