Toko faha7

1 Gne mpisorognibe nizaka hoe: "Marigny me izany rehetra izany?" 2 Stefana nizaka hoe: "Ry ralà sy ry aba, tenomy iao: "Gn'Andriamanitrin'e voninahitry nibôky tamin'e abantsika Abrahama tamin'izy te Mesopotamia, talohan'e nipetrahany ta Harana; 3 nizaka taminazy Izy hoe: "Mialà amin'e taninao anao miaraky amindreo fianakavianao, da mandehana agny ame tany izay abôkiko anao. " 4 Avy teo niala gne tanin'ny Kaldeana izy sady nipetrky te Harana; nanomboky teo, tafaran'e nahafatesan'e abany, nindesin'Andriamanitry tagny amin'io tany io izy, izay ipetrahanao izao. 5 Tsy nomeny ho lova teo izy, tsia, tsy ampy hametrahagny tongotry minsy. Fa nagnome toky izy_ ndre da mbola tsy nanan-janaky aza i Abrahama fa_izy da hagnome gne tany anazy ho fanagnany sy ho an-dreo taranakiny afara agny. 6 Andriamanitry da nikoragny taminazy akô izao, fa indreo taranakiny da hipetraky maharitry agny ame tanin'e firenegny hafa, sady indreo mponigny amignao da hinday andreo amin'e fagnandevozagny sy fampahoriagny mandritry gne efa-jato taogny. 7 'F'izy ho tsaraiko gne firenegny izay tompon-dreo, ' hoy Andriamanitry, 'da afaran'izany da hagnantogny sady hidera Anà eo amin'io toergny io indreo. 8 Avy eo nomen'Andriamanitry an'i Abrahama gne fagnekegny amin'e famoragny, ka i Arahama da lasa aban'Isaka ary namora anazy tamign'andro fahavalo; Isaka da lasa aban'i Jakoba, ary Jakoba lasa aban'ireo patriarika roy ambin'ny folo. 9 Satrio indreo patriarika da nialogny an'i Josefa, ka navidindreo tany Egypta izy; fa Andriamanitry da niaraky taminazy 10 sady namonjy anazy tamin'e olagniny aby. I Josefa da nomeny fankasitrahagny sy fahendregny tamason'i Farao, mpanjakan'Egypta, izay nametraky anazy ho governora manapaky an'Egypta sy ambonin'e fanagnany aby. 11 Da avy gne mosary nagneniky an'Egypta sy Kana, sady fijaliagny zakabe, ary indreo razantsika da tsy nahita sakafo. 12 Fa rehefa naharegny i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa andreo razantsika tamin'e dian-dreo voalohany izy. 13 Tame dian-dreo faharoy i Josefa nampahafantatry gne tegnany tamin-dreo ralàny, da gne fianakavian'i Josefa da lasa fantatrin'i Farao. 14 Josefa da nagniraky andreo ralàny hizaka an'i Jakoba abany mba hoavy agny Egypta, niaraky amindreo rahavaviny aby, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo olo raha atambatry. 15 Noho izany i Jakoba da nidigny tao Egypta, da maty izy, izy miaraky ame razantsika. 16 Nolanjaigny ho e Sekema indreo da nalevigny tame koboro izay novidian'i Abrahama tamin'e volafotsy tamin'ireo zanak'i Hamora ta Sekema. 17 Rehefa nagnakeky gne fotoane fampangnantenagny, gne fampianaragny nanin'Andriamanitry tamin'ny Abrahama, da nihamaro sady nitombo gne olo ta Egypta, 18 mandra-pitsanganan'e mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahafantatry gne momba an'i Josefa. 19 Io mpanjaka io avao gne namitaky gne fokonolontsika sady nampahory andreo razantsika, indreo da nanery gne razantsika hiala gne zanany ambavan'e loza mba tsy ho velogny. 20 Tam'izany fotoagny izany i Mosesy e teraky; izy da tsara teo agnatrehan'Andriamanitry sady notezaigny telo volagny t'andragnon'i Abany. 21 Rehefa najotso ta ivelany izy, da gne zanaky viavin'i Farao gne nanangagny sady niteza azy akô gne zanany là. 22 I Mosesy da nampianarigny gne fahendregny aby nanagnan'ny Egyptiana, sady izy da nahery tame zakany sy gn'asany. 23 Ka rehefa ho efapolo taogny izy, avy tagnatin'e fony gne hitsidiky e ralàny, zanak'Israely. 24 Nahita israelita raiky izay nampahoriagny ka niaro anazy i Mosesy sady namaly gne nampahory anazy tame famonoagny ilay Egyptianina: 25 Nihevitry izy fa ho azon-dreo ralàny fa tamin'e gnalalan'e tagnany Andriamanitry e nagnavotry andreo, f'izy da tsy azon-dreo izany. 26 Gn'andro magnaraky da avy tamin-dreo Israelita sasany izy raha indreo nifanditry,; nagnandragny e nampitony gne tsiraikiraiky aby izy, nizaka hoe: "Ry lelà, anareo da mpirahalà, magnino me anareo raha mifandratry?" 27 Fa gne raiky nagnano e tsy nety tame namany nanosiky anazy, da nizaka hoe: " Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sady hitsara anay? 28 Tianao me gne hamino anà, akô gne namonoanao gne Egyptiana omaly? " 29 Nilefa i Mosesy rehefa naregny an'izany; lasa mpiavy izy tame tanin'e Midiana, e niterahany gne zanany roy lahy. 30 Rehefa dila gn'efapolo taogny, nisy anjely raiky nibôky tame tany foagnh tegny tame tendrombohitry Sinay, teo ame lalafon'e voaroy nirehitry. 31 Rehefa tsinjon'i Mosesy gn'afo, talanjogny izy tame fahitagny; da rehefa nagnantogny izy ka nagnety ilay izy, indro avy agny nisy feon'e Tompo nizaka hoe: 32 "Iao gn'Andriamanitry gne razagninao, Andriamanitr'Abrahama, da Isaka, ary Jakoba. " Nangovitry i Mosesy sady tsy nasahy nagnety. 33 Gne Tompo nizaka taminazy hoe: "Alay gne kapa ame tongotrinao, fa io toeragny izay hitsangananao io da tany masigny. 34 Efa hitako tokôtry gne fijalian'e fokonolo izao ao Egypta, regniko gne fitaraignan-dreo, da efa nidigny nagnavotry andreo Iao; ka ankehitrinh, alefako ho agny Egypta anao. " 35 Io e Mosesy gne tsy neken-dreo, rehefa nizaka indreo hoe: "Ia gne nanendry anao ho mpanapaky sady ho mpitsara?" Izy e tokagny izay nalefan'Andriamanitry sady ho mpanapaky no mpagnavotry. Andriamanitry nandefa anazy tamign'alalan'e tagnan'e gnanjely izay nipoitry tamin'i Mosesy tegny ame voaroy. 36 Nitariky andreo hiala ta Egypta i Mosesy, rehefa avy nagnano fahagagagny sy nandea tame ranomasigny mena, sady tegny agn'efitry nandritry gn'efapolo taogny. 37 Io avao ilay Mosesy e nizaka tamin'e fokonolon'Israely hoe: "Andriamanitry da hanangagny mpaminany ho anareo ame ralànareo, mpaminagny akô ana. "' 38 Izy gne lelà izay tagnatin'e fiangonagny tao agn'efitry niaraky tame gn'anjely izay nizaka tame fizaka amin'e tendrombohitr'i Sinay. Izy gne lelà niaraky tamine zanantsika; izy gne lelà nandray gne zaka velogny zaraigny ho antsika. 39 Izy gne lelà izay tsy nankasitrahan-dreo razantsika; natosikin-dreo lavitry andreo izy, sady ame fondreo da niverigny tany Egypta indreo. 40 Tamin'io fotoagny io nizaka tamin'i Arona indreo hoe: "Hagnamboary Andriamanitry anay hitariky anay, akô i Mosesy, izay nitariky antsika hivoaky an'ny Egypta, tsy fantantsika izay niseho taminazy. " 41 Da namb9try aomby là kidy indreo tamin'izany andro izany sady ninday fagnatitry teo amin'ilay sampy, da nifaly tame gn'asan'e tagnany indreo. 42 Nitodiky Andriamanitry da namela andreo mba ho fideragny gne kintagny egny an-dagnitry, arak'e voasoratry ta ame bokin'e mpaminany: "Anareo me nanolotry anà biby maty sy fagnatitry nandritry gne efapolo taogny tao agn'efitry, tragnon'e Israely? 44 Gne razantsika da nanagny tabernakidin'e fijoroagny vavolombelogny tame tany foagny, arak'e baikon'Andriamanitry rehefa nizakaka tamin'i Mosesy Izy, izay tokony naniny nitovy tame fomba efa hitany. 45 Io e tragnolay izay nalain'e razantsika, da nindesigny tao ame tany niaraky tam'i Josoa, t'agnatrehan'e razantsika, gne fanagnan'e firenegny izay nandroahan'Andriamanitry gne tany izay noraisin-dreo ho fanagnan-dreo manokagny, Ilay tragnolay da nitoetry tao ame tany nandritry gne andron'i Davida, 46 da izy nahazo fankasitrahagny tao ame fahitan'Andriamanitry sady nagnontany raha hahita toeragny hipetrahagny ho an'Andriamanitr'i Jakoba. 47 Fa i Salomona gne magnamboatry gne tragno ho an'Andriamanitry. 48 Ndre da izany aza, gn'Ambony indrindra da tsy nipetrky tagnatin'e tragno vita tamin'e tanagnagny, arak'e nozakain'e mpaminany hoe: 49 "Gne lagnitry e seza fiandrianako, da gne tany e fidoboan'e tongotriko. Trano akô ino gne afaky hamboarinao ho anà? hoy gne Tompo, na toeragny akô ino gne hijanognako? 50 Tsy tagnako me gne nambôtry anio raha marobe io? 51 Gne olo aby mahery hatoky sady tsy voafora agnaty fo sy sofigny, anareo da nanohitry fezay gne Fagnahy Masigny; anareo da magnano akô gne nanin'e razanareo. 52 Ia tamin'e razagninareo gne tsy magnenjiky mpaminany? Nivonin-drei gne mpaminany izay nibôky talohan'e fevisan'e Fahamarinagny, da aminizao anareo da lasa mpamadiky sady mpamono anazy avakoa, 53 anareo fokonolo izay nandray gne lalàgny napetrakin-dreo anjely, f'izy tsy notananareo izany. " 54 Da rehefa naharegny gne raha aby io gne mpikambagny ame filan-kevitry, tohigny gne fondreo, da nihidy vazagny indreo tamin'ny Stefana. 55 Fa izy, izay feno Fanahy Masigny, nagnety tsara gne lagnitry da nahita gne voninahitr'Andriamanitry, da nahita an'i Jesosy nitsangagny t'ankavanan'Andriamanitry. 56 Stefana nizaka hoe: "Iteo, itako misokatry gne lanitry, da gne zanak'olo mitsangagny ankavanan'Andriamanitry. " 57 Tamin'izany da nofopegnan-dreo mpikambagny ao ame filan-kevitry gne sofin-dreo, da nikiakiaky niaraky tame feo ambony, nihazakazaky indreo nandeha taminazy. 58 Notaritin-dreo ivelan'e tanàgny izy da nanomboky nitoray vato anazy indreo, da indreo vavolombelogny da nametraky gn'akanjony tame tongotr'ilay zaza là nangiagny hoe Saoly. 59 Raha nitoraky vato an'i Stefana igny indreo, nangaiky mafy gne Tompo izy sady nizaka hoe: "Tompo Jesosy, raiso gne fagnahiko." 60 Nandohaliky izy sady nangaiky tame feo mahery hoe: "Tompo, ka tazomigny izao ota izao hanoheragny andreo." Rehefa avy nizaka izany izy da resitory.